Toko faha 13

1 Ary natazagna bibi-dia za niakatra avy tamin'ny ranomasina. Nagnana tandroka folo zany ary lô fito. Takeo amin'ny tandrogny de nisy diadema folo, avy takeo am-lôny de nisy agnarana fitenenan-dratsy avy. 2 Le bibi-dia ze tazako de salan'ny leoparda. Ny tongony de salan'ny tongotra bera, ary ny vavany de salan'ny vavan'ny liona. Le dragona nagnome an'azy ny heriny, ny seza fendrianany, ary ny fahefany leibe hanapaka. 3 Ny lôn-le bibi-dia raika de ôtran'ny efa maty, kanefa sitrana le ratra saika nafaty an'azy. Ary gaga ny tany daôly ka nanaraka an-le bibi-dia. 4 Ary de nenkoka kô teo am-le dragona zareo, satria izy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Nenkoka takeo am-le bibi-dia kô zareo, ary nitare hoe: "Iza no ôtran'ny bibi-dia?" ary "Iza no afaka miady am-azy?" 5 Namena vava ze afaka mitare fieboebona sy fitenenan-dratsy le bibi-dia. Namena alalana izy mba hampiatra faefana mandritran'ny efatra ambefa-polo volana. 6 Ary nanokatra ny vavany hitare ratsy an'Andriamanitra le bibi-dia: nitare ratsy ny agnarany, ny toerana ze hipetrany ary reo ze mipetraka akao an-dagnitra. 7 Navela hiady tam-reo mpino ary handresy an'azy reo le bibi-dia. Ary kô, ny faefana de namena an'azy magnerana ny foko, ny ôla, ny fiteny, ary ny firenena daôly. 8 Henkoka akeo am'azy daôly ze monigna ambonin'ny tany, reo ze tsy vôsoratra agnarana, nandritran'ny famoronana zao tontolo zao, akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, ze an'ny Zanak'ondry, ze efa novonoina. 9 Raha misy magnan-tsofina, ôka izy hiaino. 10 Raha misy nalaina babo, de hande amin'ny fababona izy. Raha misy novonoina tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no hamonoina an'azy. Ity no antso ho an'ny faretana ary finona ho an'reo ze masina. 11 Ary naita bibi-dia za niakatra avy tamin'ny tany. Zany de nanagna tandroka roa salan'ny zanak'ondry, ary nitare salan'ny dragona. 12 Nampihariny avokô ny faefana daôly an'le bibi-dia vôlôny akeo agnatreny, ary ny tany sy reo ze monigna akeo aminy de aseny menkoka akeo am-le bibi-dia vôlôny, le raika ze sitrany tamin'ny ratra saika nafaty an'azy. 13 Nagnano fagagana betsaka sady gedabe izy. Nampidigna afo avy aigny an-dagnitra ho amin'ny tany teo agnolôn'ôla. 14 Tamin'ny alalan'ny famantarana de namena alalana agnano zany, namitaka an'reo ze monigna ambonin'ny tany zany. Nitare tam-jareo zany mba hagnambôtra sary ho voninahitry ny bibi-dia ze vôratran'ny sabatra nefa velona. 15 Navela asena aigna ny sarin'ny bibi-dia mba afahan-le sary mitare ary ze daôly tsy magneky menkoka am-le bibi-dia de vonoina. 16 Nanery ny tsiraikaraika ihany kô izany, na ny kely na ny ngeda, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, de mandray ny marika akeo amin'ny tagnana ankavanana na akeo amin'ny tapikandrina. 17 Tsisy ôla mahazo mividy na mivarotra mandra-pahazony ny marika ny bibi-dia, zany de ny isan'ny fanehôgna ny agnarany. 18 Zany de mitaky faendrena. Raha misy ôla manan-tsaigna, ôka izy hanisy ny isan'ny bibi-dia. Fa zany de isan'ny ôla. Zany isa zany de 666.