Toko faha 8

1 Rafa nidina avy takaigny an-tanety Jesosy, de vahôka betsaka no nagnaraka An'azy. 2 Io, nisy boka raika nagnatogna An'azy ary niangavy teo anolôny, nagnano hoe: "Tompo, raha azonao atao, de afaka magnadio anà Anao". 3 Nagnatsotra ny tagnany Jesosy ary nikasika an'azy, nagnano hoe: "Sitrako. Mahadiova." Teo no teo de nadio tamin'ny fahabokany izy. 4 Ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Ôka mba tsy hilaza na ino na ino na amin'iza na amin'iza anao. Mandeana amin'ny lalanao, ka ampiseovo amin'ny mpisorogna ny tegnanao ary atolory le fanatitra ze nodidin'i Mosesy, mba ho fijorona vavolombelona amin-jareo. 5 Rafa niditra takao Kapernaomy Jesosy, de nagnatogna an'Azy ny kapiteny raika ary nagnontany an'Azy, 6 nagnano hoe: "Tompo, mandry akao an-dragnoko ny mpanompoko fa malemy ary akao agnatin'ny fanainataignana mafy." 7 Ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Ho avy Zà ary hagnasitrana an'azy.' 8 Namaly le kapiteny ary nagnano hoe: "Tompo,tsy mendrika anà ny tokony hidiranao akao ambany tafon-tragnoko,taravo fôgna ny teny de ho sitragna ny mpanompoko. 9 Fa zà iany kô de leilà ze napetraka akao ambany fahefana,ary managna miaramila ze feheziko za. Mitare amin'ny raika za hoe: 'Mandeana', de mande izy, ary amin'ny hafa raika hoe: 'Ave', de magnatogna izy,ary amin'ny mpanompoko hoe: "Atôvo zao, de ataony zany ." 10 Rafa reignin'i Jesosy zany, de gaga Izy ary nitare tamin-jareo ze nagnaraka an'Azy hoe: "Taravoko marina aminareo,fa tsy mbôla natazagna ôla nanampinona salan'zany Zà taketo Israely. 11 Lazaiko aminareo, fa maro ny avy aigny antsinana sy ny avy aigny andrefana no ho avy,ary zareo de hipetraka akeo an-databatra miaraka amin'i Abrahama,Isaka ary Jakoba, aigny amin'ny fanjakan'ny lagnitra. 12 Fa reo zanaky ny fanjakana de hatsipy akaigny avelan'ny aizigna lavitra aigny, ze hisy fitômagnena sy fikitroha-nisy." 13 Ozy Jesôsy tam'le kapiteny hoe: "Mandeana! Araka ny ninoanao, de ôka zany ho atao ho an'nao." Ary de sitragna tam'zany lera zany mihitsy le mpanompo. 14 Rafa niditra tao an-dragnon'i Petera Jesosy, de natazagna ny rafozam-bavin'i Petera nandry nararin'ny tazo Izy. 15 Nokasin'i Jesosy ny tagnany, ary niala tamin'azy ny tazo. De nitsangana izy ary nanomboka nandroso ahanina an'Azy. 16 Rafa tonga ny hariva,de betsaka reo nafatorty ny devoly nindesin'ny ôla teo amin'i Jesosy. Nandrôka reo fagna tamin'ny tare Izy ary nagnasitragna reo daôly ze narary. 17 salan'zany no nahatanteraka ze nambara tamin'i Isaia mpaminagny,nagnano hoe: "Izy tegnany naka ny fahararentsika sy nitondra ireo aretintsika." 18 Ary rafa tazagn'i Jesôsy ireo vahôka nagnodidigna an'Azy, de nagnome toromarika mba hialana ho aigny ampitan'ny ranomasina Galilia Izy. 19 Avy akeo ny mpanora-dalàgna raika nagnatogna an'Azy ary nitare hoe: "Ry mpampianatra, hagnaraka Anao zà na aiza na aiza andananao." 20 Ozy Jesôsy tam'azy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka,ary reo voron'ny lagnitra managna akanany,fa ny Zanak'Ôla tsy managna na aiza na aiza ampadreny ny lôny." 21 Raika hafa tam-reo mpianatra nitare tam'Azy hoe: "Tompo, avilao za alô hande ary andevigna ny dadako." 22 Fa ozy Jesosy tam'Azy hoe: "Magnarà Anà, ary avilao ny maty andevigna ny maty akao am'azy manokana." 23 Rafa niditra takao amin'ny sambokely raika Jesosy, de nagnaraka an'Azy tao agnatin'io ireo mpianany. 24 Indro,nisy tafio-drivotra gedabe nitranga teo amin'ny ranomasina, ka de rakotry ny onja ny sambo. Fa tafandry Jesosy. 25 Nankeo amin'Azy reo mpianatra ary namô an'Azy, nagnano hoe: "Vonjeo tsika, Tompo; ho foaty tsika!" 26 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Nagnino anareo no matatra,ry kely finona?" De nitsangana Izy avy teo ary nitare mafy ny rivotra sy ny ranomasina. De nisy fitoniana be avy takeo. 27 Gaga reo leilà ary nitare hoe: "Fa karazana leilà ino ty, fa na de ny rivotra sy ranomasina aza magneiky an'Azy?" 28 Rafa tonga taigny ampita sy takeo amin'ny tanànan'ny Gadarena Jesosy,de nisy leilà rôy ze nofatoran'ny demonia nifanena tamin'Azy. Zareo reo de nivôka avy aigny ami'reo fasagna ary tegna nahery setra, noho zany de tsisy mpandeha afaka nandalo zany làlana zany. 29 Indro,nihaika mafy zareo ary nagnano hoe: "Moa mpifagnino avy zahay sy Anao, ry Zanak'Andrimanitra? Tonga aketo ma Anao hampatatra an'nay mialôn'ny fotôna vôtondro?" 30 Ary nisy andian-kisô maro niraotra teo, tsy de lavitra an'azy reo. 31 Mbôla nengavy an'i Jesosy fôgna reo demonia ary nagnano hoe: "Ra mandrôka an'nay Anao, de alefao akao agnatin'reo andian-kisô reo zahay." 32 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Mandeana!" De nivôka reo demonia ka nankao am'reo kisô, ary indro, reo andiany daôly nirifatra nidigna ny tanety mideza nankaigny an-dranomasina ary maty takao agnaty rano zareo. 33 Reo ze niambina an'le kisô de nihazakazaka ary nankaigny an-tanàna zareo ary nitati-bolana ny ra daôly,ary ndrindra ze nitranga tam'reo leilà ze nafatotry ny demonia. 34 Indro, nivôka reo tao an-tanàna daôly mbô hihaogna amin'i Jesosy. Rafa tazan-jareo Izy, de nangataka an'Azy mba handao ny faritanin-jareo reo.