Toko faha 11

1 Ary rafa avy nampianatra ireo mpianany rombefolo Jesosy, de niainga avy takeo Izy hampianatra sy hitory aigny amin'ny tanànan-jareo. 2 Ary rafa reignin'i Jaona tao am-ponja ny momba reo asan'i Kristy, de nandefa hafatra tamin'ny alalan'reo mpianany izy 3 ka nitare an'Azy hoe: "Anao ma le raika ze ho avy, sa tokony hikaraka hafa zahay?" 4 Jesosy namaly ary nitare an'azy reo hoe: "Mandeana ary taravo amin'i Jaona ze tazagnareo sy reigninareo." 5 Mahiratra reo jamba, mande reo ôla malemy, madio reo boka, mareigny ndre reo ôla maregnina, atsanga-ko velona reo ôla maty, ary agnambarao reo vaovao mafaly ny mahantra. 6 Sambatra ze tsy tafintohina noho ny Amina." 7 Ra nande taigny amin'ny lalana reo leilà reo, de nanomboka nilaza ny momba an'i Jaona tam'reo vahôka Jesosy hoe: "Hizaha ino no nivoahanareo taigny agn'efitra - volotara tsofin'ny rivotra? 8 Nefa hizaha ino no nivoanareo - leilà magnano fitafina lafo vidy? Indro, reo ze magnano fitafy lafo vidy de mipetraka akao an-dragnon'reo mpanjaka. 9 Nefa hizaha ino no nivoanareo - mpaminagny? Iôny, mitare aminareo Za, ary mihôtra lavitra noho ny mpaminagny. 10 Izy le ze vôsotra hoe: 'Tazagno, magniraka ny irako hialô ny tavanareo Za, ze hagnomagna ny làlanareo mialô an'nareo.' 11 Lazaiko marina aminareo, fa am'reo ze natera-beivavy de tsisy mihôtra noho i Jaona mpagnano Batisa. Nefa ny ôla tsy magnan-danja lôtra akeo amin'ny fanjakan'ny lagnitra de gedabe noho izy. 12 Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpagnano Batisa ka hatrami'zao, de miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lagnitra, ary reo ôla mahery setra de mialaka an'azy an-keriny. 13 Fa reo mpaminagny daôly sy ny lalàna de efa naminagny hatramin'i Jaona; 14 ary raha sitrakareo ny hagneiky zany, de Izy no Elia le ho avy. 15 Ze manan-tsofigna ho enti-mitandregny, ôka izy hitandregny. 16 Amin'ino no tokony hampitahako an'ity taranaka ty? Zany de salan'ny zaza milalao aigny an-tsena, ze mipetraka sy mifagnantsognantso 17 ka mitare hoe: 'Nitsoka sodigna ho an'nareo zahay , fa tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisaonana zahay, fa tsy nitomagny anareo.' 18 Fa Jaona de tsy tonga hinana mofo na hisotro divay, ka ozy zareo hoe: 'Managna demonia izy.' 19 Ny zanak'Ôla de tonga hinana sy hisotro ka ozy zareo hoe: 'Tazagno fa, leila tendan-kanina sy mpimamo Izy, naman'reo mpamory hetra sy reo mpanota!' Fa ny fahendrena de vômarina tam'reo asany." 20 Avy akeo Jesosy de nanomboka nitare mafy reo tanàna ze nanaovany ny ankamarôn'ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka zareo. 21 "Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo ry Betsaida! Raha natao taigny Tyra sy Sidona reo asa mahagaga ze natao taketo aminareo, de efa ela no nibebaka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona zareo. 22 Nefa ho moramora koko ny an'ny Tyra sy Sidona amin'ny andron'ny fitsarana mihôtra noho ny an'nareo. 23 Anareo, ry Kapernaomy, mievitra ma nareo fa hasandratra aigny an-dagnitra? Sagnatre, ho ndesina hidigna aigny amin'ny helo anareo. Satria raha taigny Sodoma no natao ireo asa magaga ze natao teto aminareo, de mbola tavela zany mandraky ty gniany. 24 Nefa milaza aminareo Za fa ho mora koko ho an'ny tanin'ny Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny aminareo." 25 Tam'zany fotôna zany Jesosy nitare hoe: "Midera Anao Za, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tany, satria Anao no nagnafina reo ra reo tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna, ary nanambara reo tam'reo zay tsy mahay, sala reo zaza kely. 26 Iôny, ry Ray, satria zany de nafinaritra takeo amasonao. 27 Ny ra daôly nankignina taminà de avy tamin'ny Raiko; ary tsy misy mahay ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahay ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy ze nofidin'ny Zanaka hagnambarana an'azy. 28 Mankanesa aty Amina; anareo daôly ze miasa sy mitondra mavesatra, de ameko fitsaharana anareo. 29 Ento ny zogako ary mianara Amina; fa malemy fagna sy magnetry tegna am-po Za, de haita fitsaharana ho an'reo fagnahinareo anareo. 30 Fa mora ny zogako ary maivana ny entako.