Toko faha 10

1 Teko ho fantatrareo, ry rahalà, fa ireo raintsika de tao ambanin'ny rôndro avokoa ary namakivaky ny ranomasina. 2 Ny daôly de natao batisa ho amin'i Mosesy takao amin'ny rôndro sy tao amin'ny ranomaisina, 3 ary ny daôly samy nihinana ahanim-pagna mitovy. Ny daôly de nisotro ranom-pagna mitovy. 4 Fa zareo de nisotro tamin'ny vatolampim-pangna ze nagnaraka an'azy reo, de Kristy zany vatolampy zany. 5 Fa Andriamanitra de tsy nankasitraka tsara ny ankamarôn-jareo, ary ny fatin-jareo de niparitaka taigny agn'efitra. 6 Am-zao fotôgna zao regny ra regny de ohatra ho antsika, mba tsy hagnirintsika ra ratsy salan'ny nilan-jareo. 7 Aza manompo sampy, ôtran'ny sasagny tam-jareo. Zany de araka ze vôsoratra hoe: "Reo ôla nipetraka mba hihinana sy hisotro, ary nitsangana mba hilalao." 8 Ôka tsika tsy hijangajanga, salan'ny nataon'ny maro tam-jareo. Takao agnatin'ny ray andro, de ôla telo arivo sy ro alina no maty no ny am-zany. 9 Ôka iany kô tsika tsy hitsapa an'i Kristy, salan'ny nataon'ny maro tam-jareo reo ka naringan-reo menaragna. 10 Aza mimonomonona iany kô, ôtran'ny natôn'ny sasagny tam-jareo reo ka naringan'ny anjelin'ny fafatesana. 11 Ary regny ra regny no nitranga tamin-jareo mba ho ohatra ho antsika. Nosoratana mba ho fampenarana antsika izy regny_ ho amintsika ze nevian'ny fara-andro. 12 No zany ôka ze mieritreritra ny tegnany ho efa mijoro mitandrina tsara mba tsy ho lavo. 13 Tsisy fakam-pagna nahazo an'nareo ze tsy ikambanan'ny ôlombela daôly. Fa kosa, Andriamanitra de mahatoky. Tsy mambela alaim-pagna mihôtra no ze zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakam-pagna de hognome an'nareo ny làlana hilefasana iany kô Izy, mba hahafahanareo miaritra an'zany. 14 No zany, ry malalako, milefasa lavitry ny fanompôn-tsampy. 15 Mitare aminareo salan'ny ôla manan-tsaigna zà, mba hafahanareo mitsara ze koragnako. 16 Ny kapôky ny fisaorana ze isaorantsika, nga ma zany tsy fiombognana amin'ny ran'i Kristy? Ny mofo ze vakintsika, nga ma zany tsy fiombognana amin'ny vatagn'i Kristy? 17 Satria raika iany ny mofo, tsika ze betsaka de vatagna raika. Tsika daôly de mandray amin'ny mofo raika iany. 18 Tazagno reo vahôkan'Israely: nga ma reo ze mihinana reo fagnatitra tsy mpandray anjara akeo amin'ny alitara? 19 Ino no ho lazaiko? Hoe tsisy dikany ma zany ny sampy? Se ny ahanina ze natao fagnatitra tamin'ny sampy no tsisy dikany? 20 Fa mikorana momba ny ra ze ataon-reo Jentilisa mpanompo sampy fanatitra za, fa omen-jareo an'reo demonia regny ra regny fa tsy an'Andriamanitra. Tsy teko anareo ho mpiombogna amin'ny demonia? 21 Tsy afaka misotro ny kapôkan'ny Tompo sy ny kapôkan'ny demonia nareo. Tsy afaka miraika akeo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia nareo. 22 Se manakôry ze mahasaro-piaro ny Tompo ma tsika? Mahery no Izy ma tsika? 23 Ny ra daôly de ara- dàlana, " fa tsy ny ra daôly no mahasoa. "Ny ra daôly de ara-dalàna, " fa tsy ny ra daôly no mampandroso ny ôla. 24 Tsisy tokony hikaraka ny tombotsony manokana. Fa kosa, ny tsiraikaraika de tokony hikaraka ny tombotson'ny namany. 25 Afaka mihinana ze ra daôly amidy aigny an-tsena nareo, fa aza magnontany ny fieritreretana. 26 Fa "an'ny Tompo ny tany, sy ze daôly misy akeo am'azy." 27 Raha misy tsy mpino magnasa an'nareo hinana, ka te ho aigny anareo, de hoano ze ra daôly mipetraka akeo agnolônareo ka aza mivaky lô mandinika. 28 Fa raha misy mitare aminao hoe: "Ty ahanina ty de avy aigny amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy," de aza mihinana an'zany. Zany de ho an'le nampafantatra an'nareo, sy ho an'ny fieritreretana. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô sasagny de magnampy hoe: "Fa ny tany sy ny ra daôly akao amin'azy de an'ny Tompo."Fa ny dikan-teny tsara ndrindraka de tsisy an'zany.] 29 Tsy miteny za hoe ny fieritreretana manokana, fa ny fisaignan'ny olon-kafa. Nagnino ny fahafahako no tokony hotsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30 Raha mandray Ankara amin'ny ahanina am-pankasitrahana za, akôry no tivativaina am-ze nagnomezako fisaorana? 31 No zany, na mihinana na misotro anareo, na ino na ino ataonareo, de ataovo ho voninahitr'Andriamanitra daôly. 32 Aza magnome fanafitoinana ny Jiosy na ny Grika, na ny fengonan'Andriamanitra. 33 Miezaka ny hafaly ny ôla daôly amin'ny ra daôly za. Tsy mikaraka ny tombotsoko za, fa ny an'ny daôly. Ataoko zany mba ho vôvonjy zareo.