Toko 1

1 Ty no niantombon'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, le Zanak'Andriamanitra. 2 Arak'izay voasoratra ao amin'Isaia mpamignany magnano hoe: "Indro za magniraka ny irako ialô An'nao, le raika agnamboatra ny lalanao ". 3 Misy feo magnantso mafy akagny agn'efitra magnano hoe: "Ataovy vognona ny lalan'ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kombagny". 4 Tonga Jaona, nagnano batisa tagny an'efitra ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho amin'ny famelan-keloka vokatry ny ota. 5 Ny ôla daôly takagny Jodia sy ny ôla takao Jerosalema de tonga nagnantona ananjy. Nataony batisa takao amin'ny farihin'i Jordana zareo, refa nibaboka ny fahotany. 6 Jaona de nitafy lamba volon-drameva ary nagnano fekibo oditra tamin'ny andilagny, ary valala sy tintely dia no foaniny. 7 Nikoragna Izy hoe: "Misy raika oavy magnaraka ana zay mahery mioatra ana, ary tsy mendrika nade ny hamaha ny tadin-kirarony aza za. 8 Za nagnano batisa an'nareo taminn'y rano, fa Izy kosa hagnano batisa an'nareo amin'ny Fanahy Masina." 9 Tamin'ny andro nahatongavan'i Jesosy tao Galilia no nitrangan'izany, ary nataon'i Jaona batisa takao amin'ny farihin'i Jordana Izy. 10 Ra vô nivôka ny rano Jesosy de hitany nisokatra ny lanitra, ary nidina takeo aminazy sala voromelala ny Fanahy. 11 Ary nisy feo avy takaigny an-danitra nagnano hoe: "Anao no Zanako malalako, Anao no sitrako". 12 Avy akeo de notômin'ny Fanahy ho aigny agn'efitra Jesosy. 13 Efapolo andro Izy no taigny agn'efitra, nalain'ny satana fanahy. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Anazy reo anjely. 14 Ary rafa voasambotra Jaona de tonga takao Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra. 15 Ary nilaza hoe: "Fa tonga ny fotoana, ary efa ankeky ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha de minoa ny filazantsara." 16 Rafa nande taigny amoron'ny ranomasin'i Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato zareo. 17 Ozy Jesosy taminjareo hoe: "Ave, magnarà Ana fa ataoko mpagnarato ôla nareo". 18 Tonga de nametraka ny harato zareo ka nagnaraka Anazy. 19 Rafa lasana alavidavitra Jesosy dia natazagna an'ery Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona ralany; zay takao an-tsambokely nagnamboatra ny arato. 20 Nagnantso anjareo Izy ka de napetrany tao an-tsambokely avy atraigny Zebedio rainy sy ireo mpikarama, ka nagnaraka anazy zareo. 21 Avekeo de tonga takao Kapernaomy zareo, ary tamin'ny andro Sabata, dia niditra takao tamin'ny synagoga Jesosy ary nampianatra. 22 Nidagnaka tamin'ny fampianarany zareo, satria nampianatra an-jareo otran'ny ôla managna fahefana Izy fa tsy otran'ny reo mpanora-dalàna. 23 Avy akeo nisy leila raika takao aminn'ny synagogan-jareo zay nanagna fagnahy maloto nagnantso mafy, 24 nagnano hoe: "Ino no hifandraisanay aminao ry Jesosy avy aigny Nazareta? Tonga handratra an'nay ma Anao? Hainay hoe Iza Anao, Anao Le Masin'Andriamanitra !" 25 Niteny mafy ny demonia Jesosy ka nagnao hoe: "Mangigna ary mivoà aminazy !" 26 Ary le demonia nampandavo ananjy sy nivoaka taminazy ka nitabataba mafy be. 27 Gaga daôly ny ôla ka nifagnontany zareo hoe: "Ino ty? Fampianarana vaovao misy fahefana ty? Bokôny ary mbarik'ireo fagnahy maloto aza magneky ananjyy." 28 Ny vaovao momba ananjy dia niparitaka taigny rehetra tegny tao aminn'y faritry Galilia. 29 Rafa avy nivôka ny synagoga, de tonga takao an-tragnon'i Simona sy Andrea zareo, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandamaka voan'ny tazo, ka nolazain-jareo an'i Jesosy ny momba anazy. 31 De nagnantona Izy, de noraisiny tamin'ny tanany, ary nareminy; de afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo Ananjy zareo. 32 Tamin'io hariva io, taorian'ny filentehan'ny masoandro, de nindesin-jareo taminazy ze narary daôly na kô misy demonia. 33 Nitangorogna tam-baravaragna daôly ny takao an-tanana daôly. 34 Nagnasitrana ôla maro zay nararin'aretina samihafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy navelany hikoragna reo demonia satria nafantatra Anazy zareo. 35 Nifô ampolakeka Izy ra mbola maizigna ny andro; niala takeo Izy ary nande takaigny amin'ny toerana mitokana ary takeo Izy no nivavaka. 36 Nitady an' Azy Simona sy reo izay niaraka taminazy. 37 Nahita an'Azy zareo ary nikoragna taminazy magnano hoe: "Mikaraka An'nao daôly ny ôla". 38 Ozy hoe: "Anda tsika ho aigny amin'ny toeran-kafa, aigny avelan'ny tanàna magnodidigna, mba ahafako mitory teny akaigny kô. Fa zany no antony nivoako nangaty." 39 De nititeziny an'i Galilia daôly Izy, nitory teny takao amin'ny synagogan-jareo sady nandrôka demonia maro. 40 Nisy boka raika tonga tamin'Azy. Nengavy an'Azy izy; nandoalika tamin'Azy ary nikoragna hoe: "Ra manjary Aminao, de afaka magnadio ana Anao". 41 Onena anazy, de nagninjitra ny tagnany Jesosy ary nikasika ananjy, nagnano hoe: "Manjary, madiova anao". 42 Tonga de niala taminazy ny habokana, ary nadio izy. 43 Nampitandrina mafy anazy Jesosy ary nandefa anazy. 44 Ozy taminazy hoe: "Tandremo tsy hivolagna na amin'iza na amin'iza anao, fa andana, atoro ny mpisorona ny vatagnao, ary magnanôva fagnatitra nohon'ny fagnadiovana an'nao araka ny nandiden'i Mosesy, mba ho fijorôna vavolombelona ho anjareo." 45 Fa nivôka izy ary nitineniny daôly ny ôla sady tegna naparitany ny teny ka de tsy afaka niditra malalaka taigny an-tanana Jesosy, ka nipetraka takaigny tavelany takaigny tamin'ny toerana mitokana Izy ary nagnantogna an'Azy ny ôla avy amin'ny toerana daôly.