Toko faha 7

1 Ry malalako, hatramin'ny nanagnantsika an'reo teny fikasana de aoka tsika hagndio ny tegnantsika amin'ny ra daôly ze matonga falotôna akeo amin'ny vatagna sy ny fanahintsika. Aoka tsika hikatsaka ny famasinana amin'ny fatahôrana an'Andriamanitra. 2 Raiso zahay! Fa tsy nagnano ratsy tam'zany izy. Tsy nandratra na nagnanbaka n'iza n'iza zahay. 3 Tsy hagnameloka an'reo no hitinenako an'zao. Fa efa nolazaiko fa akao amponay nareo, fa miara-laty ary miara-belona tsika. 4 Managna fatokisana be an'nareo za, ary mirearea nony aminareo. Feno fiononana za. Mihô-pampagna ny hafaleko na de akao aza ny fampahorena maro. 5 Rafa tonga taigny Makedonia zahay, tsisy tany niaignana ny tegnanay. No zany, tegna ory tamin'ny endrika maro zahay, no ny fifandirana taigny ivelagny sy ny tatra takao agnaty. 6 Fa Andriamanitra, ze mapaery ny kivy de nampaery an'nay tamin'ny fatongavan'i Titosy. 7 Tsy tamin'ny fatongavany fôgna no nampaerezan'Andriamanitra antsika. Fa tamin'ny fampaerezana ze noraisin'i Titosy avy tamin'nareo. Miteny an'tsika izy amin'ny habeazan'ny fitiavanareo, ny alaelonareo, ary ny fiahianareo anà mafy. Ka faly madrakariva za. 8 Na de nampalahelo an'nareo aza ny taratasiko, de tsy manengnina ntsony, na de efa nanegnina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalaelo an'nareo ny taratasiko izany. Fa nalaelo tamin'ny fotôna foika anareo. 9 Am'zao fotôna zao de faly za, tsy hoe satria ory nareo, fa ny alaelonareo no nitondra an'nareo ho amin'ny fibebana. Anareo de niaigna ny fahoriana akao amin'Andriamanitra, ka tsy nisy very ny nijalenareo ho an'nay. 10 Ny fahorena akao amin'Andriamanitra de mitondra amin'ny fibebana ny mba hantanteraka ny famonjena tsisy fanegnenana. Na zany aza, ny alahelon'zao tontolo sao, de mitondra fafatesana. 11 Zahao ny vokatry ny fikirizanareo tamin'ny fahorena tao amin'Andriamanitra. Geda tokotra ny fikirizana tao amin'nareo mba hagnaporofona fa tsy manan-tsiny anareo. Geda tokotra ny fasorenanareo ny tatranareo, ny alaelonareo, ny fotom-ponareo, ary ny fagnirinareo ahitany famasinana ze tokony atao. Amin'ny ra daôly de nagna-porofo tamin'ny tegnanareo anareo mba tsy meloka am'zany raharaha zany. 12 Na de nanoratra tamin'nareo aza Za, Izaho de nanoratra ho an'reo mpagnano ratsy, na ho an'ny raika ze miharitra ny ratsy. Nanoratra za mba tokony hampafantarana ny fazotoanareo teo aminay akeo agnatrehan'Andriamanitra. 13 Tamin'ny alalan'zany no nampaereana an'nay. Mihôtra non'ny fampaerezana ze efa anagnanay, nihoa-pampagna ny fifalenay non'ny fifalen'i Titosy, satria ny fagnahiny de velombelona noho ny aminareo daôly. 14 Raha ôtra ka nirehare taminy ny momba an'nareo za, de tsy mba afa-baraka za. Mifanotra am'zany, reo ra daôly ze noteneninay taminareo de marina avokô, ny fireharehanay momba an'nareo tamin'i Titiso de vôporofo fa marina. 15 Ny fitiavany an'naro de leibe koko, salan'ny natserovany ny fankatoavanareo daôly, Endrey ny fandraisanareo an'azy tamin'ny tatra sy hovita. 16 Faly za satria managna fatokisana tanteraka taminareo.