Toko faha 17

1 Ary rafa nandalo reo tanànan'ny Anfipolia sy Apolonia zareo, de tonga tao am'tanànan'i Tesalonika zareo, ze nisy Synagogan'ny Jiosy. 2 Paoly, araka ny fomba fataony de nankeo am-jareo, ary niady hevitra niaraka tam-jareo avy ao amin'ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata intelo. 3 Nosokafany ny Soratra Masina ary nazavainy fa nilain'i Kristy ny nijaly sy hatsangana ndre am'maty. Ozy izy hoe: "Io Jesosy ze ambarako aminareo io no Kristy." 4 Resy lahatra ny sasagny tam'reo Jiosy ary nanaraka an'i Paoly sy Silasy, agnisan'zany reo mpivavaka Grika betsaka an'isa, ary tsy vitsy ny vevavy mpitarika. 5 Fa reo Jiosy tsy mpino nenti-pelonana de naka reo ôla ratsy fagna avy aigny an-tsena, nagnangona niaraka ny vahôka, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tragnon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahôka izy reo. 6 Fa rafa tsy hitany zareo, de notarin'jareo i Jasona sy ny rahalà hafa sasagny ho akeo agnolôn'ny manam-paefanan'ny tanàna, nitomany. "Reto leilà ze nampitsimbadika zao tontolo zao reto de tonga takeo iany kô. 7 Reto leilà ze nampandroson'i Jasona reto de manoitra ny didin'i Kaisara; miteny zareo fa misy mpanjaka hafa de i Jesosy." 8 Vôelingeligna ny vahôka sy ny manam-paefana teo am'tanàna rafa nareigny zany ra zany. 9 Fa rafa avy akeo ny manam-paefana nampagnano sy nampandô vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoka, avy akeo zareo nanavela an'jareo hande. 10 Nalefan'reo rahalà taigny Beria ny alin'iny i Paoly sy Silasy. Rafa tonga tany izy reo, de niditra tao am'synagogan'ny Jiosy. 11 Ary reo ôla reo de mihaja mandombolombo no reo aigny Tesalonika, fa nandray ny teny tamim-pahavonognan'ny saina daôly zareo, nandinika ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tegna zany tokô regny ra regny. 12 No zany de betsaka tam-jareo no nino, tao agnatin'zany ny vevavy Grika manan-kaja sasagny sy leilà betsaka. 13 Fa reo Jiosin'ny Tesalonika rafa nareigny fa i Paoly de nagnambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria iany kô, de nandeha tegny zareo ary nampitabataba sy nampikorontagna reo vahôka. 14 Ary avy hatraigny, reo rahalà nandefa an'i Paoly ho aigny an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanona teo. 15 Reo ze nitarika an'i Paoly nitondra an'azy hatraigny am'tanànan'i Atena. Raha namela an'i Paoly takeo izy reo, de nandramby torolàlana avy aminazy ho an'i Silasy sy Timoty mba hankaigny aminazy haingana araka ze ao atao. 16 Ary raha nandigny an'jareo taigny Atena i Paoly, de tonga tezitra takao agnatiny ny fagnany raha vô nahita ny tanàna feno sampy. 17 Ka niady hevitra takao am'synagoga niaraka tam'reo Jiosy sy reo hafa ze kô ny takao am'tôran'ny raharaham-barotra niaraka tam'reo ze teo. 18 Fa ny sasagny tam'reo filozofa Epikoreana sy Stoika iany kô nifanena taminazy. Ny sasagny nilaza hoe: "Ino no ten'io be resaka io ho lazaina?" Ny hafa nilaza hoe: "Tô ôtran'le raika ze miantso ny ôla hanaraka reo andriamanitra hafa izy," satria nitory an'i jesosy sy ny fitsanganana am'maty izy. 19 Naka an'i Paoly izy reo ary nitondra an'azy tao amin'ny Areopago, niteny hoe: "Afaka mamantatra zany fampenarana vaovao ze notaraviano zany ma zahay? 20 Fa mitondra ra hafa tsy fahareign'ny sofina enao. No zany, te hafantatra ny dikan'zany ra zany zahay." 21 (Ary ny Atenina daôly sy ny vahiny nipetraka de nandany ny fotôgnany tamin'ny tsy nisy fa iany kô tam'filazana na fihainoana momban'ny ra-vaovao.) 22 Ka nitsangana takeo ampovôgn'ny Areopago i Paoly ary niteny hoe: "Anareo leilàn'i Ateniana, hitako fa tegna relijiozy am'fomba daôly anareo. 23 Fa raha nandalo za ary nandinika ny tanjon'ny fomba fanompoam-pivavahanareo, de nahita alitara za misy ty soratra ity hoe: 'Ho an'Andriamanitra Tsy Fantatra. "Ino zany no hivavanareo akao am'tsy fantatra, zany no lazaiko aminareo. 24 Ny Andriamanitra ze nagnano zao tontolo zao sy ny ra-daôly akeo aminazy, satria Tompon'ny lagnitra sy ny tany Izy, tsy mipetraka akao agnaty tempoly vôorina tam'tagnana. 25 Na izy tsy notompona tam'tagnan'ôla, ôtran'ny nila ra izy, satria izy tegnany no magnome fiaignan'ôla sy ny fofon'aigna ary ny ra hafa daôly. 26 Avy am'ôla raika no nagnôvany ny firenena daôly ho an'ny ôla mba hiaigna akeo ambonin'ny tany, namaritra ny vanim-potônan'jareo sy nanendry ny toeram-ponenana ary ny andro iaignan'reo, 27 ka mba tokony hitsikaraka an'Andriamanitra izy reo, raha tô ka mety hatratra sy hahitra an'Azy zareo. Kanefa mbola tsy lavitra antsika tsiraikaraika avy Izy. 28 Satria tsika de mivelogna sy mihetsika ary magnana ny maha-izy antsika, sala'ny notenenin'ny raika amin'ny mpagnano tonokalonareo manokana hoe: "Fa taranagny ihany kô tsika." 29 No zany, satria zanak'Andiamanitra tsika, tsika de tsy tokony hieritreritra fa ny hatsaran'ny fombany de mitovy am'volamena, na volafotsy, na sary-vongana ze noforonina avy am'asa tagnana sy aingam-pagnan'olombelona. 30 No zany de tsy tsarovan'Andriamanitra ny fotôn'ny tsy fahalalana, fa am-zao mandidy ny ôla daôly mba hibebaka izy. 31 Zany no izy satria nametraka andro izy hoe ovena no hitsara an'zao tontolo zao am'fahamarinana am'alalan'ny ôla ze nofidiny. Nagnome porofon'io leilà io tam'ôla tsiraikaraika tam'alalan'ny fananganana an'azy tam'maty Andriamanitra. 32 Ary rafa nahareigny ny fitsanganana am'maty ny ôlan'i Atena, de nagneso an'i Paoly ny sasagny; fa ny sasagny nilaza hoe: "Hihaino an'nao ny momba an'zany ra zany zahay." 33 Tafaran'zay, nandalo an'azy reo i Paoly. 34 Fa ny sasagny tam'ôla nanaraka an'azy ary nino, atao agnatin'zany i Dionysio Aeropagita, vevavy antsovina hoe Damary, ary ny sasagny niaraka tam-jareo.