Toko faha 11

1 Namena volotara mba ampesaina ôtran'ny tehina za. Nolazaina taminà hoe: "Mitsangàna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary reo ze mivavaka akao. 2 Fa aza refesina ny kianja akeo avelan'ny tempoly, fa namena an'reo Jentilisa izany. Hagnitsaka ny tanàna masina mandritry ny rombefolo volana izy reo. 3 Hameko reo vavolombeloko roey ny faefagna haminagny mandritry ny 1, 260 andro, nitafy lamba fisaonagna." 4 Reo vavolombelona reo de hazon'oliva roey sy ny fitoeran-jiro roey ze nitsangana takeo agnatrehan'ny Tompon'ny tany. 5 Raha misy ôla misafidy handratra an'azy reo, de mivôka afo vavan-jareo ka hihignana ireo fahavalon-jareo. Na iza na iza magniry ny handratra an'azy reo de tsy maintsy hovonaina am-zany fomba izany. 6 Reo vavolombelona reo de magnana fahefana hagnidy ny lagnitra mba tsy hilatsahan'ny orana mandritry ny andro haminagnian-jareo. Manam-paefana izy reo hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazana loza daôly na ovena na ovena irin-jareo. 7 Rafa ho vita ny fijoroan-jareo vavolombelona, de miakatra avy aigny agnaty lavaka tsy hita laligna le bibidia hiady hanotra an'azy reo. Handresy an'azy reo Izy ary hamono an'azy reo. 8 Hivalampatra akeigny amin'ny lalan'ny tanàna geda ny fatin-jareo (ze antsovina iany koa hoe Sodoma sy Egypta) ze namantsena ny Tompon-jareo. 9 Hijery ny fatin-jareo mandritra ny telo andro sy tapagny ny ôla, ny foko, fiteny, ary ny firenena daôly. Tsy ho avelan-jareo apetraka akao am-pasagna ireo. 10 Reo ze miaigna akeo ambonin'ny tany de hifaly am-jareo ary hankalaza. Hifandefa fagnomezana mihintsy aza jareo satria nampijaly reo ze miaigna ambonin'ny tany reo mpaminagny roey ireo. 11 Fa afaka telo andro sy tapany de hiditra akao am-jareo ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony jareo. Hilatsaka am-reo ze mahita an'azy reo ny taotra leibe. 12 Avy akeo de handreigny feo mahery avy aigny an-dagnitra izy reo mitare an'azy reo hoe: "Miakara aketo! Avy akeo de hiakatra ho aigny an-dagnitra akao agnaty rondro zareo, raha mbola mijery tany reo fahavalon-jareo. 13 Am-zany ora zany de hisy horohoron-tany mafy, ary hirodana ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny ôla ho faty am-le horohoron-tany, ary ho raiki-taotra reo ôla sisa tsy maty ary hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny lagnitra. 14 Lasa ny loza faroa. Indro! tonga malaky ny loza fatelo. 15 Avy akeo de nampaneno ny trompetrany ny anjely fafito, ary nisy feo mafy nitare tany an-dagnitra nagnano hoe: "Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan-zao tontolo zao. Izy no hanjaka mandrakizay doria." 16 Avy akeo reo loholona efatra amby rôpolo ze nipetraka takeo amin'ny seza fendrianan-jareo takeo agnatrehan'Andriamanitra de nampekoka ny tenan-jareo. Nankazala an'Andriamanitra zareo. 17 Ozy izy reo: "Magnome fisôrana An'nao zahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, le am-zao fotôgna zao sy talô, satria naka ny herinao leibe enao ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihana: Ny sasagny am-reo dikan-teny talô de mivaky hoe: Ny mpanapaka ny daôly, le am-zao fotôgna zao sy talô, ary le ho avy, fa ny dikan-teny am-zao fotôgna tsy ôtran-zany.) 18 Sosy mafy reo firenena, kanefa tonga ny fatezeranao. Tonga ny fotôgna hitsarana ny maty sy hamalianao soa reo mpaminagny mpanomponao, reo ze mpino, sy reo ze natatra ny agnaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotôgna handripagna ireo ze manimba ny tany. 19 Avekeo de nisokatra ny tempolin'Andriamanitra takaigny an-dagnitra ary hita ny fiaran'ny fanekeny akao agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pazavana, kotroka sy kotrokorana, horohorontany ary havandra geda be takao.