Toko faha 9

1 Nagnantso reo roa ambin'ny folo lahy Izy ary nagnome an-jareo ny hery sy faefana am'reo demonia daôly ary hagnasitrana reo aretina. 2 Nalefan-jareo hitory ny Fanjakan'Andriamanitra sy hagnasitrana ny marary. 3 Ozy tamin-jareo hoe: "Aza mitondra na ino na ino amin'ny denareo - tsisy anjera, tsisy kitapom-batsy, tsisy mofo, tsisy vola, ary tsisy akanjo fagnampiny. 4 Ze tragno idiranareo, de mijanona akao mandra-pialanareo. 5 N'iza n'iza tsy handraisan-jareo an'nareo, rafa mandao zany tanàna zany anareo, de ahintsagno hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka mbô fijorôna vavolombelona an-jareo. 6 Avekeo de lasana zareo ary namakivaky reo tanàna, nitory ny filazantsara sy nagnasitrana taigny daôly taigny. 7 Ary regnin'i Eroda mpanjaka avokoa reo ze nitanga daôly, ary de very hevitra izy satria voalazan'ny sasagny fa Jaona mpagnano batisa de nitsangana tamin'ny maty, 8 ary vôlaza fa nibôgna Elia, ary ny sasagny kosa nilaza fa raika tam'reo mpaminagny talô no nitsangana tamin'ny maty. 9 Ozy Eroda hoe: "Za no nanapa-dô an'i Jaona, ka iza ndre zany ôla andregnesako ra salan'zany?" Ary niezaka hahita an'Azy izy. 10 Rafa niverina reo Apostoly, de nitantara tamin'Azy reo ra daôly vitan-jareo. Avekeo nentiny niaraka tamin'azy zareo, ary nandeha nitokana ho amin'ny tanàna antsovina hoe Betsaida. 11 Fa vô nandregny ny momba an'zany reo vahôka, de nagnaraka an'Azy. De noraisiny zareo ary nambarany an-jareo ny momba ny Fanjakan'Andriamanitra, ary nagnasitrana reo ze nila fagnasitranana Izy. 12 Ary rafa ho hariva ny andro, de nagnontogna an'Azy reo roa ambin'ny folo ka nitare hoe: " Alefaso andeha reo vahôka mbô, ahafahan-jareo mandeha aigny am'reo tanàna magnodidigna sy ambanivohitra mbô hahita fatorena sy ahanina, satria aty amin'ny tany fôgna isika." 13 Fa ozy tamin-jareo hoe: "Amenareo ra hoanina zareo." Ary nitare reo hoe: "Tsisy managna mihotra noho ny mofo dimy sy hazan-drano rôy zahay - raha tsy hoe mandeha zahay ary mividy ahanina ho an'reo ôla daôly reo." 14 [Takeo de nisy leila dimy arivo teo eo]. Ary nilaza tam'reo mpianany Izy hoe: "Apetrao ho vondrogna dimam-polo isan'isany zareo." 15 Ka de nagnano zany zareo, ary nampipetraka reo vahôka. 16 Nandray reo mofo dimy sy hazan-drano rôy, de niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra reo ary nozarazarany, ka de nameny an'reo mpianatra zany mbô hotolorana am'reo vahôka. 17 Nihinana izy daôly ka afa-po, ary nangonina reo sisa tsy lany - ka nisy sombintsombiny roambin'ny folo harogna. 18 Ary rafa nivavaka manokana Jesosy, de niaraka tamin'Azy reo mpianatra. De nagnontany an-jareo Izy, nagnano hoe: "Ataon'reo vahôka ho iza ma Za?" 19 Namaly zareo hoe: "Jaona mpagnano batisa. Fa reo sasagny nilaza hoe Elia, ary reo sasagny milaza fa nitsangana tamin'ny maty ny raika tam'reo mpaminagny talô." 20 Ary nitare tamin-jareo Izy hoe: "Fa ataonareo ho iza ma Za?" Namaly Petera hoe: "Le Kristin'Andriamanitra." 21 Fa noraràny mafy zareo tsy hilaza zany na amin'iza na amin'iza, 22 nagnano hoe: "Ny Zanak'ôla de tsy maintsy hijaly amin'ny ra betsaka ary ho lavin'reo lôholona sy lôhan'ny mpisorogna ary reo mpanora-dalàna, jo vonony Izy ary amin'ny andro fahatelo de hatsangana." 23 Ary ozy tamin-jareo daôly hoe: "Raha misy te hagnaraka Anà, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy ary mitondra ny hazofijaliany isan'andro ary magnaraka Anà. 24 N'iza n'iza te hagnavotra ny aignany de hagnary zany, fa n'iza n'iza magnary ny aigny noho ny fitiavana Anà de hagnavotra zany. 25 Ino ma no tsara azon'ôla amin'ny fanagnana zao tontolo zao, kanefa magnary na mamotika ny aignany? 26 Fa n'iza n'iza megnatra ny aminà sy reo teniko, de ho megnatra an'azy kô ny Zanakôla rafa tonga amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy reo anjely masina Izy. 27 Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasagny am'reo ze mitsangagna aketo de tsy hahita fafatesana melôn'ny ahitany ny fanjakan'Andriamanitra." 28 Ary valo andro teo eo tafaran'ny nilazan'i Jesosy reo teny reo, de nentiny niaraka tamin'Azy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tanety hivavaka. 29 Raha nivavaka iny Izy, de niova ny endriky ny tareny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony. 30 Indro, nisy rô lahy niresaka tamin'Azy, Mosesy sy Elisa, 31 ze nibôgna tamim-voninatra mamirapiratra. Nikoragna momba ny fialàny Izy, ze ho entiny ho tanterana aigny Jerosalema. 32 Ary Petera sy reo ze niaraka tamin'Azy de navesatry ny torimaso, fa rafa tegna taitra tanteraka zareo, de natazagna ny voninahiny sy reo leila rôy ze nitsangana niaraka tamin'Azy. 33 Ary rafa niala nagnalavitra an'i Jesosy zareo, de ozy Petera tamin'Azy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny mijanona aketo. Avelao zahay hagnambôtra felofana telo, raika ho an'nao, raika ho an'i Mosesy, ary raika ho an'i Elia." (Tsy fantany ze no lazainy.) 34 Takeo am-pitinenanny an'zany izy, de nisy rôndro tonga nagnarona an-jareo, ka de natatra zareo rafa niditra takao am'le rôndro. 35 Nify feo nivôka avy taigny am'le rôndro, nagnano hoe: "Ty no Zanaka Lahiko, Le Raika ze vôfidy; henoy Izy." 36 Rafa nikoragna le feo, de Jesosy rerika no tazagna takeo. Nitàna ny fanginany zareo ary tsy niteny tamin'iza tam'zany andro zany ny momba ze daôly hitan-jareo. 37 Ary ny andro magnaraka an'io, rafa nidigna avy taigny an-tendrombotra zareo, de vahôka betsaka no nifanena tamin'Azy. 38 Indro, nisy leila raika avy tao amin'ny vahôka no nikika mafy, nagnano hoe: "Ry mpampianatra ô, mptalaho aminao za mbô hijeryty zanakao lahy ty, fa zanako tokana izy. 39 Hitanao, misy fanahy mibaiko an'azy de mikika tampoka izy; mampifanintona an'azy zany ka mampamôka rôtra ny vavany. Tsy miala amin'azy zany ary mandreraka tanteraka an'azy. 40 Nitalaho tam'reo mpianatao za mbô hangala an'zany, fa tsy afak'zareo." 41 Namaly Jesosy ka nagnano hoe: "Aareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tegna, hafirina ma no tsy maintsy hipitrako miaraka aminareo sy hiaretako miaraka aminareo? Ento makaty ny zanakao lahy." 42 Rafa nagnantona le zaza lahy, de natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra an'azy. Fa Jesosy niteny mafy le fanahy maloto ary nagnasitrana le zaza lahy, ary namerina an'azy tany amin'ny rainy. 43 Ary avekeo de gaga avokoa izy daôly natazagna ny haleben'Andriamanitra. Raha fafa tamin'ny ra daôly nataony iny zareo, de ozy tamin'ny mpianany hoe: 44 "Avelao reto teny reto ho tonga lalina akao an-tsofignareo: 'Ny Zanak'Ôla de havadika akeo an-tagnan'ôla." 45 Fa tsy azon-jareo zany fagnambarana zany. Zany de nafenina tamin-jareo noho zany de tsy azon-jareo ny dikan'zany, ary mbôla natatra zareo ny hagnontany ny momba zany fagnambarana zany. 46 Avy akeo de nisy fifandirana nanomboka takeo amin-jareo ny am'zay ho geda ndrindra amin-jareo. 47 Fa Jesosy, nafantatra ny fihevitra takao am-pon-jareo, de niaka zazakely raika ka napetrany takeo agnilany, 48 ary nitare tamin-jareo hoe: "Fa na iza mandray ty zaza ty amin'ny agnarako, de mandray Anà; ary n'iza n'iza mandray Anà, de mandray le Raika ze nagniraka Anà. Fa ze kely ndrindra aminareo daôly no geda." 49 Jaona namaly hoe: "Tompo ô, nahitan ôla zahay nagnala demonia tamin'ny agnaranao de nosakananay izy, satria izy tsy magnara-dé miaraka aminay." 50 "Aza raràna izy," ozy Jesosy, "satria tsy magnohitra an'nareo de momba an'nareo." 51 Rafa nagnakeky ny andro ampekarana an'Azy, de nitodika ho aigny Jerosalema Izy. 52 Nandefa mpitondra hafatra Izy helôha an'Azy, ary nande zareo ka niditra takao amin'ny tanàna Samaritana raika mbô hagnomana ny ra daôly ho an'Azy. 53 Fa ny vahôka tao tsy nandray an'Azy, satria nitodika ho aigny Jerosalema Izy. 54 Rafa nahita zany Jakoba sy Jaona mpianatra, de ozy zareo hoe: "Tompoko, tenao ma zahay raha handefa afo milatsaka avy aigny an-dagnitra mbô hamotika an-jareo?" 55 Fa nitodika izy de niteny mafy tamin-jareo, 56 ary lasana taigny amin'ny tanàna hafa zareo. 57 Ary rafa nande taigny an-dalana zareo, de niso ôla raika nagnano tamin'azy hoe: "Hagnaraka An'nao za n'aiza n'aiza andiananao." 58 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary reo vorona aigny an-dagnitra de managna ny akanany, fa ny Zanak'Ôla tsy managna tôrana asina ny lôhany." 59 Ary Ozy tamin'ny hafa hoe: "Magnarà Anà." Fa ozy hoe: "Tompoko, avilao za aloha hande handevigna ny raiko." 60 Fa Ozy tamin'azy hoe: "Avilao ny maty handevina ny maty akao amin'azy. Fa ho an'nao, mandiana ka mitoria aigny lavitra aigny ary hitaro ny fanjakan'Andriamanitra." 61 Ary nisy ôla hafa nagnano hoe: "Hagnaraka An'nao za, Tompo, fa avilao lô za hagnano veloma reo aigny an-dragnoko." 62 Jesosy namaly an'azy hoe: "Tsisy ôla mitàna angady ary miherika ka mendrika ho akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."