Toko faha 6

1 Mitandrema mba tsy hagnano ny asan'ny famarinanareo akeo agnatrehan'ny ôla nareo mba ho itan-jareo, fa raha tsy zany de tsy hahazo ny valisoa avy amin'ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra. 2 No zany rafa maneho fiantrana anareo, de aza mitsoka trompetra misarika ny hafa ôtran'ny ataon'ny mpiatsara velatsia aigny amin'ny synagoga sy eigny amin'ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran'ny ôla zareo. Lazaiko marina aminareo, fa izy reo de efa nandray ny valisoany. 3 Fa rafa maneho fihantrana anareo, aza atao fantatrin'ny tagnanareo an-kavia ze ataon'ny tagnanareo an-kavanana, 4 ka mba homena mangingina ny fagnomezanareo. Avy akeo ny Rainareo ze maita amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 5 Rafa mivavaka nareo, aza magnano ôtran'ny mpetsaravelatsy, fa zareo te mijoro sy mivavaka akeo amin'ny synagoga sy akeo amoron-dalana, ka mba mety ho itan'ny ôla. Lazaiko marina aminareo, fa zareo de efa nandray ny valisoany. 6 Fa nareo, rafa mivavaka, midira akao amin'ny efa-tragnonareo. Hidio ny varavaragna, de mivava amin'ny mangingina. Avy akeo ny Rainareo ze maita akao amin'ny mangingina no hamaly soa anareo. 7 Rafa mivavaka nareo, aza magnano teny betsaka tsy misy ilàgna azy ôtran'ny ataon'ny Jentilisa, ny amin'ny fiheverany fa ho reigny zareo nony teny betsaka ze ataony. 8 No zany, aza magnano ôtran'ny zareo, fa ny Rainareo de efa mafantatra reo ra ze ilainareo melôn'ny angatanareo Aminy. 9 No zany mivava ôtran'zao hoe: "Raianay ze akaigny an-dagnitra, ho hamasinina ane ny agnaranao. 10 Ho tonga ane ny fanjakanao. Hatao ane ny sitraponao ety an-tany ôtran'ny akaigny an-dagnitra. 11 Omeo anay gniany ny hanina sahaza anay. 12 Mamelà ny helokay, ôtrany ny hamelanay ze meloka taminay. 13 Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-pagna, fa magnafaha anay amin'ny ratsy." 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny ôla nareo, de hamela anareo iany kô ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra. 15 Fa raha tsy mamela ny hadisoan'izy reo nareo, de tsy hamela ny hadisoanareo mihitsy ny Rainareo. 16 Ankôtra zay, rafa mifady hanina nareo, aza manambôgna endrika mampalaelo ôtran'ny ataon'ny mpetsaravelatsy, fa manaratsy tare izy reo ka mba mety ho itan'ny ôla fa tegna mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy reo. 17 Fa enao, rafa mifady hanina, osory menaka ny lônao ary sasao ny tarenao, 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifady hanina, fa amin'ny Rainao ze akao amin'ny mangingina iany, ary ny Rainao ze maita akao amin'ny mangingina, no hamaly soa anao. 19 Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, ze simbain'ny kalalao sy harafesina, ary hidiran'reo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 20 Fa kosa, tarizo ny harenareo akaigny an-dagnitra, ze tsy ho simban'ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran'ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21 Fa ze misy ny harenao, no itoeran'ny fonao iany kô. 22 Ny maso no jiron'ny vatana. No zany, raha tsara ny masonao, de ho feno fazavana ny vatagna daôly. 23 Fa raha ratsy ny masonao, de ho feno haizina ny vatagnao daôly. No zany raha maizina ny fazavanan'ze akao agnatiano amin'zao, magnano akôry ny haleben'zany haizigna zany! 24 Tsisy afaka hanompo tompo roey, fa hankahala ny raika izy ary hitia ny raika, raha tsy zany hagnolo-tegna ho an'ny raika ka hankahala ny raika hafa. Enao de tsy afaka hanompo an'Andriamanitra sy ny harena. 25 No zany lazaiko aminareo, aza magnahy momba ny ainareo, ze hohaninareo na ze hosotronareo na momba ny vatagnareo, ze hotafinareo. Fa tsy leibe no ny sakafo ma ny fiaignana ary ny vatagna leibe no ny fitafena? 26 Jereo reo vorogna aigny amin'ny habakabaka. Izy regny de tsy mamafy na mandidy na manangona akao an-tsombitra, fa ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra no mampihinana azy regny. Tsy sarobidy mamdombolombo mihôtra iregny ma nareo? 27 Iza aminareo no afaka manampy hakio raika amin'ny andro hiaignany amin'ny fagnahiana? 28 Naôgna nareo no magnahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban'ny lilia egny amin'ny saha, akôry ny fagnirin'izy regny. Tsy mba miasa izy regny, ary tsy mamoly fitafena. 29 Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin'ny voninainy daôly de tsy nitafy ôtran'ny raika amin'iregny. 30 Raha ampitafen'Andriamanitra ôtran-zany ny ahitra aigny an-tsaha, ze misy androany sy rampitso de hatsipy akao am-patagna daôly, salan'ny ahôna no ampitafeny anareo mandombolombo anareo ry kely finona? 31 No zany aza magnahy ka milaza hoe: "Ino no hohaninay? na hoe: Ino no hosotroinay na hoe: Ino ny fitafenay ho agnaovanay?" 32 Fa reo Jentilisa mitsikaraka reo ra reo, ary ny Rainareo ze akaigny an-dagnitra de mafantatra fa mila reo nareo. 33 Fa karao alô ny fanjakany sy ny fahamarinany de homena anareo reo ra reo. 34 No zany, aza miahiahy ny rampitso, fa ny rampitso hanahy ny an'azy. Ampy ho an'ny andro tsiraikaraika ny ratsy akao aminy.