Toko faha 21

1 Tafaran'io raha io i Jesosy da nibôky tamireo mpianatry indraiky teo ame ranomasign'i Tiberiasy. Akô izao gne fomba niboahany : 2 Simona Petera da niaraky tamin'i Tomasy izay antsovagny hoe Didymo, Natanaela avy agny Kana agny Galilia, gne zanak'i Zebedio, da gne mpianatr'i Jesosy roy hafa. 3 Hoy i Simona Petera tamindreohoe: "Handeha hagnarato iao." Da hoy indreo tamin'azy hoe : "Iay, koa, handeha hagnaraky anao." Da lasa indreo sady niditry tao an-dakagny raiky, fa tsy nahazo ndre ino ndre ino indreo nandritry gn'aligny. Sady, raha efa mangirandratsy sahady gn'andro, da nitsangagny teo an-dranomasigny Jesosy, fa tsy lalan'e mpianatry hoe i Jesosy io. 5 Da hoy i Jesosy tamindreo hoe : "E Koraolà, tsy manakoanigny me anareo?" Namaly an'Azy indreo hoe: "tsisy." 6 Hoy izy tamindreo hoe: "Atsipazo eo ame sisiny ankavanan'e lakagny gne haratonareo, da hahazo anareo." Da natsipindreo gne haratondreo sady tsy nahavita nampiakatry an'izany tao nohon'e hamaroan'e laoky andrano . 7 Avy eo hoy e mpianatry izay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe: "Gne Tompo io." Refa regnin'i Simona Petera fa gne Tompo io, da nampiditry gn'ambonin'e lambany izy(satria tsy nisikigny izy), da nitsambikigny tagnatin'e ranomasigny. 8 Gne mpianatry hafa niditry an-dakagny(satria indreo tsy lavitry gne tanàgny, teo amin'e roan-jato hakiho teo), sady nisintogny gne harato feno laoky an-drano. 9 Refa tafakatry an-tanàgny indreo, da nahita afo foroagny tegny sady laoky an-drano teo amboniny, miaraky ame mofo. 10 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Mindesa laoky an-drano maromaro ame vao azonareo teo." 11 Da niakatry Simona Petera sady nisintogny ambohitry gne harato , izay feno laoky an-drano zakabe;153. Tena maro be, kanefa tsy rivatry gne harato. 12 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Avia hinagny mandraigny." Tsy nisy tamindreo mpianatry nasàky nagnotany an'Azy hoe: "Ia me Anao? " Lalandreo fa gne Tompo io. 13 Nagnatogny Jesosy, nangalaky gne mofo, sady nagnome an'izany andreo, akô izany koa gne laoky andrano. 14 Fagnitelony amin'io gne niboahan'i Jesosy tame mpianatry tafaran'e nitsanganany tame . 15 Refa avy ninagny e hanigny mandraigny indreo, da hoy i Jesosy tamin'i Simona Petera hoe: "Simona zanak'i Jaona, tia Anà mihôtry andreo me anao?" Hoy i Petera tamin'Azy hoe: "Eka rô Tompo, lalanao fa tia Anao iao." Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Fahano gne ondriko." 16 Nizaka tamin'azy fagnindroany indraiky Izy hoe: "Simona zanak'i Jaona , tia Anà me anao?" Hoy i Petera tamin'Azy: "Eka rô Tompo , lalanao fa tiako Anao." Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Karakaray gn'ondriko." 17 Nizaka tamin'azy fagnitelony Izy hoe: "Simona, zanak'i Jaona, tia Anà me anao?" Da nalahelo i Petera satria jesosy nagnano intelo tamin'azy hoe: "Tia Anà me anao?" Da hoy izy tamin'azy hoe: "Tompo, Anao mahalala gne raha agnaby ,lalanao fa tiako Anao." Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Fahano gn'ondriko." 18 Zakaiko aminao marigny da marigny tokôtry, Tame anao mbola tanora, da zatry nampiditry raiky gne lambanao sady nandeha tamizay tianao, fa refa ne-antitry anao, da hagnatatry gne tagnanao, sady olo-kafa gn'ampisikigny anao izy ame hinday anao amizay tsy tianao andehanagny." 19 Sady Jesosy nizaka an'izany mba hahalalagny hoe ame karazagny fahafatesagny akô ino gne hagnomezan'i Petera voninahitry an'Andriamanitry. Refa avy nizaka an'izany Izy, da hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Magnaraha Anà." 20 Nitodiky Petera da nahita e mpianatry izay tian'i Jesosy nagnaraky andreo, e raiky izay niakigny agnilan'i Jesosy avakoa da tao ame fihinanagny sady nagnano hoe: "Tompo, iza e raiky hamadiky Anao?" 21 Nahita an'azy petera da hoy izy avy eo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, ino gne ho anin'io lela io?" 22 Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Raha tiako hipetraky izy mandra- peviako, da midika ino aminao izany? Magnaraha Anà." 23 Da niparitaky teo ame mpirahala izany zaka izany, fa tsy ho faty io mpianatry io. Nefa i Jesosy tsy nizaka tamin'i Petera fa tsy ho faty e mpianatry hafa, fa hoe: "Raha tiako hipetraky izy mandra-peviako , da midika ino aminao izany?" 24 Izy e mpianatry izay nijoro vavolombelogny momba io raha io , izy ame e nanoratry io raha io , ary lalatsika fa marigny gne fagnambarany. 25 Misy raha maro hafa koa izay namboarin'i Jesosy. Raha voasoratry tsiraidraiky aby izany, da heveriko fa ndre da izao tontolo izao aza tsy homby gne boky izay ho soratagny.