Toko faha 5

1 N'iza n'iza mino fa i Jesosy no Kristy naterak'Andriamanitra, ary n'iza n'iza te ny Ray ihany kô de te ny zanaka naterany. 2 No zany no afantarantsika fa tentsika reo zanak'Andriamanitra: rafa te an'Andriamanitra sy magnatanteraka reo didiny tsika. 3 Satria zany no fitiavana ho an'Andriamanitra de ny hagnatanterantsika reo didiny. Ary reo didiny de tsy mavesatra. 4 Fa ny ôla daôly ze naterak'Andriamanitra de mandresy an'zao tontolo zao. Ary zany de fandresena ze efa nandresy an'zao tontolo zao: ny finôntsika. 5 Iza le raika ze mandresy an'zao tontolo zao? Le raikaze mino fa i Jesosy de Zanak'Andriamanitra. 6 Zany de le tonga tamin'ny rano sy rà: Jesosy Kristy. Izy de tonga tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy rà. 7 Fa misy telo ze mijoro vavolombelona: 8 Ny Fagna, ny rano, ary ny rà. Reo telo reo de mifanaraka. [Fagnamarinana: Ny dikan-teny talô sasagny de mivaky ôtran'zao: "Fa misy telo ze mijoro vavolombelona aigny an-dagnitra: ny Ray, sy ny Teny, ary ny Fanahy Masina; ary reo telo reo de raika. Ary misy telo ze mijoro vavolombelona aketo ambonin'ny tany: Ny Fagna, ny rano, ary ny rà; ary reo telo reo de ôtran'ny raika." Na zany aza, reo dikan-teny tsara indrindra de tsy mivaky salan'zany.] 9 Raha mandray ny fijorôna vavolombelon'ny ôla tsika, de ho geda kokoa ny fijorôna vavolombelon'Andriamanitra. Fa ny fijorôna vavolombelon'Andriamanitra de zao: izy de mijoro vavolombelona makasika ny Zanany. 10 N'iza n'iza mino ny Zanak'Andriamanitra de managna fijorôna vavolombelona akao am'ze tegnany. Ze tsy mino an'Andriamanitra de magnano an'Azy ho mpandainga, satria izy de tsy nino ny fijorôna vavolombelona ze efa namen'Andriamanitra makasika ny Zanany. 11 Ary ny fijorôna vavolombelona de zao: Andriamanitra de nagnome antsika fiaignana mandrakizay, ary zany fiaignana zany de akao am'Zanany. 12 Le raika ze managna ny Zanaka de managna ny fiaignana. Ny ôla ze tsy managna ny Zanak'Andriamanitra de tsy managna fiaignana. 13 Efa nagnoratra reto ra reto ho an'nareo za mba hafantaranareo fa managna ny fiaignana mandrakizay nareo ho an'nareo ze mino ny agnaran'ny Zanak'Andriamanitra. 14 Ôtran'zany ihany kô; zao no fifagnekena ze anagnantsika akeo agnatrehany, fa na ino na ino angatantsika araka ny sitrapony, de mareigny antsika Izy. 15 Ôtran'zany ihany kô, raha fantantsika fa mareingy antsika Aminy-de fantantsika fa azontsika ze daôly nangatantsika tamin'azy. 16 Raha misy ôla raika mahita ny rahalany magnano fahotana ze tsy miteraka fafatesana, tsy maintsy mivavaka izy, ary Andriamanitra de hagnome fiaignana ho an'azy. Za de mampità reo ze managna fahotana tsy miteraka fafatesana. Misy fahotana ze miteraka hafatesana; tsy mety za hoe tokony hivavaka am'zany izy. 17 Ny tsy famarinana de fahotana, nefa misy fahotana tsy miteraka fafatesana. 18 Fantantsika fa n'iza n'iza naterak'Andriamanitra de tsy manota. Nefa le raika ze naterak'Andriamanitra de miaro ny tegnany, ary ny ratsy de tsy afaka ny akasika an'azy. 19 Fantantsika fa avy amin'Andriamanitra tsika, ary zao tontolo zao de mipetraka akao amin'ny ratsy. 20 Kanefa fantantsika fa ny Zanak'Andriamanitra de efa tonga ary efa nagnome antsika fazavan-tsaigna mba afatarantsika le raika ze tegna marina. Salan'zany ihany kô, tsika de akao amin'le raika ze marina, akao amin'i Jesosy Krisy Zanany. Izy no Andriamanitra marina ary fiaignana mandrakizay. 21 Anaka, arovy am'reo sampy ny tegnanareo.