Toko faha 16

1 Naregny feo mafy nagnantso avy takao an-tempoly za ary nitare tam'reo anjely fito hoe: "Mandiana ary ararafo amin'ny tany reo vilé fito feno ny fasosen'Andriamanitra." 2 Lasa le anjely vôlôny ary nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny tany; ratra ratsy sy marary no tonga tamin'ny ôla ze nanagna ny mariky ny bibide, reo ze nankalaza ny sariny. 3 Le anjely faharôy nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny ragnomasina. Lasa rà zany, ôtran'ny ràn'ôla maty, ary maty ny ra managn'aigna daôly takao an-dragnomasina. 4 Le anjely fatelo nandraraka ny takao am-bilény tam'reo ony sy lôharano, ary lasa rà reo. 5 Regniko ny anjelin'ny rano magnano hoe: "Marina Anao, Le ankehitriny sy talô, Le Ray Masina, satria efa nitsara reo ra reo Anao. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy sasagny talô de mivaky hoe: "Marina Anao, Tompo - Le ankehitriny sy talô ary ho avy, satria efa nitsara ro ra reo Anao.") 6 Satria ny ràn'reo mpino sy mpaminagny no nalatsak'zareo, de namenao rà ho sotrona zareo; zany no mendrika an'jareo." 7 Regniko ny alitara namaly hoe: "Yôny, Tompo Andriamanitra lehibe, reo fitsaranao de marina sy mahitsy." 8 Le anjely faefatra nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny masoandro, ary nahazo alalana handoro ny ôla amin'ny afo zany. 9 Main'le hafanana be zareo, ary niteny ratsy ny agnaran'Andriamanitra, ze managna ny faefana am'regny loza regny. Tsy nibebaka zareo na nagnome voninatra an'Azy. 10 Avekeo le anjely fadimy nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny seza fendrianan'le bibide, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizigna. Nitsako ny lelany zareo nohon'ny fahorena. 11 Niteny ratsy le Andriamanitry ny lagnitra zareo nohon'ny fahorena sy ny ratran-jareo, ary mbôla nandà ny hibebaka am'ze vitan-jareo fôgna zareo. 12 Le anjely faenina nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny ony lehibe, le Eofrata. Noritina zany mbô hagnomanana ny lalana ho an'reo mpanjaka ze ho tonga avy aigny antsinanana. 13 Natazagna fagnahy maloto telo za ze mendrika sahona mivôka avy aigny am-bavan'ny dragona, avy aigny am-bavan'ny bibide, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminagny sandoka. 14 Fa fagnahin'ny demonia magnano famantarana magaga zareo. Nankaigny am'reo mpanjakan'zao tontolo zao zareo mbô hanangona an-jareo miaraka ho an'ny adin'ny andro gedaben'Andriamannitra Avo ndrindraka. 15 ("Indro! Avy salan'ny mpangalatra Za! Sambatra ze miambina, miaro reo fitafeny mbô tsy hivôka miboridana izy ary hitan-jareo ny famenarany.") 16 Nentin-jareo niaraka taigny amin'ny tôrana ze antsôvina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo zareo. 17 Avy akeo le anjely fafito nandraraka ny takao am-bilény tamin'ny rivotra. Ary nisy feo mafy nivôka avy takao an-tempoly sy avy tamin'ny seza fendrianana, nagnano hoe: "Vita zany!" 18 Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy - horohoron-tany gedabe noho ze efa nitranga hatram'ze nisian'ôla taketo an-tany, ka de mafy zany horohoron-tany zany. 19 Vaky ho fizarana telo le tanàna gedabe, ary rava ny tanànan'reo firenena. Avy akeo Andriamanitra nagnantso mbô hatadidy an'i Babylona lehibe, ary nameny an'zany tanàna zany ny kaôka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fasoseny. 20 Nanjavogna ny nosy daôly, ary tsy hita tsony reo tanety. 21 Nisy havandra vaventy, milanja eo amin'ny talenta raika eo, nidina avy aigny an-dagnitra ho amin'ôla. Nagnozona an'Andriamanitra zareo nohon'ny loza avy tamin'ny havandra satria tegna mafy lôtra zany loza zany.