Toko faha 14

1 Ary indray sabata, rafa nankao amin'ny tragnon'ny raika tam'reo mpitarika ny fariseo hihinana mofo Izy de nagnara-maso an'Azy ankeky zareo. 2 Indro, takeo agnolôny nisy leila raika ze nampijalen'ny edema. 3 Jesosy nagnontany reo manam-pahaizana amin'ny lalànan'ny Jiosy sy reo Fariseo hoe: "Azo atao ma ny magnasitrana amin'ny andro Sabata, se tsia?" 4 Fa zareo de nangina. Noho zany de noraisin'i Jesosy izy, ary nositragniny, de nalefany hande. 5 Ozy tamin-jareo hoe: "Iza aminareo ze manan-janaka lahy na omby tafalatsaka agnaty fangalandrano amin'ny andro Sabata ma no tsy hisontina an'azy avy hatraingny? 6 Zareo de tsisy navita nagnome valiny an'reo ra reo. 7 Rafa tsikaritr'i Jesosy ny fomba fisafidianan'reo ze nisaigna ny tôram-boninatra, nagnano fagnoharana izy, nikoragna tamin-jareo hoe: 8 "Rafa asaina amin'ny lanonam-panambadena anareo, aza mipetraka akeo amin'ny tôram-boninatra, satria maty nisy ôla nasaina mbôla manam-boninatra noho anareo. 9 Rafa tonga le ôla ze nanasa an'nareo, de hiteny an'nareo izy hoe: 'Ameo an'ty ôlon-kafa ty ny tôranao,' ary am-pamenarana no andehananareo hamonjy ny tôrana ambany ndrindra. 10 Fa rafa asaina anareo, mandehana de mipitraha amin'ny tôrana ambany ndrindra, am'ze rafa mandalo akeo le nagnasa an'nao, de mety hitare an'nao izy hoe: 'Ry namana, miakara amin'ny ambonimbony.' Ary avekeo de amem-boninatra anao akeo agnatrehan'reo ze daôly miray latabatra aminareo. 11 Fa reo ze manandra-tegna de hahetry, ary ze manetri-tegna de hasandratra." 12 Jesosy iany kô de nitare tam'le leila nagnasa an'Azy hoe: "Rafa magnome sakafo na fagnasàna anao, de aza magnasa an'reo namanao na reo ralànao na reo ankeiky an'nao nareo mpanakarena magnodidina an'nao, amin'ny mety hagnasany an'nao kô ho takalon'zany, ary de ho vôvaly anao. 13 Fa rafa magnano fagnasana anao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ary ny jamba, 14 de ho sambatra anao, satria tsy afaka hamaly an'nao zareo. Fa anao de ho vôvaly amin'ny fitsanganan'ny marina." 15 Rafa naregny reo ra reo ny raika tam'reo niray latabatra tamin'i Jesosy, de nitare tamin'Azy hoe: "Sambatra ze hihinana ny mofo akao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!" 16 Fa Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Nisy leila raika nikarakara sakafo lehibe ary nagnasa ôla betsaka. 17 Rafa vôkarakara ny sakafo, de naniraka ny mpanompony izy hitare an'reo ze nasaina hoe: 'Mandrosô, fa ny ra daôly de efa vonona.' 18 Izy daôly de nitovy saigna ary nanomboka nagnano felan-tsigny. Le vôlôny nitare tamin'azy hoe: 'Nividy saha za, ka tokony hivôka za ary hijery zany. Miala tsiny za.' 19 Ny raika hafa nitare hoe: 'Nividy omby folo za, ary ande hamantatra an-jareo. Miala tsiny za.' 20 Avekeo nisy leila raika hafa nitare hoe: "Vô avy nampaka-bady za, ary noho zany de tsy afaka ny ho akaigny za." 23 Ozy ty tômpony tam'le mpanompony hoe: "Mandiana aigny am'reo arabe sy sisim-boly ary tereo zareo ho avy, am'ze ho feno ny tranoko. 24 Fa lazaiko aminareo, tsisy hanandrana ny sakafoko reo leila ze nasaina.'" 25 Ary vahôka betsaka no nande niaraka tamin'azy, ary nitodika Izy ary nitare tamin-jareo hoe: 26 "Raha misy aminareo manantona Anà ary tsy mankahala ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, reo rahalahiny sy reo rahavaviny, ary na ny fiainany aza, de tsy afaka ny ho mpianatro izy. 27 N'iza n'iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Anà de tsy afaka ny ho mpianatro. 28 Fa iza aminareo, ze magniry ny hanangana tilikambo, no tsy mipetraka alô ary mikajy ny fandaniana raha manana ze ilana hamitana an'zany izy? 29 Raha tsy zany, rafa nametraka ny fototra izy nefa tsy hahavita zany akory, de hanomboka handatsa an'azy reo daôly ze mahita an'zany, 30 magnano hoe: 'Io leila io no nanomboka nanangana kanefa tsy navita akory.' 31 Na kô mpanjaka ino, raha hande hifanetra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka alô ary haka hevitra raha miaraka amin'ny leila ray alina de afaka hiady mpanjaka hafa ze tonga magnohitra an'azy miaraka amin'ny leila roa alina? 32 Raha tsy zany, raha mbôla lavitra ny tafika hafa, de mandefa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana. 33 Ka noho zany, n'iza n'iza aminareo tsy mahafoy ze daôly hanagnany de tsy afaka ny ho mpianatro izy. 34 Tsara ny sira, fa raha very ny tsiron'le sira, manakôry ma no hiverenany hasira ndray? 35 Tsisy ilàna an'azy eto an-tany na de ho zezika aza. Arena fotsiny zany. Ze manan-tsofina ho enti-mandregny, ôka izy hitaino."