Toko faha 12

1 Momba an'reo fagnomezam-panahy, ry rahala, de tsy teko tsy hafantatra anareo. 2 Fantatrareo fa tamin'ny mbôla mpanompo sampy anareo, de vôvily nankeigny am'reo sampy tsy miteny anareo, taigny am'ze lalana daôly nitaritan'reny an'nareo. 3 Noho zany teko ho fantatrareo fa tsisy ôla ze miteny amin'ny Fanahin'Andriamanitra afaka miteny hoe: "Jesosy de vôozogna." Tsisy ôla afaka miteny hoe: "Jesosy de Tompo," afatsy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. 4 Ary misy fanomezam-panahy samihafa, fa Fanahy raika fôna. 5 Misy fagnompôna samihafa, fa Tompo raika fôgna; 6 ary misy karazan'asa samihafa, fa Andriamanitra raika fôgna no magnano an'azy reo ho azo atao amin'ny tsiraikaraika. 7 Ary ho an'ny tsiraikaraika no namena ny fanehôna ivelan'ny Fanahy ho an'ny tombotsoan'ny daôly. 8 Fa ho an'ny ôla raika no nagnomezana avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendrena, ary ho an'ny raika hafa ny tenin'ny fahalalana amin'ny alalan'ny Fanahy raika fôgna. 9 Ho an'ny raika hafa no nagnomezana ny finoana tamin'ny alalan'ny Fanahy raika, ary ho an'ny raika hafa reo fagnomezam-pahasoavana hagnasitrana amin'ny alalan'ny Fanahy raika. 10 Ho an'ny raika hafa no nagnomezana an'reo asan'ny hery, ary ho an'ny raika hafa faminagnena. Ho an'ny raika hafa de namena ny fahafana magnavaka reo fanahy, ho an'ny raika hafa reo karazana fiteny samihafa, ary ho an'ny raika hafa ny fandikana teny. 11 Fa ny Fanahy raika fôgna no miasa akao am'zany ra daôly zany, magnome an'reo fagnomezam-panahy ho an'ny ôla isanisany avy, araka ze nofidiny. 12 Fa satria ny vatagna de raika, ary managna rantsagna maro ary ny daôly de rantagn'le vatagna kô, noho zany de miaraka amin'i Kristy zany. 13 Fa tamin'ny alalany Fanahy raika no nagnanôvana batisa an-tsika daôly akao agnatin'ny vatagna raika, na reo Jiosy na reo Grika, na vôfatotra na afaka, ary ny daôly de natao mbô hisotro amin'ny Fanahy raika. 14 Fa ny vatagna de tsy rantana tokana, fa betsaka. 15 Raha mitare ny tongotra hoe: "Satria tsy tàgnana za, de tsy rantsagna amin'ny vatagna za," zany de tsy kely amin'ny vatagna avy. 16 Ary raha ny sofigna nonhitare hoe: "Satria tsy maso za, de tsy rantsagna amin'ny vatagna za," zany de tsy kely amin'ny catagna avy. 17 Raha maso daôly ny vatagna, de aiza ny fandrinesana? Raha sofina daôly ny vatagna, de ho aiza ny fandrinesana fofona? 18 Fa Andriamanitra nandamina ny rantsan'ny vatagna tsiraikaraika araka ny naoronany an'zany. 19 Raha rantsagana mitovy izy daôly, aiza no hisy vatagna? 20 Ka na de rantsagna maro aza zareo, de vatagna raika fôgna. 21 Ny maso tsy afaka hitare amin'ny tagnana hoe: "Tsisy ilàko an'nao." Na ny lô tsy hitare amin'ny tongotra hoe: "Tsisy ilàko an'nao." 22 Fa reo rantsagna amin'ny vatagna lazaina ho malemy de tegna ilaina, 23 ary reo rantsagna ze heverintsika fa tsy de manan-danja, de amentsika lanja bebe kokoa reo, ary reo rantsantsika tsy fampiseho de tsy magnana famendrena kokoa. 24 Ary ny rantsatsika fampiseho de tsy mila entina amin'ny famendrena, fa reo de efa magnana famendrena, fa Andriamanitra nampitambatra ny rantsagna daôly miaraka ary izy nagnome lanja kokoa an'reo ze tsy ampy an'zany. 25 Nagnano an'zany Izy mbô tsy hisy fisarana ny vatagna, fa mbô hifampikarakara reo amin'ny fitiavana mitovy reo rantsagna. 26 Noho zany rafa mijaly ny rantsagna raika, de miaraka mijaly reo rantsagna daôly; na rafa omen-danja, de miaraka mifaly reo rantsagna daôly. 27 Ary anareo de vatagn'i Kristy ary rantsagna am'zany ny tsiraikaraika. 28 Ary Andriamanitra nanendry takao amin'ny fiangonana reo Apôstôly alôha, faharôy reo mpiaminagny, fatelo reo mpampianatra, avy akeo reo ze magnano an'reo asa mahagaga, avy akeo reo fanomezam-pahasoavana hagnasitrana, reo ze magnome fzgnamena, reo ze magnano asan'ny fitantanan'asa, ary reo ze managna karazana fiteny samihafa. 29 Apôstôly ma izy daôly? Se mpamignany daôly? Se mpampianatra daôly? Se magnano asa magaga daôly? 30 Managna reo fanomezam-panahy hagnasitrana ma izy daôly? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ma izy daôly? Mandika teny ma izy daôly? 31 Katsaho amin'ny zotom-po reo fagnomezam-pahasoavana tegna geda. Fa hampiseho an'nareo lalana tsaratsara kokoa za.