Toko faha 6

1 Rafa nanôkatra ny raika tam'reo tombo-kase fito ny Zanak'ondry de nitazagna za, ary naregny ny raika tam'reo ra managn'aigna efatra tamin'ny feo salan'ny kotroka za niteny hoe: "Avé! 2 Nitazagna za ary nisy sôvaly fotsy takeo. Ny mpitikina an'zany de mitana tsipìka, ary namena satro-boninatra izy. Nivôka ôtran'ny mpandresy izy mbô handresy. 3 Rafa nanôkatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, de naregny ny ra managn'aigna faharoa niteny hoe: "Avé!" 4 De nisy sôvaly hafa nivôka - miretra mena. Ny mpitikina an'azy no namena alalana hangala ny fiadanana amin'ny tany, mbô hifamono ny ôlony. Io mpitikina io de namena sabatra geda. 5 Rafa nanôkatra ny tombo-kase fatelo ny Zanak'ondry, de naregny ny ra managn'aigna fatelo za niteny hoe: "Ave!" Natazagna sôvaly mainty za, ary ny mpitikina an'azy de nitana taigny an-tagnany. 6 Naregny salan'ny feo tamin'ny ra managn'aigna efatra za niteny hoe: "Ny vary eran'ny fatam-bary ho an'ny denaria raika, ary ny hordea in-telon'ny fatam-bary ho an'ny denaria raika. Fa aza mandratra ny menaka sy ny divay." 7 Rafa nagnokatra ny tombo-kase faefatra ny zanak'ondry, de naregny ny feon'ny ra managn'aigna faefatra za niteny hoe: "Avé!" 8 De natazagna sôvaly hatsatra za. Ny mpitikina an'azy de antsôvina hoe Fafatesana, ary reo fasagna de nagnaraka an'azy. Nameny fahefana amin'ny ampahefatry ny tany zareo, mbô hamono amin'ny sabatra, silaona sy aretina, ary am'reo bibidian'ny tany. 9 Rafa nagnokatra ny tombo-kase fadimy ny Zanak'ondry, de tazako takao ambany alitara reo fanahin'reo ze novonona noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fitsanganana vavolombelona ze notànan-jareo. 10 Nihaika tamin'ny feo mafy zareo hoe: "Mandra-pa ovena, ry Mpanjaka ambonin'ny daôly, masina sy marina, no hitsaranao reo ze miaigna aketo an-tany, sy hamalenao faty ny rànay? 11 De namena akanjolava ny tsiraikaraika avy tamin-jareo, ary nilazana zareo fa tokony handigny kelikely mandra-pazaôna ny isa fenon'reo mpiara-manompon-jareo sy reo rahala sy anabavin-jareo ze tokony hovonôna zareo, ôtran'ny namonôna an-jareo. 12 Rafa nagnokatra ny tombo-kase faenina ny Zanak'ondry, de nitazagna za ary nisy horohoron-tany gedabe. Lasana mainty ôtran'ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanagna de lasana ôtran'ny rà. 13 Reo kintana taigny amin'ny lanitra de potraka tety an-tany, ôtran'ny aviavy magnintsagna ny vôny manta rafa tsofin'ny rivotra mafy. 14 Ny lanitra de nanjavona ôtran'ny horognan-taratasy ze naorongorona. Ny tanety sy ny nosy daôly de nalana takeo amin'ny tôrany. 15 Avy akeo reo mpanjakan'ny tany sy ny ôla managn-danja, sy reo jeneraly, ny mpanagn-karena, ny mahery, ary ny hafa daôly, andevo sy afaka, nisitrika takao agnatin'reo lava-bato sy tam'reo vatolampin'ny tendrombotra. 16 Niteny tam'reo tendrombotra sy tam'reo vatolampy zareo hoe: "Mirodagna aminay! Asitrifo amin'ny tavan'le raika ze mipetraka takeo amin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fasosen'ny Zanak'ondry zahay. 17 Fa tonga ny andro lehiben'ny fatezeran-jareo. Iza no hahavita hiharitra?"