Toko faha 12

1 Famantaragna gedabe no tazagna taigny an'dagnitra: vevavy nitafy ny masoandro, ary ny volana takeo ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana rombefolo no takeo amin'ny lôny. 2 Bevoka izy, ary nihaika mafy f'efa ho teraka, akao agnatin'ny fihetsen-jaza. 3 Avy akeo nisy famantaragna hafa nibôgna taigny an-dagnitra: Indro! Nisy dragona mena gedabe ze nanagna lô fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito takeo am'reo lôny. 4 Ny rambony de nifôka ny ampatelon'ny kintana taigny an-dagnitra sady nanipy an-jareo taigny amin'ny tany. Le dragona nitsangana takeo agnolôn'le vevavy ze efa ho teraka, fa rafa teraka izy, de ande handrapaka ny zanany izy. 5 Niteraka zazala izy, ze hanapaka ny firenena daôly miaraka amin'ny tehina vy. Ny zanany de nalaina an-keriny ho aigny amin'Andriamanitra sy ho akeo amin'ny seza fendrianany, 6 ary le vevavy nandositra nankaigny agn'efitra, ze nisy tôrana efa nomanin'Andriamanitra ho an'azy, ka de ho vôkarakara mandritran'ny 1260 andro izy. 7 Ary nisy ady taigny an-dagnitra. Mikaela sy reo anjeliny de niady tam'le dragona; ary le dragona sy ny anjeliny de namaly ny ady. 8 Fa tsy de natanjaka le dragona ka tsy naresy. Ka tsisy tôrana ho an'azy sy reo anjeliny tsony taigny an-dagnitra. 9 Le dragona gedabe— ze menaragna talô nantsovina hoe devoly na Satana, le namitaka an'zao tontolo zao—de natsipy taigny ambonin'ny tany, ary reo anjeliny de natsipy niaraka tamin'azy. 10 Avy akeo naregny feo mafy avy aigny an-dagnitra za: "Am'zao fotôna zao de tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalatsika de natsipy taigny ambany, le raika ze mempanga an-jareo magnalin'andro akeo agnatrehan'Andriamanitsikana. 11 Zareo de naresy an'azy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fitsanganan-jareo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany tsony zareo na de ho faty aza. 12 Noho zany, mifale, anareo ry lagnitra, sy ze daôly mipetraka akao amin'azy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly de nidigna taigny aminareo. Feno fasosena izy, satria fantany fa fotôna fohy sisa no hanagnany. 13 Rafa nafantatra le dragona fa nazera tamin'ny tany izy, de nanenjika an'le vevavy niteraka zazala izy. 14 Fa le vevavy de namena elatra rôy an'ny voromahery gedabe, ka de afaka nagnembana nankaigny am'le tôrana nokarakaraina ho an'azy taigny an'efitra. Io le tôrana hitsinjovana an'azy, mandritran'ny telo tôna sy tapany - mbô tsy ho hitan'le menaragna. 15 Namôka rano salan'ny renirano tamin'ny vavany le menaragna, ze handrôka an-dravevavy. 16 Fa ny tany nanampy an-dravevavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary de nateliny ny rika ze navôkan'ny vavan'le dragona. 17 Ary sosy tamin'dravevavy le dragona ka nande ary namoron'ady tamin'ny ambin'reo taranany, ze nankato ny didin'Andriamanitra ary mitàna ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. 18 Avy akeo nitsangana takeo ambonin'ny fasiky ny ranomasina le dragona.