Toko faha 21

1 Avekeo za naita lagnitra vaovao sy tany vaovao, fa fôgna ny lagnitra vôlôny sy tany vôlôny, ary tsisy tsony ny ranomasina. 2 Hitako le tagnàna masina, Jerosalema vaovao, ze nidigna avy aigny an-dagnitra ary amin'Andriamanitra, vôomagna ôtran'ny ampakarina ampengoina ho an'ny vadiny. 3 Nahareigny feo mahery avy aigny amin'ny seza fendrianana za magnano hoe: "Indro! Akeo amin'ny ôla ny tôran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaigna miaraka am-jareo izy. Ho ôla izy reo, ary Andriamanitra tegnany hiaraka am-jareo ary Izy ho Andriamanitr-jareo. 4 Hamafa ny ranomaso daôly amin'ny mason-jareo Izy, ary tsisy fafatesana tsony, na alaelo, na tomagny, na fanaintaignana. Efa lasa reo ra teo alô. 5 Le tokana ze nipetra takeo amin'ny seza fendrianana nitare hoe: "Indro! Natôko vaovao ny ra daôly." Ozy Izy: "Soraty zao satria reto teny reto de mahatoky sy marina." 6 Ozy Izy taminà hoe: "Efa vita reo ra reo! Za no Alfa sy Omega, le fendoana sy fefarana. Ze mangetaeta de hameko ho sotroina maimaim-pôgna avy amin'ny loharanon'ny fiaignana. 7 Ze mandresy de handova reo ra reo, ary Za no ho Andriamaniny, ary izy ho zanako. 8 Fa reo osa, tsy manam-pinona, maharikoriko, mpamono ôla, mpijangajanga, mpagnano ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, de aigny amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran-jareo. Zany no fafatesana faharo." 9 Nagnatogna anà ny raika tam-reo anjely fito, le tokana ze nanagna an'reo vilia fito feno reo loza fito farany, ary ozy izy hoe: "Avia ety. Ho abôgnako an'nao le ampakarina, le vadin'ny Zanak'ondry." 10 Avy akeo de ndesiny tamin'ny Fagna taigny amin'ny tanety ambo za ary nabôgna anà le Jerosalema tanàna masina midina avy aigny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra. 11 Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany de ôtran'ny vato soa sarobidy, ôtran'ny vato kristalina jaspy madio. 12 Nanagna rindrina avo gedabe niaraka tamin'ny vavahady rombefolo zany, niaraka tamin'ny anjely rombefolo takeo am-reo vavahady. Takeo am-reo vavahady no vôsoratra ny agnaran-reo foko rombefolon'ny zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo antsinanana, vavahady telo takeo avaratra, vavahady telo takeo atsimo, ary vavahady telo takeo andrefana. 14 Nanagna fototra rombefolo ny rindrin-le tanàna, ary takeo am-reo no nisy reo agnarana rombefolon'ny apostolin'ny Zanak'ondry. 15 Le raika ze niresaka taminà de nanagna fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, reo vavahadiny, ary ny rindrigny. 16 Miendrika efa-joro le tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tam-le fandrefesana volotara izy, rôrivo stadio ny halavany (mitovy ny alavany, sakany, ary hambony). 17 Nandrefy ny rindrign-zany kô izy, 114hakiho raha refin'ny ôla (zay refin'ny anjely ihany kô). 18 Vita tamin'ny jaspy le rindrigna ary tamin'ny volamena tsisy fangarony, salan'ny fitaratra madio. 19 Ny fototr-le rindrigna de vôravaka tam-reo karazagna vato sarobidy daôly. Ny vôlôny de jaspy, ny faharôy safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryle, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha raika ambefolo jacinta, ny faha rombefolo ametysta. 21 Ny vavahady rombefolo de vato soa rombefolo; ny tsirairay am-reo vavahady de vita tamin'ny vato soa raika. Reo lalam-be takeo an-tanàna de volamena tsy misy fangarony, ôtran'ny fitaratra mangarahara. 22 Tsy naita tempoly takao amin'ny tanàna za, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak'ondry no tempoliny. 23 Ny tanàna de tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra am-zany satria ny voninahitr'Andriamanitra de namirapiratra tam-zany, ary ny Zanak'ondry no jiron-zany. 24 Hande amin'ny fazavan-zany tanàna zany reo firenena. Reo mpanjakan'ny tany de hitondra ny fatsaran-jareo ho akao am-zany. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy talô sasagny de mivaky hoe: "Reo firenena ze vôvonjy de hande amin'ny fazavan-zany tanàna zany.") 25 Tsy hidy reo vavahadin-zany mandritry ny andro, ary tsisy aligna akaigny. 26 Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan-reo firenena akao am-zany zareo, 27 ary tsisy maloto hiditra akao am-zany miitsy. Tsisy na iza na iza hagnano ra mamenatra na mamitaka hiditra akao, fa reo zay vôsorata agnarana akao amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiaignana ihany.