Toko faha 4

1 Avy akeo Jesosy notaritin'ny Fagnahy ho aigny agn'efitra mbô halain'ny devoly fagnahy. 2 Rafa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina izy, de nôna. 3 Nagnatona ny mpaka fagnahy ka nitare tamin'Azy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Anao, de tineno ho tonga mofo reto vato reto." 4 Fa Jesosy namaly ka nagnano tamin'azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Tsy ny mofo fôgna ny hiviloman'ny ôla fa ze teny daôly alôky ny vavan'Andriamanitra.'" 5 Avy akeo ny devoly nitondra an'azy taigny amin'ny tanàna masina ka nametraka an'azy takeo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6 ary nitare tamin'Azy hoe: "Raha Zanak'Andriamanitra Anao, de milavô aigny ambany aigny, fa vôsoratra hoe: 'Izy handidy reo anjeliny hiahy an'nao' sy 'Hanandratra An'nao akeo amin'ny tagnan-jareo, ka tsy ho tafotôna amin'ny vato ny tongotrao.'" 7 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "De mbôla vôsoratra ndre hoe: 'Tsy tokony hitsapa ny Tompo Andriamanitrao Anao.'" 8 Nentin'ny devoly hankaigny amin'ny tôrana avo ndre Izy ary nampibôgna an'Azy ny fanjakana daôly am'zao tontolo zao sy ny hatsaran'reo. 9 Ozy tamin'Azy hoe: "Reo daôly reo de ameko An'nao, raha ôtra ka menkôtra aketo agnatrehako sy midera ana anao." 10 Avy akeo Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mialà aketo anao, ry Satana! F'efa vôsoratra hoe: 'Anao de hidera ny Tompo Andriamanitrao, ary izy rerika iany no ho tompoinao.'" 11 Avy akeo nandao an'Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga nanompo an'Azy. 12 Ary nony regnin'i Jesosy fa vôsambotra Jaona, de niverina nakaigny Galilia izy. 13 Nandao an'i Nazareta Izy ka nande ary nipetraka takao Kapernaomy, ze akeo amoron-dragnomasin'ny Galilia, akao amin'ny zara-tanin'i Zabolona sy Nadtaly. 14 Zany no nitranga mbô hatanteraka ze nambaran'Isaia mpaminagny hoe: 15 "Ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly, mankaigny amin'ny ragnomasina, aigny an-dafin'i Jordana, Galilia an'reo Jentlisa! 16 Reo ôla nipetraka tamin'ny maizigna de nahita fazavana lehibe, ary reo ze nipetraka tamin'ny faritra sy ny aloky ny fafatesana, de takeo amin-jareo no niposahan'ny fazavana." 17 Ary tam'zany fotôna zany Jesosy de nanomboka nitory tey sy nilaza hoe: "Mibebà, f'efa ankeky ny fanjakan'ny lagnitra." 18 Raha nande taigny amoron-dRagnomasin'i Galilia Izy, de natazagna mpirahalà rôy, Simona ze nantsôvina hoe Petera, ary Andrea ralahiny, nanipy ny haratony taigny amin'ny ragnomasina, fa mpagnarato zareo. 19 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Andao, hagnaraka Anà, fa ataoko mpagnarato ôla anareo." 20 Teo no eo iany de nandao an'reo harato zareo ka nagnaraka an'Azy. 21 Ary raha mbôla nandroso Jesosy de natazagna mpirahalà rôy hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona ralahiny. Nagnambôtra ny haratony takao an-tsambo zareo niaraka tamin'i Zebedio rain-jareo. Nagnantso an-jareo Izy, 22 ka teo no eo iany de nandao ny sambokeliny sy ny rainy zareo ka nagnaraka an'Azy. 23 Nande eran'i Galilia Jesosy, nampianatra takao amin'ny synagogan-jareo, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nagnasitrana reo karazan'aretina daôly mbakan'ny rofy daôly takeo amin'ny ôla. 24 Niparitaka eran'i Syria ny vaovao makasika an'Azy, ka de nentin'ny ôla takeo amin'Azy reo ze marary daôly, mararin'ny karazan'aretina sy fangirifirina, reo demoniaka, sy ze mararin'ny androbe sy mararin'ny paralysisa. Nositranin'i Jesosy izy regny. 25 Vahôka betsaka avy taigny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary ny avy aigny an-dafin'i Jordana no nagnarka an'Azy.