Toko faha 11

1 Aleo tahaka anà, ôtra anà mpaka tahaka an'i Kristy. 2 Ary midera an'nareo za satria matsiaro ana amin'ny ra daôly anareo. Midera an'nareo za satria mitàna mafy ny fombafomba araka ze nanolorako an'jareo takeo aminareo nareo. 3 Ary teko ho azonareo fa Kristy no lôn'ny lehilà daôly, fa ny lahy no lôn'ny vavy, ary Andriamanitra no lôn'i Kristy. 4 Ary magnala voninahitra ny lôny reo leila ze mivavaka na maminagny ka misaron-dô. 5 Fa magnala voninahitra ny lôny reo vevavy ze mivavaka na maminagny tsy misaron-dô. Fa tsy hafa ary mitovy amin'ny hoe vevavy magnaratra ny lôny zany. 6 Fa raha tsy misaron-dô ny vevavy, de tokony tapana ho foika ny volony. Raha mamegnatra ny vevavy ny manapaka ny volony na ny magnaratra ny lôny, de ôka izy hanarogna ny lôny. 7 Fa tsy tokony hanarogna ny lôny ny leila, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny vevavy de voninahitry ny leila. 8 Fa ny leila de tsy natao avy tamin'ny vevavy. Fa kosa, ny vevavy no natao avy tamin'ny leila. 9 Fa tsisy liela noforonina ho an'ny vevavy. Fa kosa, ny vevavy no noforonina ho an'ny leila. 10 Zany no tokony hanagnan'ny vevavy ny mariky ny fahefana akeo amin'ny lôny, no reo anjely. 11 Na zany aza, akao amin'ny Tompo, tsy maleo-tegna amin'ny leila ny vevavy, na ny leila maleo-tegna amin'ny vevavy. 12 Fa raha avy amin'ny leila ny vevavy, de ny leila kô de avy amin'ny vevavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny ra-daôly. 13 Tsarao ny tegnanareo: Mety amin'ny vevavy ma ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy misaron-dô? 14 Tsy vô-janahary miitsy aza ma no mampianatra an'nareo fa raha ny leila no lava volo, de fafam-baraka ho an'azy zany? 15 Tsy mampianatra an'nareo ma ny vô-janahary fa raha ny vevavy no lava volo, de voninahitra ho an'azy zany? Fa namena an'azy ny volony mba hanarognana an'azy. 16 Fa raha misy te-hiady hevitra am-zany, de tsy managna fampiharana hafa zahay, na reo fengonan'Andriamanitra. 17 Fa agnatin'ireo torolalana magnaraka, de tsy midera an'nareo za. Fa rafa miara-tonga anareo, de tsy ho amin'ny tsara zany fa ho amin'ny ratsy ndrindra. 18 Fa tamin'ny vôlôny ndrindra, de reigniko fa rafa miaraka miangona akao amin'ny fengonana nareo, de misy fizarazarana akeo aminareo, ary mino an'zany amin'ny ampahany za. 19 Fa tsy maintsy misy fitsitokotokona akeo aminareo, mba hankasitrana akeo aminareo reo ze nekena. 20 Fa refa miangona nareo, de tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21 Rafa mihinana nareo, de samby mihinana ny ahaniny manokana ny tsiraikaraika alôn'ny ihinanan'reo hafa. Nôna ny raika, ary ny hafa lasa mamo. 22 Tsy managna tragno ihinana sy isotrona ma anareo? Ho tsinontsiniavinareo ma ny fengonan'Andriamanitra ka hahetrinareo ze tsy managna na ino na ino? Ino no tokony ho taraviko aminareo? Tokony hidera an'nareo ma za? Tsy hidera an'nareo am-zany za! 23 Fa noraisiko avy amin'ny Tompo iany kô ze ampitaiko an'nareo, fa Jesosy Tompo, tamin'ny alina ze namadina an'Azy, de naka mofo. 24 Rafa avy nisôtra Izy, de nanapaka an'zany ary nitare hoe: "Ty ny vatako, ze ho an'nareo. Ataovo zao ho fatserovana Anà." 25 Mitovy am-zany kô de noraisiny ny kapôka rafa avy nihinana hariva, ary nitare Izy hoe: "Ity kapôka ity no fanekena vaovao akao amin'ny ràko. Ataovo zao na ovena na ovena nareo no misotro, ho fatsiarovana Anà." 26 Amin'ny fotôgna daôly ze hinananareo ity mofo ity sy hisotronareo amin'ity kapôka ity, de magnambara ny fafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anareo. 27 Na iza na iza, no zany, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapôkan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrika, de ho meloka ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28 Ôka handinika ny tegnany alô ny ôla, ary am-zany de ôka ihinana ny mofo ary hisotro amin'ny kapôka izy. 29 Fa izy ze mihinana sy misotro ka tsy mafantatra ny vatagna, de mihinana sy misotro fitsarana ho an'ny tegnany. 30 Zany no matonga ny ola betsaka aminareo ho osa sy marary, ary ny sasagny aminareo ho foaty. 31 Fa raha mandinin-tegna tsika, de tsy ho tsaraina. 32 Fa rafa vôtsaran'ny Tompo tsika, de mpagnara-dalàna, mba tsy ho vôheloka miaraka am-zao tontolo zao. 33 No zany, ry rahalà, rafa miangona mba ihinana anareo, de mifampendrasa. 34 Raha misy ôla raika nôna, ôka izy ihinana aigny an-dragno, am-ze daôly miangona anareo de tsy ho amin'ny fitsarana zany. Ary makasika reo ra hafa ze nosoratanareo, de hagnome toro-lalana za rafa tonga.