Toko faha 3

1 Am-zao fotôgna zao, ry malala, manoratra ho an'nareo ity taratasy faro ity za ho fampatsiaivana nindesina hamporisina ny saignanareo madio, 2 mbo hatsiarovanao reo teny nolazain'ny mpaminagny masina teigny talô sy ny didin'ny Tompo sy Mpamojy an'ntsika ze namen-reo Apostolinareo. 3 Fantaro alô zao, fa ny mpaniratsira de ho avy amin'ny andro farany. Zareo de habôgna ary hande araka ny filàn-jareo manokana. 4 Zareo de hitare hoe: "Aiza ny fampagnantenana ny amin'ny fiveregnany? Fa hatrizay noden'ny razambe mandry, de tsy nova ny ra daôly, eny fa hatramin'ny fiantoboan-zao tontolo zao aza." 5 Zareo de minia magnadino fa ny lagnitra sy ny tany de nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotona ela, 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'reo ra reo, nandravàna ny tontolo tam-zany fotôgna zany, tamin'ny tondra-drano. 7 Fa am-zao fotôgna zao ny lagnitra sy ny tany de natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io iany. Zareo de vôtokana ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny ôla ratsy fagna. 8 Ôka tsy ho adinonareo, ry malala, fa ny indray andro amin'ny Tompo de ôtran'ny arivo taona, ary ny arivo taona de ôtran'ny indray andro. 9 Ny Tompo de tsy ela amin'ny fagnatanterana reo fampagnantenany, araka ze lazain'ny sasagny ho fahelany. Fa kosa, Izy de maharitra aminareo. Tsy tiny hisy ho very anareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebana ny daôly. 10 Na zany aza, ho avy ôtran'ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitra de hanjavona miaraka amin'ny feo mafy. Ny ra daôly de ho main'ny afo, ary ny tany sy reo asa akao am'azy de hambara. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny sasagny de mivaky ôtran-zao: "Ny ra daoly de ho main'ny afo, ary ny tany sy reo asa akao am'azy de ho dorôna daôly."] 11 Ka raha ho levona ôtran-zany zao ra daôly zao, de tokony ho ôla manakôry ma anareo? Tokony hiaigna amin'ny fahamasinana sy ny fiaignana araka an'Andriamanitra anareo. 12 Tokony hagnantegna ary hampalaky ny fiavin'ny andron'Andriamanitra anareo. Am-zany andro zany, ny lagnitra de ho levon'ny afo, ary ny ra daôly de hiempo amin'ny hafagnana be. 13 Fa araka ny fampanantenany, de miandry ny lagnitra vaovao sy tany vaovao tsika, ze hitôran'ny famarinana. 14 No zany, ry malala, satria magnantegna zany ra zany anareo, magnanôva ny tsara ndrindraka avy aigny aminareo mba tsisy pentina sy tsy hagnan-tsigny akeo agnatrehany, am-pedanana. 15 Ary zao kô, eritrereto ny faretan'ny Tompontsika amin'ny famonjena, ôtran'ny nosoratan'i Paoly rahalà malalantsika taminareo, araka ny fahendrena ze namena an'azy. 16 Paoly de mikoragna zany ra zany akao amin'ny taratasiny daôly, ze misy ra sarotra takarina. Ôla tsy misy falalana ary tsy miorina no magnova regny ra regny, ôtran'ny hagnanôvany reo soratra masina hafa iany kô, ka matonga faverezana ho an'ny tegnany. 17 No zany, ry malala, satria fantatrareo zany ra zany, de tandremo ny tegnanareo mba tsy ho vôfandriky ny fitakin'ny ôla ratsy fagnahy ka ho very ny famarinanareo. 18 Fa mitomboa amin'ny fasoavana sy ny falalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho an'azy anie ny voninahitra am'zao ary mandrakizay. Amena!