Toko faha 10

1 Avy takeo za de natazagna anjely mahery hafa kô nidina avy an-dagnitra. Takao agnaty rondro izy, ary nisy fangala baragna takeo ambonin'ny lôhany. Ny tareny de ôtran'ny masandro ary ny tongony de salan'ny andry afo. 2 Mitàna horognan-taratasy kely mivelatra amin'ny tagnany izy, ary mametraka ny tongony ankavanana amin'ny ranomasina ary ny tongony ankavia amin'ny tany. 3 Avy akeo izy de nihaika tamin'ny feo mafy salan'ny fitreron'ny liona. Rafa nihaika izy, de nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. 4 Rafa nikotroka ny kotroka fito, de takeo andalam-pagnoratana za, fa naregny feo avy taigny an-dagnitra za nitare hoe: "Tano ny tsiambaratelo ze nolazain'ny kotroka fito. Aza soratana zany." 5 Avy akeo le anjely hitako nitsangana takeo ambony ranomasina sy takeo amin'ny tany, nanandratra ny tagnany ankavanana taigny an-dagnitra. 6 Izy nifagneky tam'le raika ze velona mandrakizay doria, ze namorona ny lagnitra sy ze daôly agnatin'zany, ny tany sy ze ra daôly akao agnatin'zany, ary ny ranomasina sy ze ra daôly agnatin'zany, ary le anjely nitare hoe: "Tsisy fandiniasana tsony. 7 Fa amin'ny andro raika rafa maneno ny tropetran'ny anjely fafito de ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, salan'ny nagnambarany tam'reo mpaminagny mpanompony." 8 Le feo ze regniko avy aigny an-dagnitra niteny taminà ndre hoe: "Mandiana, alao le horonan-taratasy mivelatra ze aigny an-tagnan'le anjely mitsangana akeo ambony ranomasina sy ambonin'ny tany." 9 Avy akeo de lasana nankaigny am'le anjely za ary nitare tamin'azy mbô hagnome anà le horonan-taratasy kely. Ozy taminà: "Raiso ny horonan-taratasy ary hoano zany. Hampangidy ny akao an-kibonao zany, fa akao am-bavanao de ho mamy salan'ny tintely zany." 10 Nalaiko tamin'ny tagnan'le anjely le horonan-taratasy kely ary nohaniko zany. Mamy salan'ny tintely takao am-bavako zany, fa tafaran'ny ninanako an'azy, de lasana nangidy ny takao an-kiboko. 11 Avy akeo nisy ôla raika nitare taminà hoe: "Tsy maintsy maminagny ndre anao momban'reo ôla maro, reo firenena, reo fiteny, ary reo mpanjaka."