Toko faha 14

1 Ary roa andro mialô ny paka finanana ny mofo tsisy masirasira tamin'izany.Nikaraka fomba hisamborana an'i Jesosy antsokotsoko reo lôhan'ny mpisorogna sy ny mpanoradalana , mbô hamonoany Anazy avekeo. 2 '' Fa ozy zareo hoe: Alay tsy amin'andro fety, mbo tsy hampikotaba ny ôla.'' 3 Ra taigny Betania tao andragnon'i Simona boka Jesosy, ra nipetraka takeo an-datatra Izy, de nisy vevavy raika nagnatogna Anazy nitondra tavoangy alabastara misy meneka lafo vidy ,ze narda tsisy fangarony nivakiny le tavoangy 4 de nahosony teo amin'ny lôny zany. Nasosy ny ôla sasagny nefa zany. Nifampiresaka zareo ka nagnano hoe:'' Ino dikan'izao mandrobaroba zao? 5 Io menaka magnitra io manjary amidy miôtra ny denaria telonjato, ary amena ny mahatra.''De niteny an'ilay vevavy zareo avy akeo. 6 Nefa ozy Jesosy hoe:'' Avilao izy nagnino anareo no magnano ze mampalaelo anazy? Ra tsara no nataony tamina. 7 Ny mahantra aminareo akeo fogna, ary afaka magnano soa anazy fogna anareo na amin'ny ino na amin'ny fotoana ino, fa Za kosa tsy hipetraka aketo aminareo aketo fogna. 8 Nagnano ze azony natao izy nagnositra ny tegnako ho amin'ny fandivegnana izy, 9 Lazaiko marina aminareo, na aiza na aiza hitoriana ny filazantsara magnerana ny tany, de ho tinenina ny nataon'ity vevavy ity, mbo ho fahatsiarovana anazy. 10 Avy akeo Jodasy Isakariota raika tamin'jareo roambefolo la, lasana nakaigny amin'ireo lôn'ny mpisorogna afany manolotra Anazy amin'izy ireo. 11 Rafa naregny ani'izany reo lôn'ny mpisorogna, de faly zareo ka nampagnatena hagnome vola anazy. De nanomboka nikaraka irika hanolorana Anazy amin'jareo izy 14 Tamin'ny andro vôlôny finanana ny mofo tsisy masirasira,raha nagnano sorogna ny andron'ny Paka zareo,de ozy ireo mpianany taminazy hoe: Aiza no tenao andiananay hagnamboara ahanina, mbo hinananao sakafon'ny Paka? 13 De nagninaka rôy tamin'ireo mpiananay Izy ka nitare taminjareo hoe: '' Mandiana akaigny an-tanana ary hisy mitondra siny feno rano hifanena aminareo. Magnarā anazy. 12 Ze tragno idirany , magnara anazy de tineno ny tonpon'izany tragno zany hoe: Ozy ny mpampianatra hoe; '' Aiza ny efitragno fandraisam-bahiny afako miaraka minana ny Paka amin'ireo moianantro?'' 15 Atorony anareo efitragno geda agnambon-drena misy fanaka ze efa vognona tsara izy. Akao no ataovo ny fagnomagnana daôly ho antsika. 16 De lasana ny mpianatra ary namonjy tanãna hitanjareo araka ze efa nolazainy taminjareo ny ra daôly, De nagnomana ny sakafon'ny Paka zareo. 17 Rafa hariva ny andro, de tonga niaraka tamin'ireo rombefolo la Izy, 18 Rafa nipetraka takeo amin'ny latabatra sy ninana zareo, de ozy Jesôsy hoe: Lazaiko marina aminareo , fa ny raika aminareo ze miaraka minana Amina aketo de hamadika Ana. 19 Nalaelo mafy zareo daôly, ka nitare taminazy tsiraikaraika hoe: Tsy za mintsy zany!. 20 Jesôsy namaly ka nitare anazy reo hoe: Ny raika aminareo rombefolo la zany, le miara-mangnatsoboka mofo Amina, agnaty kapôka izao.'' 21 Fa ny Zanak'ôla de ande amin'ny lãlana ze efa vôlazan'ny Soratra Masina momba Anazy. Fa loza kosa ho an'ze leila ze hamadika ny Zanak'ôla. Tsara ho anazy ra tsy teraka izy. 22 Ra mbôla takeo ampinanana zareo, de niaka mofo i Jesôsy, de nisaotra ary nizarazara an'zany nameny anazy reo zany sady nagnano hoe: '' Raiso, ty ny tegnako. 23 De niaka ny kapôka Izy de nisaotra ary nagnome an'zany anjareo, de nisotro tamin'zany zareo daôly. 24 De ozy Izy tamin'jareo: Ty ny ran'ny fanekem-piavanako, ra alatsaka ho an'ny maro. 25 Lazaiko marigna aminareo, tsy hisotro ty vôkatra vôloboka ty mitsy Za mandra-patongavan'ny andro ze hisotroko an'zany ndre aigny amin'ny fanjakan'Andriamanitra'' 26 Rafa avy nihira fiderana zareo de nande taigny an-tanety Oliva, 27 Ozy Jesôsy tamin'jareo hoe: ''Hilefa Ana daôly nareo fa vôsoratra hoe: Hamely ny mpiambina ondry Za ary hiparitaka ny ondry. 28 Fa rafa avy hitsangana ami'ny maty Za de hialô lãlana anareo hankao Galilia. 29 De ozy Petera taminazy hoe: '' Na de hiala avokoa aza ny daôly, za tsy mbô hiala. 30 Ozy Jesôsy taminazy hoe: ''Lazaiko marina aminao, fa gniany alina, ra mbôla tsy magneno indrõy ny akoho de efa handã Ana in-telo anao.'' 31 Fa ozy Petera hoe: ''Na tsy maintsy hiara ho foaty Aminao aza za de tsy mbô hiala Aminao. De samy nampagnantegna ôtranzany daôly zareo daôly. 32 Ary tonga taigny amin'ny tôrana atao hoe: Getsemane zareo, de ozy Jesôsy tam'reo mpianany hoe: '' Mipetrã aketo ra mbôla mivavaka Za. 33 De nitondra an'i Petera,sy Jakoba, ary Joana niaraka taminazy Izy, ary nanomboka nalaelo sady ory tanteraka. 34 De ozy Izy tamin'jareo hoe: ''Fadiranovagna lôtra ny Fanahiko, ôtran'ny efa ho foaty. Mipetrã akeo ka miambena 35 Nagnalavitra kely Jesôsy, niankotra tamin'ny tany, de nivavaka Izy mbô ra azo atao. hialaAminazy zany ora zany. 36 Ozy Izy hoe: '' Aba Ray ô, ny ra daôly hainao atao,alao Amina ty kapôka ty .Nefa ôka tsy ny sitrapoko no atao fa ny An'nao. 37 Niverigna Izy de nahita anazy reo nandry, ka ozy Izy tamin'i Petera: ''Simona, mandry ma anao? Tsy navita niambina adiny raika ma anao? 38 Membesa de mivavã mbô tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. Ny fanahy mety mavitrika ihany fa ny nofo no mavozo. 39 De lasana ndre Izy nikisaka kely ary nivavaka, ary de namerigna niteny nataony talô iany. 40 NIverigna ndre Izy de natazagna anjareo nandry, fa navesatry ny torimaso ny masonjareo ary tsy hitanjareo ze nitineniny taminazy. 41 Nagnatogna fanintelony Izy de niteny anjareo hoe: '' Mbôla mandry sy maka aigna ma anareo? Ampy zay fa tonga ny fotoana. Zahao! Indry ny Zanak'Ôla hatolotra akeo an-tagnan'ny mpanota. 42 Mitsangàna; andà hande tsika, Zahao, ankeky le hamadika Anà. 43 Ary ra mbôla takeo am-pitinenanana Izy, de tonga Jodasy, raika amin'ireo rombefolo lã, niaraka tamin'ôla betsaka ze milanja sabô sy kakazo lava avy tamin'ireo lôn'ny mpisorogna, ny mpanora-dalãna,ary ny loôla. 44 Ary le mpamadika Anazy nagnome famantarana an'jareo, Niteny hoe: '' Ze horofoko,Izy le Izy. Samboro Izy de ambeso. 45 Rafa tonga Jodasy de nagnatona an'i Jesôsy avy hatraigny sady niteny hoe: '' Raby; ary nagnoroka Anazy izy . 46 Avy takeo de nosamborinjareo Jesôsy. 47 Fa nisy raika taminjareo nitsangana takeo namôka sabatra ary namely le mpanompon'ny mpisorognabe ka nagnala ny sofigny. 48 Ozy Jesôsy taminjareo hoe:'' Avy hisambotra Anã ôtran'ny hisambotra jiolahy,miaraka amin'ny sabatra sy kakazo lava ma anareo?'' 49 Tamina taminareo takeo isan'andro nmpiantra takeo amin'ny tempoly, tsy samborinareo. Fa natao zao mbô hatanteraka ny Soratra Masina. 50 De niala Anazy daôly reo niaraka tamin'i Jesôsy ary nilefa. 51 Ary nisy gaogna raika, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry foagna, Nagnaraka an'i Jesôsy, Rafa nosamborin'ôla izy 52 de napetrany takeo ny lambany de lasana nilefa nipalapala izy. 53 Nindesinjareo taigny amin'ny mpisorognabe jesôsy. Niara-nitangorona taminazy takeo daôly ny mpisorogna sy ny loôla ary reo mpanora-dalãna. 54 Ary Petera nagnaraka Anazy avy takaigny alavidavitra takaigny, hatraigny an-kotanin'ny mpisorognabe. Nipetraka teo amin'ireo mpiambina izy, ze namindro teo ankekin'ny afo. 55 Ary reo lôan'ny mpisorogna sy ny Synedrion Jiosy de nikaraka vavolombelona manoitra an'i Jesôsy mbô hafan'jareo mamono Anazy, ho foaty, nefa tsy nahita zareo. 56 Fa betsaka ny niampanga lainga Anazy,nefa na ny fempangan'zareo aza tsy mitombigna avy. 57 Ary nisy ôla sasany nitsangana ka nempanga lainga Anazy; de ozy zareo hoe: 58 ''Regninay Izy niteny hoe: 'Arobako ty Tempoly nataon-tãgnana ty ary agnatin'ny telo andro Za de hanangana raika hafa tsy nataon-tagnana. 59 Fa mbôla tsy nifagnaraka fogna ny fiam-pangan'jareo. 60 Ary ny mpisorogna be nitsangana takeo amin'jareo de nagnontany an'i Jesôsy hoe: '' Tsisy lazaina ma Anao? Ino zany iampangan'ireto ôla reto An'nao zany. 61 Fa nangigna Izy sady tsy namaly na ino na ino. De mbôla nagnontany Anazy ndre ny mpisorognabe ka nagnano hoe: '' Ano ma no Kristy Zanak'Andriamanitra?'' 62 De ozy Jesôsy hoe: '' Zã no Izy,ary ho hitanareo ny Zanak'Ôla rafa mpietraka akeo an-tagnana an-kavanan'ny herin'Andriamanitra sy ny avy akaigny amin'ny rôndron'ny lanitra.'' 63 Ary ny mpisorognabe nandrovitra ny fitafeny sady nagnano hoe: ''Mbôla mila vavolombela kô ma tsika?. 64 Fa regninareo ny tegny ratsiny. Ino fanapa-kevitrareo? Zareo daôly de samby nagnameloka Anazy ôtran'ny ôla tokony melona ho foaty. 65 Ny sasany nanomboka nandrora Anazy ary nanarogna ny tareny ka namely Anazy sy nagnano taminazy hoe: '' Maminania'' Ary reo manam-boninahitra niaka Anazy ka nidaroka Anazy. 66 Ary ra takeo am-pidignana takeo an-kianja takeo Petera de nagnatona Anazy ny raika tam'reo gaom-bavin'ny mpisorognabe . 67 Natazagna an'i Petera nitsangana namindro takeo amin'ny afo izy, de nidininy ankeky, de ozy izy taminazy hoe: '' Anao kô niaraka tamin'i Jesôsy le Nazarena . 68 Fa izy nandà an'zany nagnano hoe: ''tsy fantatro ary tsy haiko ze tineninareo. Avekeo lasa niala ny kianja izy. [Fagnamarinana: reo fandikana sasany nagnampy hoe: ''De nagneno ny akoho,'' fa reo fandikana talô tsara indrindra de tsisy an'io teny io.] 69 Fa le gaom-bavy takeo natazana ananjy de nanomboka niteny tamin'ireo olona nitsangana nagnodidigna ndre hoe: ''Io leila io de raika tamin'izy reny. 70 Fa mbola namaly anzany ndre izy kelikely avy takeo de ozy reo nitsangana takeo amin'i Petera hoe: '' Raika min'jareo mintsy enao, satria anao kô de Galiliana.'' 71 Fa nanomboka nagnozon-tegna sy nianiana izy hoe: '' Tsy haiko izany leila lazainareo zany.'' 72 Ary niaraka tamizay de nagneno fagnin-droiny ny ako. Avekeo de natadidy ny tenin'i Jesôsy taminazy Petera hoe:'' Ra mbôla tsy magneno fanindroiny ny ako de handã Ana in-telo anao,'' De nalahelo mafy izy sady nitomany.