Toko faha 20

1 Rafa tapitra ny tabataba, namory reo mpianatra i Paoly ary nampaery an'azy reo avy teo, nagnano veloma izy ary lasana nankaigny Makedonia. 2 Rafa nande taigny am'reo faritra reo izy sy nagnano teny fankaherezana maro an'azy reo, de tonga taigny Gresia izy. 3 Rafa avy nanangana telo volana tao izy, de nisy teti-dratsy noforonin'reo Jiosy hanoerana an'azy raha izy hande sambo ho aigny Syria igny, ka nanapakevitra ny hiverigna ho aigny Makedonia izy. 4 Nagnaraka an'azy hatraigny Asia lavitra aigny i Sopatera zanaka lahi'ni Pyro avy aigny Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy am'reo mpino Tesalonika; Gayo avy aigny Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy aigny Asia. 5 Fa reo leilà reo de efa nialô an'nay ary nandigny an'nay taigny Troasy. 6 Niondrrana sambo niala tao Filipy zahy tafaran'ny andro finanana mofo tsy masina; ary tao agnatin'ny dimy andro de tonga taigny am-jareo taigny Troasy zahay. Ary nipetraka tao zahay nadritra ny fito andro. 7 Tamin'ny andro vôlôny amin'ny herinandro; rafa niangona niaraka mba hanapaka ny mofo zahay, de nikoragna tam'reo mpino i Paoly. Izy de nikasa ny hande ny amaraignnan'igny, ka tsy nanohy koragna hatramin'ny sasak'alina izy. 8 Nisy jiro maro tao amin'ny efitra agnambo ze natongavanay niaraka. 9 Teo amin'ny varavarankely no nipetra ty gaogna antsovina hoe: Eotika, ary de tegna tafandry teo. Raha nikoragna niaharitra i Paoly, io gaogna io de mbola nandry fogna, ary de latsaka avy taigny amin'ny rena fatelo ary nony natotra izy de hita fa maty. 10 Fa i Paoly nidigna, nagninjitra ny tagnany, ary namina an'azy. Avy teo izy niteny hoa: "Aza malaelo, fa mbola tsy maty izy." 11 De niakatra ndre izy avy teo ary nanapaka ny mofo sy ninana. Rafa avy nikoragna ela tam-jareo hatramin'ny mangiran-dratsy izy, de nande. 12 Nitondra le gaogna efa velona niverigna zareo avy tegna faly. 13 Tsika mitsy no nande nialô an'i Paoly tamin'ny sambo ary niondrana ho aigny Aso, fa aigny no irinay handraisana an'i Paoly. Zany no fagniriny atao, satria nagniry hande an-tanety izy. 14 Rafa nihaogna taminay tao Aso izy, de nentinay tamin'ny sambo izy ka nankaigny Mitylena. 15 Avy teo niondrana sambo zahay ary tonga tandrifin'ny nosy Kio ny amaraigna. Ny andro magnaraka de nitody tao amin'ny tananan'i Mileto. 16 Fa Paoly nanapa-kevitra ny hande sambo an'i Efesosy, mba tsy handeny fotôna ela aigny Asia izy, satria izy de maika ho aigny Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, raha azony atao ny magnano an'zany. 17 Avy aigny Mileto no nandefasany lehibe ho aigny Efesosy ary nampiantso ny loholon'ny fengonana hankeo amin'azy. 18 Rafa tonga tao amin'azy zareo, de niteny tam-jareo hoe: "Ny vatantegnanareo mafantatra, hatramin'ny andro vôlôny nagnitsaka an'i Asia, de nanakôry no nandaniako ny fotônako niaraka taminareo. 19 Za de nanompo ny Tompo tamin'ny fagnetren-tegna sy ranomaso, ary tao agnaty fijalena no nitranga taminà zany nony tetidratsin'reo Jiosy. 20 Anareo de mafantatra fa tsy nitana fangignana tamin'ny fagnambarana tam'nareo ze nahasoa za, sy ny fomba nampianarako an'nareo teo amason'ôla sy tamin'ny isan-tragno, 21 nitsanganako vavaolombelona teo am'reo Jiosy sy reo Jentilisa momba ny fibebana amin'Andriamanitra sy ny finona akao amin'i Jesosy Tompontsika. 22 Ary am'zao fotôna zao, de ho aigny Jerosalema za, notiren'ny Fanahy Masina ka tsy haiko ze ahazo anà aigny, 23 afa-tsy ze lazain'ny Fanahy Masina anà isaky ny tanana am'reo famatorana ny fijalena ze mandigny anà. 24 Fa za de tsy mievitra ny fiaignako hoe sarobidy, raha tsy efa navita ny fiazakazako sy ny asa fanompôko ze noraisiko avy tamin'i Jesosy Tompo, hitory ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25 Ary am'zao fotôna zao, fantatro fa anareo daôly, ze nagnambarako ny fanjakana, no tsy hahita anà tsony. 26 No zany de ambarako aminareo amin'ty andro ty, fa za de tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny ôla. 27 Fa tsy nasitriko taminareo ny fagnambarana ny sitrapon'Andriamanitra. daôly. 28 No zany de tandremo ny momba ny tegnanareo, sy momba an'reo ondry ze nampiandraiketin'ny Fanahy Masina an'nareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fengonan'Andriamanitra, ze novidiny tamin'ny ràny manokana. (Fagnamarina: "Tamin'ny ràny manokana" ny amin'ny antontan-taratasy manokana talô de mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny zanaka là manokana.") 29 Fantatro fa afaran'ny fandianako, de ho avy akeo aminareo reo ambôdia maseka ary tsy hitsitsy an'reo ondry. 30 Fantatro fa na de avy aminareo aza de hisy ôla ho avy ary hagnova ny marina mba hitarika reo mpiantra hagnaraka an'azy reo. 31 Koa mitandrema. Tsarovy fa nandritra ny telo taona za no tsy nijanona nampianatra ny tsiraikaraika avy aminareo andro aman'alina tamin'ny ranomaso. 32 Am'zao fotôna zao de ankigniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fasoavany nareo, ze afaka manangana sy magnome an'nareo ny lova akeo am'reo ze namasinina. 33 Tsy nagniry volafotsy, volamena, na lamban'ôla za. 34 Ny vatantegnanareo no nafantatra fa reto tagnako reto no nazahôko nilaiko ary reo nilain'reo ze niaraka tamianà. 35 Tamin'ny ra-daôly no nagnomezako ohatra an'nareo ny fomba tokony hagnampenareo reo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidinareo reo tenin'i Tompo Jesosy, de teny ze nolozainy hoe: "Mahasambatra koko ny magnome no ny mandray." 36 Rafa avy niteny an'zany izy, de nedongalika ary niara-nivavaka tamin'izy daôly. 37 Nisy fitomagnena be teo ary naminà an'i Paoly sy nagnoroka an'azy zareo. 38 Nalaelo ny maro tam-jareo tam-ze notaraviny hoe: "Tsy hahita anà ntsony anareo. Avy teo de nagnatitra an'azy taigny amin'ny sambo zareo.