Toko faha 9

1 Tsy ôla afaka ma za? Tsy apostoly ma za? Tsy natazagna an'i Jesosy Tompontsika ma za? Tsy asako akao amin'ny Tompo ma nareo? 2 Raha tsy apostoly ho an'ny hafa za, de farafaratsiny Apostoly ho an'nareo. Fa nareo no porofo amin'ny maha-Apostoly anà akao amin'ny Tompo. 3 Zao no ferovako am-reo ze manadiady anà: 4 Nga ma zahay tsy mahazo alalana ny ihinana sy isotro? 5 Nga ma zahay tsy mahazo mitondra vady ze mpino, ôtrany ataon-reo Apostoly sasagny, sy reo rahalàn'ny Tompo, ary Kefasy? 6 Sa Barnabasy sy za rerika no tsy maintsy miasa? 7 Iza no magnano fanompoana miaramila amin'ny fandaniny manokana? Iza no mamboly vôloboka ary tsy mihinana ny vôny? Na iza no miambina ondry ka tsy misotro ny ronono avy am-zany? 8 Nga ma za milaza reo ra reo mifototra amin'ny fahefan'ny olombela? Tsy milaza an-zany kô ma ny lalàna? 9 Fa zany de efa vôsoratra akao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Aza asena fehi-vava ny omby rafa miely voa izy." Tegna le omby tokôtra ma no hiahian'Andriamanitra? 10 Tsy mikoragna momba an'nay ma izy? Efa nosoratana ho antsika, fa ze miasa tany de tokony hiasa amin'ny fanatenana, ary ze mively de tokony hively amin'ny fanantenana ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11 Raha namafy ra ara-pagna takeo aminareo zahay, nga be lôtra aminay ma ny mijinja ra ara-materialy avy aminareo? 12 Rafa mampihatra zany zo zany avy aminareo reo hafa, nga ma zahay tsy managna mihôtra? Na de zany aza, tsy nitaky zany zo zany zahay. Fa kosa, naleonay niaritra ny ra daoly salan-ze ho sakana ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13 Nga ma tsy fantatrareo fa ireo ze manompo akao amin'ny tempoly de mahazo ny sakafon-jareo avy akao amin'ny tempoly? Ary nga ma tsy fantatrareo fa reo ze manompo akaigny amin'ny alitara de mahazo anjara am-ze natao fanatitra teo amin'ny alitara? 14 Salan-zany kô, ny Tompo de nandidy fa reo ze mitory ny filazantsara de tokony hahazo ny fivelôman-jareo avy amin'ny filazantsara. 15 Nefa tsy nitaky ny raika tam-reo zo reo za. Ary tsy manoratra an-zao za mba mety hisy ra hatao ho anà. Aleoko maty toy 'zay hisy ôla hangala aminà zany rehareha zany. 16 Fa raha mitory ny filazantsara zà, de tsisy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy magnano an'izany zà. Ary loza ho anà raha tsy mitory ny filazantsara! 17 Fa raha magnano an'izany an-tsitrapo zà, de managna valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo kosa, de mbola managna ny andraikitra ze nankinina taminà zà. 18 Ino ary zany no valisoko? Zany de rafa mitory zà, de afaka manolotra ny filazantsara tsisy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara. 19 Fa na de afaka amin'ny daôly aza za, de tonga no mpanompo ho an'ny daôly,mba hazaôko betsaka kokoa. 20 Takeo amin'ny Jiosy de lasa salan'ny Jiosy zà, mba hazaôko ny Jiosy. Teo am-reo ze ambanin'ny lalàna, de lasa salan'ny ôla ze ambanin'ny lalàna za mba hazaôko reo ze ambanin'ny lalàna. Nagnano an'izany za na de tsy takeo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako. [Fanamarihana: Ny baiboly ULB sy ny UDB de mivaky hoe: "Nagnano an'izany za na de tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako." Ny dikan-teny talô sasagny de tsy manisy an'izany.] 21 Tam-reo ze avelan'ny lalàna, de lasana salan'ny ôla avelan'ny lalàna za, na de tsy avelan'ny lalàn'Andriamanitra aza ny tegnako, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nagnano an'izany za mba hazaôko ireo ze ambanin'ny lalàna. 22 Teo am-reo malemy de lasa malemy zà, mba hazaôko reo malemy. Tonga ra daôly ho an'ny ôlo daôly zà, mba hamonjeko ny sasagny amin'ny fomba daôly. 23 Magnano ny ra daôly za ho an'ny filazantsara, mba hazaôko mandray anjara am-reo fitahian'izany. 24 Nga ma tsy fantatrareo fa amin'ny fiazakazana raika ny mpiazakazaka daôly de magnano ny fiazakazana, nefa raika iany no mahazo ny loka? Ka miazakaza mba hahazo ny loka. 25 Ny atileta raika de mampiatra ny fifehezan-tegna amin'ny fagnazaran-tegna daôly. Magnano an-zany zareo mba handray satro-boninahitra ze mety maratra, kanefa kosa tsika miazakazaka mba azahôntsika satro-boninaitra tsy mety maratra. 26 Ka no zany de tsy miazakazaka amin'ny tsisy antony zà na mamely tombokondry amin'ny rivotra. 27 Fa feheziko ny tegnako ary ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tegnako, rafa avy nitory tamin'ny hafa zà.