Toko faha 6

1 Ôka reo daôly ze akao ambany zoga ôtran'reo andevo mba hagnano ny tompony ho mendrika ny haja daôly. Izy reo de tokony hagnano an'zany mba tsy hitenenana ratsy ny agnaran'Andriamanitra sy ny fampenarana. 2 Reo andevo ze managna tompo mino de tsy tokony hagnano tsinotsinona an'jareo satria mpirahalà aminazy. Fa kosany, zareo de tokony hanompo an'reo hatraigny amin'ny farany. Fa reo tompo ze nampena tamin'ny asan'jareo de mpino sady tiavina. Ampenaro ary ambarao re ra reo. 3 Hevero fa ny ôla de mampianatra am'fomba hafa ary tsy magneky ny fagnatorontsika ara-pinoana, ze tenin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa zareo de tsy magneky ny fampenarana ze mitondra aigny am'toetra araka an'Andriamanitra. 4 Zany ôla zany de mirehareha ary tsy mahalala na ino na ino. Fa kosany, izy de adalan'reo adihevitra sy reo fandresen-datra momba an'reo teny. Iregny teny regny de miteraka felonana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5 ary ny fifandonana akeo am'reo ôla maloto fisainana. Miala am'marina izy reo. Mevitra izy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena. (Fagnamarihana: Ny fandikana talô sasagny de magnampy hoe: "Miala am'ra salan'zany." Fa ny fandikana talô tsara indrindra de tsy magnampy an'zany.) 6 Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka am'fafam-po de tombony leilbe. 7 Satria tsika de tsy nitondra na ino na ino am'zao tontolo zao. Tsy hahavita hitondra na ino na ino tsika. 8 Fa kosany ôka tsika ho afa-po am'hanina sy ny fitafena. 9 Ary reo ze te ho lasana mpanan-karena de latsaka akao agnatin'ny fakam-pagna, akao agnatin'ny fandrika. Latsaka tao agnatin'ny hadalana sy reo filàna mampidi-doza maro zareo, ary iany kô reo hafa mandetika reo ôla akao am'faharavana sy ny fandriganana. 10 Satria fototr'reo karazan-dratsy daôly ny fitiavam-bola. Ny ôla sasagny ze magniry an'zanyy d'efa vôvily niala tam'finoana ary nanindrogna ny tegnan'jareo tam'fahorena leibe. 11 Fa enao, ry leilan'Andriamanitra, milifasa an'reo ra reo. Mezàha mikaraka ny famarinana, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fatokisana, ny fitiavana, ny faretana ary ny hatsaram-pagna. 12 Miade ny ady tsaran'ny finoana. Tano ny fiaignana madrakizay fa ho am'zany no netsovana an'nao. Zany de momba ny nijorônao vavolombelona ny am'ze inoanao takeo agnatrehan'reo vavolombelona maro tam'ze tsara. 13 Za de magnome an'nao zany didy zany aketo agnatren'Andriamanitra, ze natonga ny ra daôly ho velona, ary akeo agnatrehan'i Kristy Jesosy, ze nilaza ny marina teo agnatren'i Pontio Pilato hoe: 14 Tahirizo tsara ny didy, tsy manan-tsiny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy. 15 Andriamanitra de maneho ny fisehoany am'fotôna tokony ho izy - Andriamanitra, le raika ze notahina, le Mpanjaka ze manjaka, ary le Tompo ze manapaka. 16 Izy reo iany no managna ny tsy fafatesana ary mipetraka akeo am'hazavana tsy azo hagnatognana. Tsisy olombelona mahita an'azy ny afaka mijery an'Azy. Ho an'azy anieo ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena. 17 Lazao ny mpanan-karena am'zao tontolo zao mba tsy hirehareha, sy magnantegna ny harena, ze tsy azo antoka. Fa kosany, tokony hagnantena an'Andriamanitra zareo. Magnome antsika ny harena marina daôly Izy mba hifaliantsika. 18 Lazao izy reo mba hagnano ny tsara, mba hanan-karena am'asa tsara, mba alala-tagnana, ary vonona hizara. 19 Am'zany fomba zany, de ho terizin'jareo ny fototra tsara ho an'ny tegnany am'ze ho avy, ka hitana ny tegna fiaignana. 20 Ry Timoty, arovy ze natolotra an'nao. Helao ny resaka adala sy ny fandresen-datra mifanotra momba ny fentsôna diso ny am'ze atao hoe falalana. 21 Ny ôla sasagny de magnambara an'zany ra zany ka de tsy natsiaro ny finoany zareo. Ho aminareo anie ny fasoavana.