Toko faha 13

1 Na de atao hoe mitare amin'ny fitenin'ireo ôla sy reo anjely aza za. Fa raha tsy managna fitiavana, de tonga vy magneno na kipantsona mikarantsam-peo za. 2 Na de atao aza hoe managna fagnomezan'ny faminagnina ary mahalala reo zava-miafina sy fahalalana daôly aza za, ary managna ny finoana daôly afahana mamindra reo tanety. Fa raha tsy manam-pitiavana; de tsisy dikany za. 3 Na de atao hoe magnome ze ra daôly anagnako hamahanana ny mahantra aza za, ary manolotra ny tegnako, de tsy mahazo na ino na ino za. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UBD de samy managna dikan-teny betsaka, mivaky ôtran-zao hoe: "Ameko mba hodorana ny tegnako." Ny dikan-teny sasagny kosa de mivaky hoe: "Ameko ny tegnako mba ho dorana."] 4 Ny fitiavana de mahari-po sady tsara fagna. Ny fitiavana de tsy mitsiriritra na mirehareha. Tsy miavogna 5 na magnano ze tsy mahamendrika. Tsy ti tegna. Tsy mora sosy, na mitanisa fahadisona. 6 Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana. Fa kosa mifaly amin'ny fahamarinana. 7 Ny fitiavana de mandefitra ny ra daôly, mino ny ra daôly, matoky ny ra daôly, ary miharitra ny ra daôly. 8 Tsy ho tapitra mandrakizay ny fitiavana. Raha misy faminagnina, de ho levona reo. Raha misy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, hitsahatra reo. Raha misy falalana de ho levona zany. 9 Fa tsika de mafantatra amin'ny ampahany ary maminagny amin'ny ampahany. 10 Fa rafa tonga le tegna lafatra, de ho levona ze tsy tanteraka. 11 Fony mbola zaza za, de nikoragna salan'ny zaza, neritreritra salan'ny zaza, nisaigna salan'ny zaza. Rafa leibe za, de navelako ny fazazana. 12 Fa am-zao fotôgna zao tsika de matazagna tsy mivantagna amin'ny fitaratra, fa ratrizay de hifagnatri-tava. Am-zao fotôgna za de mahafantatra amin'ny ampahany, fa avy akeo za de hafantatra tanteraka ôtran'ny nafantarana ana tanteraka. 13 Fa am-zao fotôgna zao de reto telo reto no mipetraka : ny finona, ny fanantenana, ary ny fitiavana. Fa ny leibe ndrindraka am-reo de ny fitiavana.