Toko faha 25

1 Am'zao fotôna zao, Festony niditra tao amin'ny faritany ary telo andro taty afara, de niakatra avy tao Kaisaria izy ho aigny Jerosalema. 2 Ny loham-pisorogna sy reo Jiosy manan-kaja de nitondra fagnamelôna hiampangana an'i Paoly, ka namporisika an'azy sy nangataka tamin'azy zareo mba hampidi-doza an'i Paoly - ka naporisika an'azy 3 sy nangataka tamin'azy zareo mba hampidi-doza an'i Paoly ka hagnantso an'i Paoly ho aigny an-dalana. 4 Kanefa Festosy namaly fa gadra akao Kaisaria i Paoly, ary izy de hiverigna aigny tsy ela. 5 "No zany, reo ze afaka," ozy izy de tokony hande hiaraka aminay ho aigny. Raha nagnano raha tsy nanjary le leila, de tokony hiampanga an'azy anareo. 6 Festosy de tsy nijanona nihôtra ny valo na folo andro ary avy teo de nidigna nankaigny Kaisaria, ary ny andro magnaraka de nipetraka teo amin'ny fitoeran'ny fitsarana izy ary nandidy an'i Paoly mba entina aigny amin'azy. 7 Rafa tonga izy, de nipetraka teo ankeky teo reo Jiosy avy aigny Jerosalema, ary nitondra fempangana maro tsisy porofo zareo. 8 Niaro tegna Paoly ary niteny hoe: "Tsy nagnano raha ratsy manoitra ny lalan'ny Jiosy zany za na manoitra ny Tempoly na manoitra an'i Kaisara." 9 Nefa nikaraka ze azahôna sitraka amin'ny Jiosy i Festosy, ary no zany de namaly an'i Paoly izy ka niteny heo: "Te hiakatra ho aigny Jerosalema ma enao ary ho tsaraiko momba an'regny ra taigny regny? 10 Ozy Paoly hoe: "Mitsangana aketo agnolônan'ny seza fitsaran'i Kaisara za ze tsy maintsy hitsarana anà. Tsy nagnano ratsy ny Jiosy za, araka ze efa fantatrao tsara. 11 Kanefa raha nagnano ratsy za ary raha nagnano ze tokony hafaty anà, de tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy reo fempangan'jareo, de tsy misy ôla afaka mitondra anà ho aigny am'jareo. Mangataka an'i Kaisara za. 12 Rafa avy nikoragna tam-pitsara Festosy, de namaly izy hoe: "Nangataka an'i Kaisara enao. Aigny am'i Kaisara no handehanananao. 13 Ary tafaran'ny andro vitsy, de tonga taigny am'i Kaisaria i Agripa mpanjaka ny Berenika mba hamangy an'i Festosy. 14 Tafaran'ny natao an'azy nandritra ny andro maro, de natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; niteny izy hoe: "Nisy leila raika navelan'i Felix aty salan'ny gadra. 15 Rafa taigny Jerosalema za, de nitondra fempangana an'ty leila ty taty aminà reo lohan'ny mpisorogna sy reo loholon'ny Jiosy, ary nangatka teny fagnamelô,a an'azy zareo. 16 Namaly an'jareo za fa tsy fomban'ny Romana ny manolotra ôla melôn'ny hifagnatren'reo mpiampanga an'azy sy anagnny ferovan-tegna am'reo fempangana. 17 No zany, rafa niara-tonga teto zareo, de tsy nandigny za fa ny andro magnaraka de nipetraka teo amin'ny seza fitsarana za ary nasaiko nampidirina le leila. 18 Rafa nitsanga teo reo mpitory ka nagnameloka an'azy, de hitaka fa tsy de mavesatra ny fempangana nentin'jareo ho an'azy. 19 Fa kosany, nifamly zareo mikasika ny fivavan'jareo sy ny momba an'zany Jesosy ze maty zany, nefa lazain'i Paoly fa velona ndre. 20 Tsy azo antoka ny fomba agnadiadina an'ty raharaha ty, ary no zany de nagnontaneko izy raha vognona ho aigny Jerosalema mba ho tsaraina aigny mikasika an'reo fempangana reo. 21 Fa refa nangataka ny hijanona akao am-ponja mba handigny ny fanapan-kevitry ny Amperora i Paoly, de nandidy an'azy za mba ho tazomina akao am-ponja izy mandra-pandefasako an'azy aigny am'i Kaisara. 22 Agripa niresaka tam'i Festosy hoe: 'Te-hareigny an'ty leila ty kô za.' "Amaraigna enao mareigny an'azy, ozy Festosy. 23 Ka ny andro magnaraka de tonga tamin-boninatra i Agripa sy Berenika; nankao amin'ny eftragno malalaka be niarka tam'reo miaramila mpifehy sy reo leilaa manankaja teo antanana zareo. Rafa niteny an'le didy Festosy, de nentin'jareo Paoly. 24 Ozy Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy anareo leila daôly ze miaraka aminay aketo, itanareo ty leila ty; reo Jiosy daôly ze nifagnaraka taminà taigny Jerosalema sy teto kô, de nitaraigna taminà zareo fa tsy tokony ho velona mitsy izy. 25 Fantatro fa tsy nagnano na ino na ino ze tokonny hafaty an'azy izy; satria nagnataka ho aigny amin'ny Amperora izy, de nanapkevitra ze handefa an'azy ho aigny. 26 Saingy tsy de mavesa-danja ny ra sarotra ho aigny amin'ny Amperora. No zany antony zany de nentinko aketo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba anagnako ra maro soratana momba an'le raharaha. 27 Satria ôtran'ny tsy mety aminà ny mandefa gadra sy tsy milaza ze emmpangana an'zy kô.