Toko faha 15

1 Avy akeo nisy Fariseo sy mpanora-dalana sasatsasagny avy aigny Jerosalema nagnatogna an'i Jesosy. Ozy zareo: 2 "Nagnino ny mpianatrao no mandika ny fomban-drazagn'reo zoky ôla? Fa tsy manasa ny tagnany zareo melôn'ny hiinana." 3 Namaly Izy ary nitare tam'jareo hoe: "Kô nagnino ary anareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra noho ny fomban-drazagnareo? 4 Fa Andriamanitra nitare hoe: 'Hajao ny rainao sy ny reninao', ary 'Ze miteny ratsy ny rainy na ny reniny, de ho foaty tokô.' 5 Fa anareo miteny hoe: 'Na iza na iza milaza amin'ny rainy na reniny hoe: "Na ino na ino fagnampena ze azonareo avy aminà de fagnomezagna ho an'Andriamanitra am'zaio fotôgna zao", 6 zany ôla zany de tsy mila magnaja ny rainy. Am'zany fomba zany de nofoagnanareo ny tenin'Andriamanitra noho ny tombontson'reo fomban-drazagnareo. 7 Ry mpetsaravelatsy! Marina ny faminagnen'Isaia mombo an'nareo raha nilaza izy hoe: 8 Ty vahôka ty de magnaja anà amin'ny molotr'izy reo, fa ny fon'izy reo de lavitra anà. 9 Tsisy dikany ny fiderany anà, satria izy reo mampianatra ny didin'olombela ôtran'ny fampianaran'izy reo." 10 Avy akeo nagnantso ny vahôka ho akeo am'Azy Izy ary nitare tam'izy reo hoe: "Mitandrignesa ka mazaô. 11 Tsy ny miditra akao ambavan'ny ôla no mandoto ny ôla. Fa kosa, ze avôkon'ny vava, no mandoto ny ôla." 12 Avy akeo nagnatona reo mpianatra ary nitare tam'i Jesosy hoe: "Mo ve fantatrao fa tezitra reo Fariseo noho ny naregny zany teny zany?" 13 Jesosy namaly ka nitare hoe: "Reo ra-maniry ze tsy nambolen'le Raiko aigny an-dagnitra de ho fongorina avokô. 14 Avilao zareo ho akeo, izy reo de mpitarika jamba. Raha misy ôla jamba raika mitarika jamba raika hafa, de samby hivarigna an-kady izy rôy." 15 Petera namaly ka nitare tam'i Jesosy hoe: "Azavap aminay zany fagnoarana zany." 16 Ozy Jesosy hoe: Tsy manam-palalana iagny kô ma anareo?" 17 Tsy hitanao ma fa ze miditra amin'ny vava de mankao an-kibo ary avy akeo de havôka aigny amin'ny lava-piringa? 18 Fa re ra ze avôkan'vava de avy amin'ny fo. Reo ra reo no mandoto ny ôla raika. 19 Fa avy amin'ny fo no ivoan'ny saigna ratsy, ny vono ôla, ny fijangajangana, ny fangalam-badin'ôla, ny halatra, ny fijorôra vavolombelona tsy marina, ary ny fitenenan-dratsy. 20 Reo ra reo no mandoto ny ôla raika. Fa ny mihinana amin'ny tagnana tsy misasa de tsy mandoto ny ôla raika. 21 Avy akeo Jesosy niala takeo ka niverigna taigny amin'ny faritanin'i Tyro sy Sidona. 22 Indro, nisy vevavy Kananita raika avy am'zany faritra zany. Nagnantso mafy izy ary nitare hoe: "Mamindrà fo aminà, ry Tompo, Zanak'i Davida o! Ny zanako vavy de ampahorin'ny demonia mafy." 23 Fa Jesosy tsy namaly teny an'azy. Nagnatogna reo mpianany ka nengavy tam'Azy, nagnano hoe: "Roaso izy, fa mitabataba mafy amintsika." 24 Fa Jesosy namaly ary nitare hoe: " Tsy nirana ho an'iza na iza Za afa-tsy ho an'ny ondry very akao amin'ny ankohonan'Israely." 25 Fa tonga nangataka sy niankoka takeo agnatreny izy, nagnano hoe: "Tompo, vonjeo za." 26 Namaly Izy ka nagnano hoe: "Tsy rariny raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an'ny ambô." 27 Fa ozy izy hoe: "Eny, Tompo, fa na de ny ambô aza mba mihinana ze sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony." 28 De namaly Jesosy ary nitare taminy hoe: "Ravevavy, leibe ny finonao, ho tanteraka aminao ane zany araka ze irinao." De sitrana ny zanagny vavy tam'zany ora zany. 29 Niala takeo Jesosy ka nankaigny ankekin'ranomasin'ny Galilia. Avy akeo de niakatra takaigny an-tanety raika Izy ka nipetra takeo. 30 Vahôka betsaka no nagnatogna an'Azy. Ndesin'jareo niaraka tam'jareo ny mandringa, ny jamba, ny môna, ny kilemaina, ary marary maro hafa kô. Napetrak'jareo takeo an-tongotr'i Jesosy reo, ka de nositraniny. 31 Kô de talanjogna ny vahôka raha natazagna reo môna miteny, ny kilemaina sitrana, ny malemy afaka mandé, ary ny jamba mahita. Nakalaza ny Andriamanitr'Israely zareo. 32 Nagnantso reo mpianany mba hagnatogna an'Azy Jesosy ary nitare hoe: "Mangoraka reo vahôka Za, satria efa telo andro sady zareo no nipetraka niaraka tamina nefa tsy managna ho hanina. Tsy te handefa an'azy reo tsy mihinana Za, fa ndraindray mety ho toragna aigny an-dalàna aigny." 33 Ozy reo mpianatra Taminà hoe: "Aiza no hahitanay mofo antognona sy ampy an'reo vahôka maro be reo aty agnefitra?" 34 Ozy Jesosy tam'jareo hoe: "Mofo firy no aigny aminareo?" Ary ozy zereo hoe: "Fito, sy hazandrano madinika vitsy." 35 Avy akeo Jesosy nandidy ny vahôka mba hipetraka amin'ny tany. 36 Nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rafa nisôtra, de namaky ny mofo ka nanolotra reo ho an'ny mpianatra. Reo mpianatra nagnome ho an'ny vahôka. 37 Nignana ka afa-po ny vahôka rahetra. Avy akeo zareo nagnangona karapaka fito feno sombintsombiny ze tsy lany. 38 Reo ze nihinana de efatrarivo là, tsy akao agnatiny ny zaza amim-bevavy. 39 Avy akeo Jesosy nampody ny vahôka ka nondrana an-tsambokely ary de nankaigny amin'ny faritr'i Magadana.