Toko faha 17

1 Raika tam-reo anjely fito ze nitazona reo vilia volamena fito nagnatogna sy nitare taminà hoe: "Avia, ho aseoko an'nao ny sazin'ny mpijangajanga leibe ze mipetra ambony rano maro. 2 Niaraka tam'azy no nampijangajanga an'reo mpanjakan'ny tany. Ny dovain'ny fijangajangany no nahamamo reo mponin'ny tany." 3 Avy akeo le anjely nitondra anà tamin'ny Fagna taigny amin'ny tany karakaigna, ary naita vevavy nipetra takeo ambony bibi-dia mena ze feno agnarana teny ratsy anà. Le biby-dia de managna lô fito sy tandroka folo. 4 Le vevavy de nekanjo voloparasy sy mena ary vôravaka volamena, vato sarobidy, ary vato soa. Izy de nitazona tamin'ny tagnany kapôka volamena feno reo ra maharikoriko sy reo tsy fadiovan'ny fijangajangany. 5 Takeo amin'ny tapikandriny no nisy agnarana managna dikany misitrika vôsoratra managno hoe: "Babylona leibe, le renin-reo mpijangajanga sy ny ra marikorikon'ny tany." 6 Naita za fa le vevavy de mamon'ny ràn'reo mpino sy ny ràn'reo maritiora ho an'i Jesosy. Rafa naita an'azy za, de tegna talanjona. 7 Fa le anjely nitare taminà hoe: "Magnino no talanjona enao? Ho azavaiko an'nao ny dikan-le vevavy sy le bibi-dia ze mitondra an'azy, le bibi-dia ze managna lô fito sy tandroka folo. 8 Le bibi-dia ze hitanao de misy, fa tsy misy am-zao fotôgna zao, fa andalam-piakarana avy aigny amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy hita noanoa. Avy akeo de hakaigny amin'ny fasimbana zany. Reo ze miaigna ambony tany, reo ze tsy vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana hatramin'ny namoronana an'zao tontolo zao ny agnarany, ho gaga zareo rafa haita fa le bibi-dia de misy, fa tsy misy intsony am-zao fotôgna zao, fa andalam-pevena. 9 Miantso saigna ze manam-paendrena. Reo lô fito de tanety fito ze hipetrahan-le vevavy. 10 Izy reo ihany kô de mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, ary ny hafa de mbola tsy tonga; rafa tonga izy, de fe-potôgna kely ihany no hitôrany. 11 Le bibi-dia ze misy, fa tsy misy am-zao fotôgna zao, mpanjaka favalo izy; kanefa raika am-reo mpanjaka fito izy, ary hankeigny amin'ny fasimbana. 12 Reo tandroka folo ze hitanao de mpanjaka folo ze mbola tsy nandray fanjakana, fa hahazo faefana ôtran'ny mpanjaka miaraka am-le bibi-dia, mandritry ny adiny raika zareo. 13 Firaisan-tsaigna zany, ary zareo de hagnome ny hery sy ny faefan-jareo an'le bibi-dia. 14 Hanangan'ady manoitra ny Zanak'ondry izy reo. Fa ny Zanak'ondry no handresy an'azy reo satria Izy no Tompon'ny tompo, ary Mpanjakan'ny mpanjaka ary miaraka am-reo vôantso, reo vôfidy ary reo manam-pinona." 15 Ozy ny anjely taminà hoe: "Reo rano ze htazanao, takeo am-le nipetran-le mpijangajanga, no ôla, vondron'ôla firenena, ary fiteny. 16 Reo tandroka folo ze hitanao, izy reo sy le bibi-dia de hankahala an'le mpijangajanga. Ho ataon-jareo lao sy niboridagna izy, handrovitra ny nofony izy reo, ary handoro an'azy tanteraka amin'ny afo. 17 Fa Andriamanitra efa nametraka an'zany takao am-pon'jareo mba hanatanteraka ny fikasany amin'ny faneken-jareo hagnome ny herin-jareo hitondrana le bibi-dia mandrapatanteraky ny tenin'Andriamanitra. 18 Ary ravevavy, le hitanao no tanàna gedabe ze manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany."