Toko faha 22

1 Netare tamin'ny fagnoharana tamin'jareo ndray Jesosy, nagnano hoe: 2 "Ny fanjakan'ny Lagnitra de mitovy amin'ny mpanjaka ze nagnomagna fagnasana amin'ny fampakaram-bady ho an'ny zanagny là. 3 Nagniraka reo mpanompony agnatso reo ze nahazo fagnasana hagnatrika ny lanonam-pampakaram-bady izy,fa tsy nety ho avy zareo. 4 Nandefa reo mpanompony hafa ndray ny mpanjaka, magnano hoe: Ilazao reo ze nasaina hoe: "Tazagno, efa nokarakaraiko ny sakafoko. Efa novonoko ny aomby sy ny zanak'omby nafako, ary efa vonona ny ra-daôly. Tongava akao amin'ny lanonam-pampakaram-bady." 5 Saingy tsy naôny zareo ary lasa nande, ny raika namonjy ny tahiriny, ny hafa tamin'ny asa fivarotana. 6 Reo sasagny nisambotra reo mpanompon'ny mpanjaka, nagnala baraka an'azy reo, ary namono an'azy reo. 7 Sosy ny mpanjaka ka nagniraka reo miaramilany, ary namono mpamono ôla reo zareo, ary nandoro ny tanànany. 8 Avy akeo nitare tamin'reo mpanompony izy hoe: 'Efa vonona ny fampakaram-bady, fa reo ze nasaina no tsy mendrika. 9 No zany mandana eigny sampagnan-dalambe ary magnatsova ôla betsaka araka ze tazagnareo ho akao amin'ny lanonam-pampakaram-bady.' 10 Nande nivôka taigny amin'ny lalam-be reo mpanompo ary nanambatra ny ôla daôly ze tazan'jareo, na ny tsara na ny ratsy. No zany de feno vahiny le efi-tragno geda nisy ny fampakaram-bady. 11 Fa rafa niditra ny mpanjaka mba hijery reo vahiny, de natazagna leila tsy nitafy akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady izy. 12 Niteny taminy ny mpanjaka hoe: 'Ry sakaiza, ahôna no idiranao ato tsy miaraka amin'ny fitafy fitondra amin'ny fampakaram-bady?' Fa tsy nahateny le leila. 13 Avy akeo niteny tamin'reo mpanompony ny mpanjaka hoe: 'Fehezo ny tagnany sy ny tongotr'ity leila ty, ary atsipazo aigny amin'ny maizina aigny ivelany izy, aigny no misy fitomaniana sy fikotriha-nify.' 14 Fa ôla betsaka nantsoina, nefa vitsy no ho voafidy. 15 Avy akeo nande reo Fariseo ary nagnomagna ny fomba mety hamandrina an'i Jesosy amin'ze noteneniny. 16 Avy akeo niran'izy reo ankaigny Aminy reo mpianatr'izy reo, niaraka tamin'reo Herodiana. Niteny tamin'i Jesosy zareo hoe: "Ry mpampianatra, fantatray fa marina Enao, ary mampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny marina. Tsy miraraha ny hevitry ny hafa Enao, ary tsy mijery vilagna. 17 No zany lazao aminay, ino ny hevitrao? Ara-dalàna ma ny fandoavan-ketra aigny amin'i Kaisara sa tsia?" 18 Nefa azon'i Jesosy ny faratsen'reo ka nitare hoe: "Naôgna no mitsapa Anà nareo, ry mpetsaravelatsy? 19 Atoroy Anà ny farantsa amin'ny hetra." Avy akeo nitondra denaria takeo aminy zareo. 20 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "An'iza ty sary sy agnarana ty?" 21 Nitare taminy zareo hoe: "An'i Kaisara." Avy akeo Jesosy nitare an'azy reo hoe: "Omeo an'i Kaisara reo ze an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra reo ze an'Andriamanitra." 22 Rafa nareigny zany zareo, de gaga. Ary niala takeo Aminy zareo ka nande. 23 Tamin-zay andro zay iany ny Sadoseo sasagny, reo ze nilaza fa tsisy fitsanganana amin'ny maty, nagnatona an'Azy. Nagnotany an'Azy izy reo, 24 nagnano hoe: "Ry mpampianatra, Mosesy nitare hoe: 'Raha maty ny ôla, tsy manan-janaka, de tokony hanambady ny vadiny ny ralàny ary hanan-janaka ho an'ny ralàny. 25 Nisy mpiralà fito. Nanambady ny vôlôny ary maty avy akeo. Lasa tsy namela zanaka, navelany ho an'ny ralàny ny vadiny. 26 Avy akeo nagnano ra mitovy amin'zay ny farôy, avy akeo ny fatelo, ôtran-zany fôgna hatrany amin'le ralàny fafito. 27 Tafaran'izy daôly reo, de maty le vevavy. 28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'ze amin'reo mpiralà fito izy? Fa efa nanambady an'azy izy daôly reo." 29 Fa namaly Jesosy ary nitare an'azy reo hoe: "Diso nareo, satria tsy mafantatra ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty de sady tsy hanambady izy reo no tsy amena ampakarina. Fa kosa, sahala amin'reo anjely aigny an-dagnitra. 31 Fa makasika ny fitsanganan'ny maty, mbola tsy novakinareo ma ze nolazain'Andriamanitra taminareo, magnano hoe: 32 'Za no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, ary Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona.' 33 Rafa nareigny zany reo vahôka, de gaga tamin'ny fampenarany. 34 Fa rafa reign'reo Fariseo ny nampanginan'i Jesosy ny Sadoseo, de niara-nivondrony zareo. 35 Ny raika tamin'jareo, mpahay lalàna nametra-panontanina taminy, naka fagna an'Azy hoe: 36 "Ry mpampianatra, iza no le geda indrindra amin'ny didy akao amin'ny lalàna?' 37 Nitare tamin'azy Jesosy hoe: "Tiavo amin'ny fonareo daôly, amin'ny fagnanareo daôly, ary amin'ny sainareo daôly ny Tompo Andriamanitrareo." 38 Zany no didy gedabe sy vôlôny. 39 Ary ny didy faroey de salan-zany iany: "Tiavo ny mpiara-belona aminareo ôtran'ny tegnanareo.' 40 Amin-reo didy ro reo no iankinan'ny lalàna magnontolo sy reo mpaminagny." 41 Ary raha mbola niara-nivondrogna reo Fariseo, de nametra-pagnontanena an'azy reo Jesosy. 42 Ozy Izy hoe: "Ino no eritreritrareo momban'i Kristy? Zanaka làn'iza Izy?" Nitare taminy reo hoe: "zanak'i Davida." 43 Ozy Jesosy tamin-jareo hoe: "Nagnino ary Davida mipetra akao amin'ny Fagna no magnantso an'Azy hoe Tompo, magnano hoe: 44 'Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe:' Mipetra akeo amin'ny tagnan'ankavanako, mandra-pagnôko ny favalonao ho fipetran-tongotrao?' 45 Raha Davida aza magnantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' de ino no ma-zanak'i Davida an'Azy? 46 Tsisy navaly an'Azy tamin'ny teny, ary tsisy ôla sahy nametra-pagnontanena hafa tsony nanomboko tamin'zany andro zany.