Toko faha 7

1 Rafa navita nitare ny ra daôly takeo agnatrehan'ny vahôka Jesosy, de niditra tao Kapernaomy Izy. 2 Ary nisy kapiteny raika nanagna mpanompo ze tegna najaigny, ary narary sy efa ankeky ho foaty izy. 3 Rafa naregny ny momba an'i Jesosy le kapiteny, de nagniraka lôholon'ny Jiosy ho aigny amin'Azy izy, hangataka an'Azy mbô ho avy ary hagnasitrana ny mpanompony. 4 Ary rafa tonga takeo amin'i Jesosy zareo, de nangataka mafy tamin'Azy, nitare hoe: "Mendrika ny hagnanôvanao an'zany ho an'azy izy, 5 satria teny ny firenenay, ary izy le nagnambôtra ny Synagoga ho an'nay." 6 Ka de nanohy ny lalany niaraka tamin-jareo Jesosy. Fa raha mbôla tsy lavitra ny tragno Izy, de nandefa namana le kapiteny nitare tamin'Azy hoe: "Tompo ô, aza misahirana Anao, satria tsy mendrika hidiranao akao ambanin'ny tafon-tragnoko za. 7 Noho zany de tsy nihevitra ny tegnako ho mendrika hankeo aminao za, fa mitinena teny raika fôgna de ho sitragna ny mpanompoko. 8 Ka satria za kô de leila ze ambany faefana, managna miaramila akao ambaniko kô. Ozy za am'ty raika ty hoe: "Mandiana," de mande izy, ary amin'ny raika hafa: "Ave," de avy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: "Ataovo ty," ary de ataony zany." 9 Rafa naregny an'zany Jesosy, de gaga tamin'azy Izy, ary nitodika tam'reo vahôka ze nagnaraka an'Azy de nagnano hoe: "Taraviko aminareo, fa na de taigny Israely aza tsy nahitako finoana ôtran'zao." 10 Rafa niverina taigny an-tragno reo ze nirahana, de nahita fa salama tsara le mpanompo. 11 Tafara kelin'zany, de nande taigny amin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka tamin'azy reo mpianany sy reo vahôka betsaka be. 12 Raha nagnankeky ny vavahadin'ny tanàna Izy, indro, nisy leila raika efa maty nentina nivôka, zanaka lahitokan'ny reniny (ze magnanotegna), ary vahôka betsaka be avy akao amin'ny tanàna no niaraka tamin'azy. 13 Nony natazagna an'azy ny Tompo, de nangoraka tanteraka an'azy ka nagnano tamin'azy hoe: "Aza mitomagny." 14 Avekeo de niakatra Izy ary nikasika an'le vata ze nitondran-jareo an'le razagna, ary nijanona reo nitondra an'zany. Ozy hoe: "Ô gaogna, ozy Za aminao, merena." 15 De nifô le maty ka nanomboka nikoragna, ary Jesosy nanolotra an'azy takeo amin'ny reniny. 16 Nandresy an'azy daôly ny tatra, ka nanohy nidera an'Andriamanitra hatraigny zareo, nitare hoe: "Mpaminagny lehibe no natsangana aketo amintsika" ary " Andriamanitra nitsinjo ny ôlony." 17 Ty vaovao momba an'i Jesosy ty de niparitaka nagnerana an'i Jodia sy reo faritra magnodidigna daôly. 18 Reo mpianatr'i Jaona nitare tamin'azy ny momba reo ra reo. 19 De nagnantso rôy tam'reo mpianany Jaona ka nagniraka an-jareo ho akaigny amin'ny Tompo mbô hitare hoe: "Anao ma le ho avy, se tokony mbôla hijery hafa zahay?" 20 Ary rafa nagnatona ankeky an'i Jesosy zareo, de ozy reo leila hoe: "Jaona mpagnano batisa no nagniraka an'nay aty aminao hagnontany hoe: "Anao ma le ho avy, se tokony mbôla hijery hafa zahay?" 21 Ary tam'zany ora zany de nagnasitrana ôla maro tamin'ny aretina sy faorina ary fangnaintainagna avy am'reo fagnahy ratsy Izy, ary ôla jamba betsaka no nampahiratiny. 22 Jesosy namaly ka nitare tamin-jareo hoe: "Rafa avy nande tamin'ny lalanareo anareo, tatero amin'i Jaona ze hitanareo sy regninareo. Nahirtra ny jamba, nande ny malemy, nadio reo boka, naregny ny marenina, nitsangan-ko velona ny maty, ary nitoriana ny filazantsara ny ôla agnatin'ny tsy fampena. 23 Sambatra ny ôla ze tsy mitsahatra ny mino Anà nohon'ny ataoko." 24 Ary nony lasa reo irak'Jaona, de nagnomboka nitare tamin'ny vahôka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hitazagna ino no nivoanareo taigny agn'efitra? Volotara nahozongozon'ny rivotra ma? 25 Se hijery ino no nivohanareo taigny? Leila mekanjo tsara ma? Jereo, reo ze mitafy akanjo lafo vidy sy reo miaigna akao amin'ny fiaignana soa de akao amin'ny lapan'ny mpanjaka. 26 Fa hijery ino no nivohanareo taigny? Mpaminagny ma? Yôny, ozy Za aminareo, ary mihôtra lavitra noho ny mpaminagny. 27 Izy no le vôsoratra hoe: "Indro, alefako melô an'no ny mpitondra hafatro, ze hagnomana ny lalanao melô an'nao." 28 Taraviko aminareo, fa aminareo ze natera-bevavy de tsisy geda noho Jaona. Nefa le kely ndrindra akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra de geda noho izy." 29 (Rafa naregny an'zany ny ôla daôly, agnisan'zany reo mpamory hetra, de nagnambara fa marina Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona zareo. 30 Fa reo Fariseo sy reo mpahay lalàna Jiosy kosa nandà ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny tegnan-jareo, satria tsy nataon'i Jaona batisa.) 31 "Amin'ny ino, no afako mampitovy ny ôla am'ty taranaka ty? Salan'ino ma zareo? 32 Salan'ny ankizy milalao aigny an-tsena zareo, ze mipetraka sy mifagnantso ary mikoragna hoe: "Nitsoka sodina ho an'nareo zahay, de tsy nandihy anareo. Nagnano hira fisaorana ho an'nareo zahay, de tsy nitomany anareo." 33 Fa Jaona mpagnano Batisa tonga tsy nihinana mofo ary tsy nisotro divay, de ozy anareo hoe: "Misy demonia izy." 34 Ny Zanak'Ôla tonga nihinana sy nisotro, de ozy anareo hoe: "Jerevo, fa tendan-kanina sy mpisotro Izy, naman'reo mpamory hetra sy mpagnota!" 35 Fa ny fahendrena de vômarina amin'ny zanagny daôly." 36 Ary ny raika tam'reo Fariseo nagnasa an'iJesosy hisakafo miataka tamin'azy. Ka rafa avy niditra takao an-tragnon'le Fariseo Jesosy, de nipetraka hinana teo amin'ny latabatra. 37 Indro, nisy vevavy tao an-tanàna ze mpagnota. Ary rafa natsikaritra izy fa nipetraka takeo amin'ny latabatra tao amin'ny tragnon'le Fariseo Izy, de nitondr tavoara alabastara feno menaka magnitra izy. 38 Ary raha nitsangana tafarany takeo ankekin'ny tongony izy, de nitomagny, ka nanomboka nandena ny tongony tamin'ny ranomasony, ka de nifafany tamin'ny volon-dôny reo sady nagnoroka ny tongony ary nagnosotra reo tamin'ny menaka magnitra. 39 Rafa natazagna an'zany le Fariseo nanasa an'i Jesosy, de nieritreritra, nitare hoe: "Raha mpaminagny ty leila ty, de tokony ho fantany hoe karazagn vevavy magnakôry io mikitika an'azy io, fa mpagnota io." 40 Jesosy namaly ka nitare tamin'azy hoe: "Simona, misy ra ho tineniko aminao." Ozy hoe: "Lazao zany, Mpampianatra ô!" 41 Jesosy nitare hoe: "Nisy mpampindram-bola manana mpitrosa rôla. Ny raika de tokony andô diman-jato denaria, ny raika dimampolo. 42 Rafa tsy afaka nagnefa an'zany tamin'azy zareo, de samy navelany izy rôla. Noho zany, iza amin'izy rôla ma no ho tia an'Azy kokoa?" 43 Simona namaly an'Azy ka nitare hoe: "Heveriko fa le namoizany be." De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Marina ny fitsaranao." 44 Ary Jesosy nitodika taigny am'le vevavy ka nitare tamin'i Simona hoe: "Tazagnao io vevavy io. Niditra tato an-tragnonao Za. Tsy nagnome rano hanasagna ny tongotro anao, fa izy nandena reo tongotro tamin'ny ranomasony ary namafa an'azy tamin'ny volon-dôny. 45 Tsy nagnoroka Anà anao, fa hatram'ze nidirako tato de tsy nitsahatra nagnoroka ny tongotro izy. 46 Tsy nosoranao diloilo ny lôhako, fa izy nagnosotra ny tongotro tamin'ny menaka magnitra. 47 Noho zany de milaza aminao Za fa, reo fahotany, ze betsaka, de vôvela - satria izy be fitiavana. Fa ze navela kely, de te kely." 48 De Ozy tamin'azy hoe: "Vôvela reo fahotanao." 49 Reo niara-nipetraka nihinana takeo de nagnomboka nifampiresaka takeo amin-jareo hoe: "Iza ma Ty no de mamela reo heloka?" 50 Avekeo ozy Jesosy tamin-dravevavy hoe: "Ny finoanao no nahavonjy an'nao. Mandehana am-piadanana."