Toko faha 8

1 Ary makasika ny ahanina atao sorogna ho an'ny sampy fantatsika fa: "Tsika daôly de manam-palalana." Ny Falalana mampiendaenda, fa ny fitiavana manangana. 2 Raha misy ôla raika mihevitra ny tegnany fa mafanta-dra, de mbola tsy mafantatra araka ze tokony hafantarany akory zany ôla zany. 3 Fa raha misy ôla raika te an'Andriamanitra, de fantany zany ôla zany. 4 Fa raha ny makasika ny finanana anina natao sorogna ho an'ny sampy de fantatsika fa "ny sampy aketo am-zao tontolo zao de tsinontsinona" ary "fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy raika iany." 5 Fa mety misy reo mody antsovina hoe andriamanitra, na akaigny an-dagnitra na aketo an-tany, salan'ny habetsan-reo "andriamanitra" sy ny habetsan-reo "tompo." 6 Fa ho antsika, "Raika iany no Andriamanitra de le Ray, ze avy aminy ra daôly, ary Izy no antony hivelomantsika, ary raika no Tompo Jesosy Kristy, ze tamin'ny alalany no nisian'ny ra daôly, ary tamin'ny alalany no nisiantsika." 7 Na zany aza, ny falalana zany de mbola tsy akao amin'ny tsiraikaraika. Fa kosa, ny sasagny takeo alô de nampiatra ny fanompôn-tsampy, de nignana izany anina zany ôtran'ny ra natao sorogna ho an'ny sampy zany. No zany de simba ny fieritreretan-jareo satria malemy izany. 8 Fa tsy ny ahanina no hanolotra antsika akeo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy ndrindra tsika raha tsy mignana, na kô hoe tsara raha mignana an-zany. 9 Tandremo mba tsy ny halalanareo no antony hatônga reo ôla osa ara-pinogna ho tafitohina. 10 Fa atôvy salan'ny hoe misy maita anao, ze manam-palalana, mignana ny anina akao amin'ny fengonan'ny sampy. Tsy ny falemen'ny feritreretany ma no nasahiny hignana ze natolotra ho an'ny sampy? 11 Nony falalanao ny toetra marina momba ny sampy, de very le rahalà malemy finogna, ze nafatesan'i Kristy. 12 No zany, rafa manota amin'ny rahalànareo nareo ka mandratra ny saina malemin'izy reo, de manota manoitra an'i Kristy anareo. 13 No zany, raha ny anina no matonga ny rahalàko ho tafitohina, de tsy hinan-kena intsony za, mba tsy avy aminà no halavo ny rahalàko.