Toko faha 10

1 Ary nisy leila raika tao an-tananan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin'reo antoko Maramila Italiana. 2 Leila mpivavaka izy ze midera an'Andriamanitra niaraka amin'ny fianakavena daôly: nagnome vola betsaka an'reo ze teo agnatin'ny fasahiranana izy, ary nivavaka isan'andro isan'andro tamin'Andriamanitra. 3 Tokony tamin'ny ora faha sivy ampôlakeka teo, no nahita fahitana tamin'ny fahian'ny anjelin'Andriamanitra nagnatogna an'azy izy. Le anjely niteny tamin'azy hoe: "Ry Kornelio!" 4 Kornelio nitodika tam'le anjely ary tegna reki-tatra ka niteny hoe: "Fa ino ty tompoko?" le anjely niteny tam'azy hoe: Ny vavakao sy ny fagnomezanao ho an'ny mahantra de tafakatra ho fagnati-patserovana akeo agnatrehan'Andraiamanitra. 5 Ary magnirà leila hankaigny amin'ny tananan'ny Jopa mba hiaka an'le leila raika atao hoe: Simona izy, ze antsovigna hoe Petera. 6 Mipetraka miaraka amin'ny mpandoko hoditra antsovigna hoe Simona izy, ze aigny amoron-dranomasina ny tragnony. 7 Rafa lasana le anjely ze nirasaka tam'azy, de nagnantso ny rôy tamin'ny mpanompony tao an-dragno i Kornelio, ary miaramila mpivavaka raika tam'reo ze nanompo an'azy. 8 Kornelio nilaza tam-jareo ze ra nitranga daôly ary nandefa an'azy reo taigny Jopa. 9 Ary ny amaraigna tokony tamin'ny ora faha enina teo, raha mbola taigny an-dalana zareo ka nagnatogna ny tanàna, de niakatra taigny ambony tafontragno i Petera mba hivavaka. 10 Nanomboka nôna izy avy teo ka nikarakara ra ho anina, kanefa raha mbola teo am-pandraôna ahanina ny ôla de nahita fahitana izy, 11 ary natazagna ny lagnitra nisokatra izy sy fitahirizana raika nidigna, salan'ny lamba be midigna aty an-tany am-pidignina amin'ny zorony efatra. 12 Tao no nisy karazam-biby manantobotra efatra sy ra ze mandady daôly ambony tany, ary ny vorogn'ny lagnitra. 13 De nisy feo niteny hoe: "Mitsangana, ry Petera, mamono ary minàna." 14 Fa i Petera niteny hoe: "Tsia, Tompoko fa mbola tsy ninana ra ze vôrara sy tsy madio mitsy za." 15 De tonga tamin'ny fagnidrôiny ndre le feo hoe: "Ze nodovin'Andriamanitra, de tsy atao hoe fady." 16 Nibôgna intelo zany, ar avy teo le fitairizana de niverigna niakatra teo no eo taigny an-dagnitra. 17 Ary rafa very hevitra momba ny dikan'le fahitana ze hitany i Petera, de io reo leila ze nalefan'i Kornelio nitsangana nagnolôna ny vavahady avy teo zareo de nagnontany ze lalan-jareo nankao an-dragno. 18 De nagnantso zareo ary nagnotany an'i Simona, nantsoina ihany kô hoe Petera, ze nijanona teo. 19 Raha mbola nieritreritra momba an'le fahitana i Petera, de niteny tamin'azy ny Fagna hoe: "Io leila telo mivavaka an'nao. (Fagnamarihana: Ny amin'ny dikan-teny talô de hoe: "Leila rôy no mikaraka an'nao" na misy leila sasagny mikaraka an'nao.) 20 Mitsangana ary midigna ka miarà amin-jareo. Aza misalasala miaraka amin-jareo, satria za no nandefa an'azy reo. 21 Ary Petera nidigna taigny am'reo leila reo ka niteny hoe:" Za le karanareo. Ino ny antony natongavanareo?" 22 Ozy zareo hoe: "Ny kapiteny antsovina hoe: Kornelio, leila marina ary ôla ze midera an'Andriamanitra, ary tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy daôly, ze nolazain'ny anjely masin'Andriamanitra mba hampiakatra an'nao ho aigny an-dragnony, no zany de afaka mitaino ny hafatra aminao izy. 23 De nagnasa an'azy reo hiditra sy hijanona hiaraka amin'azy Petera. Ny amaraigna ampôlakekan'igny de nitsangana izy ka niaraka tam-jareo, ary ny sasagny tam'reo rahala avy aigny Jopa de nagnaraka an'azy. 24 Ny andro magnaraka de nanakao Kaisaria zareo. Kornelio de nandigny an'azy reo, nantsoviny niaraka ny havany sy ny namany ankeky. 25 Ary tam'zany rafa niditra Petera, nifankahita tamin'azy i Kornelio ary niankotra teo an-tongony mba hidera an'azy. 26 Fa Petera nagnampy an'azy niteny hoe: "Mitsangana! Za de ôla ihany kô. 27 Raha mbola niresaka niaraka tamin'azy Petera, de niditra izy ary natazagna ôla marobe nitangorogna. 28 Ozy izy tam-jareo hoe: "Ny tegnanareo mafantatra fa tsy ara-dalana ho an'ny Jiosy ny miar-miasa na mitsidika ôla avy amin'ny firenena hafa. Fa Andriamanitra nampisiho taminà fa tsy tokony hagnantso ôla hoe: fady na tsy madio. 29 Zany no antony natongavako tsisy sakasakana, rafa nasainy za. Ka magnotany an'nareo za hoe nagnino anareo no nagnasa anà nakaty." 30 Kornelio niteny hoe: "Efatra andro talôn'zao ora zao, de nivavaka tao an-dragnoko za tamin'ny ora faha sivy, ary nahita leila raika nitsangana teo agnolônako nagnano akanno mamirapiratra. 31 Ozy hoe: "Ry Kornelio, efa reignin'Andriamanitra ny vavakao ary reo fagnomezana ho an'reo mahantra de mampatsiaro an'Andriamanitra ny momba an'nao. 32 No zany de magnirà ôla ho aigny Jopa, ary antsovo mankaigny aminao le leila atao hoe: Simona ze antsovina hoe Petera. Mipetraka akao an-dragnon'i Simona mpandon-koditra antsovina hoe: Simona izy, ze akao amoron-dranomasina. (Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô de magnampy hoe: "Rafa tonga izy de hikoragna amina.) 33 Ary avy hatraigny de nalefako taigny aminao. Tsara ny fatongavanao. Ary am'zao fotôna zao tsika daôly tonga aketo amason'Andriamanitra, mba hitaino an'reo ze nolazain'ny Tompo taminareo. (Fagnamarihana: "Raha tokony hoe: nolazain'ny Tompo no tenenina" na eo, de ny dikan-teny talô de hoe: "nolazain'Andriamanitra no tenenina.") 34 Avy teo de nisoka-bava Petera ary nagnano hoe: "Marina tokôtra, fantatro fa Andriamanitra tsy mitagnila na amin'iza na amin'iza. 35 Fa kosa, ze firenena tsiraikaraika na iza na iza midera sy magnano aza marina de ikeny daôly. 36 Hainareo le hafatra ze nalefany ho an'ny zanak'Israely, rafa nagnambara filazantsara momba ny fiadanana avy amin'ny alalan'i Jesosy kristy izy, ze Tompon'ny daôly. 37 Anareo de nafatatra reo ra nibôgna, ze tegna nitranga tao amin'ny tôrana daôly teo Jodia nanomboka taigny Galilia, tafaran'ny batisa ze nagnambaran'i Jaona; 38 reo ra-nibôgna mikasika an'i Jesosin'ny Nazareta, ny fomba nagnosoran'Andriamanitra an'Azy tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny hery. Nande nagnano sao Izy sady nagnasitrana an'reo ze vôgejan'ny devoly, satria Andriamanitra de niaraka tamin'Azy. 39 Tsika de vavolombelon'reo ra-vitan'i Jesosy daôly taigny amin'ny tanin'ny Jiosy sy taigny Jerosalema. Novonon'jareo Izy tamin'ny alalan'ny fagnantognana an'Azy tamin'ny kakazo, 40 fa Andriamanitra nanangana an'Azy tamin'ny andro fatelo ary nagnano ze hahitana an'azy, 41 tsy reo ôla daôly, fa reo vavolombelona ze vôfidin'Andriamanitra mialô - tamintsika ze ninana sy nisotro niaraka tamin'Azy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 42 Nandidy an'nay izy mba hagnambara amin'ny ôla sy hitsangana vavolombelona fa izy le raika nofidin'Andriamanitrra ho Mpitsaran'ny velona sy ny maty. 43 Ho an'Azy no hitsanganan'ny mpaminagny vavolombelona mba ho reo ze mino an'azy no handray famelan-keloka amin'ny alalan'ny agnarany. 44 Raha mbola niteny an'zany ra zany i Petera, de nilatsaka tam'reo ze nitaino ny teniny ny Fanahy Masina. 45 Reo ôla tao agnatina'ny vondron'ny mpino vôfora reo ze niaraka tamin'i Petera daôly de gaga, satria ny fagnomezan'ny Fanahy Masina de narotsaka ho an'ny Jentilisa kô. 46 Fa reign'jareo reo Jentilisa ze niteny am'reo fiteny hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. De namaly Petera hoe: 47 Anga ma misy ôla afaka mitana rano mba tsy hagnanôvana batisa an'azy reo, reo ôla ze nadray ny Fanahy Masina ôtra antsika kô? 48 De nandidy an'azy reo mba atao batisa amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka an'azy zareo mba hipetraka hiaraka am-jareo mandritra ny andro vitsivitsy.