Toko faha 20

1 Ary indray andro, raha nampianatra ny vahôka takao amin'ny Tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, de nagnatogan an'Azy reo ny lohan'ny mposorogna sy mpanora-dalana miaraka tam'reo loholona. 2 Nitare izy reo, nagnano tam'Azy hoe: Lazo aminay hoe: amin'ny fahefana ino no agnanôvanao reo ra reo? Na kô iza no nagnome an'nao zao fahefana zao?" 3 Namaly Izy ary nitare an'azy reo hoe: Za kô de hametraka fagnontanena aminareo. Tineno an'Anà ny momba 4 ny batisan'i Jaona. Nga ma zany avy aigny an-dagnitra se avy amin'ny olombelona?" 5 Niady hevitra zareo, nitare hoe: Raha hamaly tsika hoe: Avy aigny an-dagnitra de hitare izy hoe: Ka nagnino anareo no tsy nino an'Azy? 6 Fa raha mitare tsika hoe: Avy amin'olombelona de hitora-bato antsika ny vahôka daôly, satria zareo de magneky fa Jaona de mpaminagny." 7 No zany de namaly zareo fa tsy hain'jareo ze niaveny. 8 Jesosy nitare tam-jareo hoe: "Za kô tsy hilaza aminareo ze faefana hagnanôvako an'zao ra daôly zao." 9 Nitineniny tamin'ny vahôka zao fagnoharana zao. "Nisy leila raika nanagna tanim-bôloboka, nampanofa an'zany tamin'ny mpamboly vôloboka, ary hande taigny amin'ny firenena hafa nandritra ny fotôna ela izy. 10 Tamin'ny fotôna nifagnomezana de nandefa mpanompo izy ho aigny am'reo mpamboly vôloboka, fa tokony hagnome an'azy ny vokatry ny tanim-bôloboka zareo. Notarôn'reo mpamboly anefa izy, ary nalefany niverigna tagnam-polo." 11 Avy teo de nandefa mpanompo hafa ndre izy ary de notarôn'jareo kô, nalany baraka ary nalefan'jareo tagnam-polo. 12 Mbola nandefa fagnintelony izy ary noratrain'jareo kô izy, ary noroasiny. 13 No zany de nitare ny tompon'le tanim-bôloboka hoe: 'Ino no ho ataoko? Halefako aigny ny zanako là malalako. Mety mba hajain'jareo izy. 14 Fa rafa tazagn'reo mpamboly vôloboka izy, de nifampiresaka zareo, ary nitare hoe: 'Io le mpandova. Andà ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova." 15 Noroasin'jareo niala ny tanim-bôloboka izy ary novonoin-jareo. Ino ary no hataon'ny tanim-bôloboka am'jareo? 16 Ho avy izy ary handrôka reo mpamboly vôloboka ary hamindra an'le tanim-bôloboka ho an'ôla hafa." Rafa nareigny an'zany zareo, de nitare hoe: Sagnatrè amin'Andriamanitra!" 17 Fa nijery an'azy reo Jesosy, nitare hoe: "Ino no dikan'le vôsoratra hoe: Ny vato ze nolavin'reo mpagnorina tragno no tonga vato fehizoro? 18 Fa n'iza n'iza potraka amin'io vato io de ho torotoro. Fa n'iza n'iza hianjerany de ho potika." 19 Ka de nitady hisambotra an'Azy tamin'io fotôna io reo mpanoradalana sy reo mpisorogna, fa fantratr'zareo fa nolazainy io fagnoharana io hanoitra an'azy reo. Kanefa natatra ny vahôka zareo. 20 Teo am-pandinihina an'Azy tsara de nandefa mpitsikilo mody ho marina zareo, mba afahan-jareo mahita lesoka amin'ny ze notaraviny, ka hagnolorany an'Azy akeo amin'ny fanapana sy ny faefan'ny governora. 21 Nagnontany an'Azy zareo, ary nitare hoe: Mpampianatra ô! fantatray Enao fa mitare sy mampianatra ny marina, ary tsy vôsariky ny hevitr'iza na iza, fa enao de mampianatra am-pamarinana, ary lalan'Andriamanitra. 22 Mety aminay ma ny mandoa vola hetra ho an'Kaisara, sa tsy mety?" 23 Fa Jesosy de natakatra ny hafetsen-jareo, ary nitare tam-jareo hoe: 24 Mampisehoa denaria raika Aminà. An'iza io sary sy agnarana io? Nitare zareo hoe: an'i Kaisara." 25 Ozy Izy tam-jareo hoe: No zany ameo an'i Kaisara ze an'i Kaisara ary an'Andriamanitra ze an'Andriamanitra." 26 Tsy nahita lesoka tam'ze nolazainy teo agnatrehan'ny vahôka zareo, fa de tofoka tamin'ny valin-teniny ka nangigna. 27 Rafa tonga teo amin'Azy ny sasagny tam'reo Sadoseo, reo ze mitare fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, 28 nagnotany an'Azy zareo, nagnano hoe: Mpampianatra ô! Mosesy de nanoratra ho antsika fa raha maty sy rahalan'ny leila raika, manam-bady, ary tsy manan-janaka, de tokony haka vady an'le vadin-drahalany le leila, ary hagnome zanaka ho an'ny rahalany. 29 Nisy mpirahala fito ary ny vôlôny nanambady ary maty tsy nanan-janaka, 30 ary ny faharoa kô ôtran'zany. 31 Nampakatra an'azy ny fatelo, ary salan'zany avokoa izy fito samy tsy manan-janaka ary maty. 32 Tafaran'zany de maty kô le vevavy. 33 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ho vadin'iza ary izy? Fa samy efa nanambady an'azy izy fito." 34 Jesosy nitare tam-jareo hoe: Reo zanak'izao tontolo zao de mampaka-bady sy ampakarina. 35 Fa reo ze hita am'zao andro zao fa mendrika ny handray ny fitsaganana amin'ny maty de tsy hampaka-bady na hampakarina. 36 Tsy ho foaty intsony zareo, satria mitovy am'reo anjely sy reo zanak'Andriamanitra, ze zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. 37 Fa ny maty de natsangana, na Mosesy aza nampiseho, teo am'le tôrana ze nisy ny vôroy, ze nagnantsovany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakaba. 38 Ary Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velona, satria ny daôly de velona akao amin'Azy. 39 Ny sasagny tam'reo mpanora-dalàna namaly hoe: "Mpampianatra ô! tsara ny famalinao." 40 Satria tsy sahy nametraka fagnontanena hafa tamin'Azy intsony zareo. 41 Jesosy nitare an'azy reo hoe: Akôry no ilazan'jareo fa Kristy de zanaka lahin'i Davida. 42 Fa Davida tegnany no nitare takao amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe: "Mipetrà akeo antagnako ankavanana, 43 mandrapagnanôvako ny favalonao ho fitôran-tongotrao." 44 No zany Davida de nagnantso an'i Kristy hoe: "Tompo,manakôry no maha zanak'i Davida an'Azy?" 45 Teo agnatrehan'ny ôla daôly de nitare tamin'ny mpianany Izy nagnano hoe: 46 'Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, ze magniry hande miaraka amin'ny akanjo lava mirebareba, sy te arabaina manokana aigny an-tsena, sy mipetraka amin'ny seza vôlôny akao agnaty Synagoga, ary ny tôrana vôlôny amin'ny fanasana. 47 Zareo kô de mandany ny tragnon'reo mpitondra-tegna, ary magnano vavaka lavaregny ho fisehosehona. Ny leila ôtran'zany de ahazo fagnamelôna gedabe mitsy.