Toko faha 14

1 Mikara fitiavana ary ôka ho be zotom-po amin'reo fagnomezam-pagna, indrindra fa ny mba haminagnianareo. 2 Fa ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de tsy miresaka amin'ôla fa amin'Andriamanitra. Fa tsisy mahazo an'azy satria miresaka ra-misitrika akao amin'ny fagna izy. 3 Fa ze maminagny de miresaka amin'ôla mba ho fananganana an'jareo, famporisiana an'jareo,ary fampiononana an'jareo. 4 Ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de magnorina ny tegnany, fa ze maminagny de magnorina fengonana. 5 Am'zao de magniry daôly anareo hitare amin'ny fiteny tsy fantatra. Fa mbôla miôtra no zany aza, magniry Za ny haminagninareo. Ze maminagny de geda kôkô no ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra (raha tsy hoe misy ôla raika mandika teny ka mba manjary hanaganan'ny fengonana). 6 Fa am-zao, ry rahalà, raha tonga akeo aminareo amin'ny fiteny tsy fantatra za, ino no tombon-tsoa omeko anareo am-zany? Tsy afaka za, raha tsy hoe miresaka aminareo amin'ny fagnambarana, na falalana, na faminagnina, na fampenarana. 7 Raha mamôka feo reo ra-magneno tsy manan'aigna ôtran'ny sodina na lokanga ary tsy mamôka lantom-peo samihafa reo, akôry no hafantaran'ny ôla ze melodia avôkan'ny sodina na ny lokanga? 8 Fa raha magnano feo hafahafa ny trompetra, akôry no hafataran'ny ôla rafa fotôgna hiomanana amin'ny ady? 9 Ka salan'zany ihaigny kô ny aminareo. Raha tsy mazava ny tegny avôkan'ny vavanareo, akôry no hafantaran'ny ôla ze nolazainareo? Hitegny nareo, ary tsisy hahazo an'zany anareo. 10 Misy fiteny betsaka samihafa aketo am-zao tontolo zao, ary tsisy am-regny no tsisy dikany. 11 Fa raha tsy mafantatra ny dikan'ny fiteny raika za, de ho vahiny amin'ze miteny, ary ze miteny ho vahiny aminà. 12 Ôtran-zany ihaigny kô ny aminareo. Satria magniry fatratra ny fihetsehan'ny Fagna nareo, de magnàna zotom-po mba hiroborobo amin'ny fanaganana ny fengonana. 13 No zany ze mitare amin'ny fiteny tsy fantatra de tokony hivavaka mba hafany mandika teny. 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra Za, de mivavaka ny fagnako, fa ny saiko tsy mamô. 15 Ino no tokony ho atôko? Hivavaka amin'ny Fagnako za, fa hivavaka amin'ny saignako iany kô. Hihira miaraka amin'ny Fagnako za, ary hihira miaraka amin'ny saignako iany kô. 16 Raha tsy zany, raha midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fagna anareo, akôry no hitenenan'ny vahiny hoe: "Amena" rafa magnome fisaorana enao raha to ka tsy fantany ze lazaiano. 17 Fa enao de tegna magnome fisaorana tsara iany, fa ny olon-kafa tsy miorina. 18 Misôtra an'Andriamanitra za fa mitare amin'ny fiteny tsy fantatra mihôtra no anareo daôly. 19 Fa ny aigny am-pengonana de aleoko mitare teny dimy araka ny fazaôko mba hafako mampianatra reo hafa, salan-ze teny rai-alina amin'ny fiteny tsy fantatra. 20 Ry rahalà, aza mba zaza amin'ny fihevitrareo. Fa kosa, raha amin'ny ratsy de magnanôva ôtran'ny zaza. Fa amin'ny fihevitrareo de ôka ho matotra anareo. 21 Akao amin'ny lalàna de vôsoratra hoe: "Amin'ny alalan'ny ôla hafa fiteny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny de hiresaka amin'reto ôla reto Za. Na de tsy hareigny Ana aza izy reo," ozy ny Tompo. 22 No zany reo fiteny tsy fantatra de famatarana, tsy amin'reo mpino, fa amin'reo tsy mpino. Fa ny faminagniana kosa de ho famatarana, tsy ho an'reo tsy mpino, fa ho an'reo mpino. 23 No zany, raha to ka miara-miangona ny fengonana daôly ary mitare amin'ny fiteny tsy fantatra avokoa, ary miditra reo vahiny sy tsy mpino, tsy ho lazain-jareo fa adala ma nareo? 24 Fa raha naminagny avokô nareo daôly ka nisy tsy mpino na vahiny niditra, de ho resy lahatra am-ze daôly reigneny izy. Ho tsaraina amin'ny alalan-ze daôly vôlaza izy. 25 Ho ambara ny tsiambaratelo akao am-pony. Vokatr-zany, hekoka izy ary hisôtra an'Andriamanitra. Hanambara izy fa tegna akeo aminareo Andriamanitra. 26 Ino zany no manaraka, ry rahalà? Rafa tafaray anareo, ny tsiraikaraika de magnana salamo, fampegnarana, fanambarana, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Atôvy ny ra-daôly mba hanorenanareo ny fengonana. 27 Raha misy mitare amin'ny fiteny tsy fantatra, avelao hisy ro na farafabetsany telo eo, ary mande tsiraikaraika, avy akeo de tokony hisy tokana handika ny tegny ze vôlaza. 28 Fa raha tsisy mpandika tegny, avelao ny tsirairay amin'jareo hitazona fahanginana akao am-pengonana. Avelao ny tsirairay hiresaka mitokona amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra. 29 Avelao hitare ny mpamignany ro na telo, ary avelao reo hafa hihaino amin'ny fahaiza-manavaka ze vôlaza. 30 Fa raha misy fahitana omena ze mipetra akeo amin'ny fanompoana, avelao hangina le raika ze niteny. 31 Fa ny tsiraikaraika de afaka mifandimby mamignany mba hafahan'ny tsiraikaraika mianatra ary mba hahery ny daôly. 32 Fa ny fagnan'reo mpamignany de akeo amban'ny fagnaraha-mason-reo mpamignany. 33 Fa Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa ny fiadanana. Zany no fitsipika ho an'reo fengonan'reo mpino daôly. 34 Ny vevavy de tokony hitazona fanginana akao am-pengonana. Satria tsy mahazo alalana hitare zareo. Fa kosa, tokony hagneky zareo, salan'ny ambaran'ny lalàna. 35 Raha misy irin-jareo henarana, avelao hanontany ny vadiny aigny an-trano izy reo. Fa mamenatra ho an'ny vevavy ny mitare akao am-pengonana. 36 Avy aminareo ma no neven'ny tenin'Andriamanitra? Anareo rerika ma no vôkasik-zany? 37 Raha misy meritreritra ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagna, de tokony hagneky izy fa reo ra ze soratako aminareo de didin'ny Tompo. 38 Fa raha misy tsy magneky zany de aleo izy tsy ho ekena. [Fanamarihana: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, akao agnatin-zany NY ULB sy UDB, de mamaky hoe: "Fa raha misy tsy magneky zany de ôka tsy ho ekena ." Ny dikan-teny sasagny talô magnano hoe: "Fa raha misy tsy malala izany, de oka izy tsy halala izany."] 39 Koa am-zany, ry rahalà magniry fatratra ny haminagny, ary aza mandrara an'iza na iza hitare amin'ny fiteny tsy fantatra. 40 Fa avilao ny ra-daôly atao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana.