TOKO FAHA 20

1 Raha vao mandraigny gn'andro voalohany amign'erign'andro, raha mbola mizigny igny, da nandeha ame kobory Maria Magdalena sady nahita e vato efa niala lavitry gne kobory izy. 2 Noho izany da niazakazaky izy sady nagnatogny an'i Simona Petera izy ame mpianatry hafa izay tian' i Jesosy da hoy izy tamindreo hoe: "Nalaindreo tao ame kobory gne Tompo, sady tsy lalanay e nagnasiandreo an'Azy." 3 Avy eo nandeha nijotso Petera izy ame mpianatry hafa, sady nandeha amekobory indreo. 4 Samby niazakazaky indreo, sady nihoafan'e mpianatry hafa nalaky i Petera da izy gn'avy voalohany tegny ame kobory. 5 Avy eo niondriky izy, sady nahita e lamba-paty nipetraky teo, fa tsy mbola niditra tao agnatiny izy. 6 Avy tafarany i Simona Petera daniditry tame kobory. Hitany nipetraky teo e lamba-paty 7 izy ame lamba nanigny tame lohany. tsy niara-nipetraky tame lamba-paty izy fa nifogno ho azy teo tame toerany. 8 Avy eo gne mpianatry hafa raiky gn'avy voalohany tame kobory, niditry t'agnatiny avakoa sady nahita da nino izy. 9 Fa hatramin'io fotoagny io indreo da tsy mbola nahalala gne soratry masigny avao fa izy da tsy maintsy hitsangagny ame maty. 10 Da nandeha nody t'andragno indraiky e mpianatry. 11 Fa Maria da nitsangagny nitomagny tambadik'e kobory. raha izy nitomagny igny, da niondriky tame kobory. 12 Nahita anjely roy misikigny lamba fotsy nidoboky izy, gne raiky tame lohany, sady gne raiky tame tombokiny tame toeragny nagnisiagn'e vatan'i Jesosy. 13 Hoy indreo tamin'azy hoe: "E raviavy , nagnino anao mitomagny?" Hoy izy tamindreo hoe : "Satria nentindreo gne Tompoko, sady tsy lalako izay nagnisiandreo an'Azy." 14 Refa avy nizaka an'izany izy, da nitodiky sady nahita an'i Jesosy nitsangagny teo, fa tsy lalany anefa hoe i Jesosy. 15 Hoy Jesosy tamin'azy hoe: "Ra viavy, Nagnino anao mitomagny sa? Fa ia gne hitenao? Noheveriny fa gne mpiambigny anefa Izy, da hoy izy tamin'Azy hoe: "Tompoko , raha Anao gne nangalaky an'Azy, da ambaray ana gne nagnasihanao an'Azy, fa ho alaiko agny Izy." 16 hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Maria." NItodiky izy, sady nizaka tamin'Azy tame zaka hebreo hoe: "Rabony" (izay midika hoe: "Mpampianatry.") 17 Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Ka mikasiky Ana , fa tsy mbola niakatry agny ame Ray iao, fa mandehana agny ame rahalako sady zakay amindreo fa hiakatry agny ame raiko izy ame rainareo Iao, sady gn'Andriamanitriko, da Andriamanitrareo." 18 Nandeha Maria Magdalena da nizaka gne mpianatry hoe: "Nahita gne Tompo iao", sady io raha agnaby io gne nozakainy tamin'azy. 19 Sady hariva tamizay, tamin'io andro io, gn'andro voalohany ame gn'erignandro, sady varangaragny izay nisygne mpianatry, da nihidy nohon'e fatahoragny gne jiosy, Nagnatogny Jesosy sady nitsangagny teo ategnategnandreo da nizaka andreo hoe: "Fiadanagny ho anareo." 20 Refa avy nizaka an'izany Izy, da nambarany andreo gne tagnany izy ame rarafony.Faly gne mpianatry refa nahita gne Tompo. 21 Avy eo Jesosy nizaka andreohoe: "Fiadanagny ho anareo. Ako gne nagnirahan'e Ray Ana, gne agnirahako anareo avakoa" 22 Refa avy nizaka an'izany Jesosy, da nitsoka gne fofon'aigny tamindreo sady nizaka andreo hoe: "Raiso gne Fanahy Masina. 23 Ndre helok'ia ndre helok'ia gn'avelanareo, da ho voavela indreo; sady ndre ia ndre ia tsy avelanareo, da tsy voavela indreo," 24 Tomasy, raiky tame roambifolo, nantsoigny hoe Didymo, da tsy niaraky tamindreo refa tonga Jesosy. 25 Gne mpianatry hafa avy eo nizaka tamin'azy hoe: "Hitanay gne Tompo." Hoy izy tamindreo hoe: "Raha tsy hitako egny ame tagnany gne loakin'e fantsiky, sady mametraky gny rambon-tagnako ao agnatin'e loakin'e fantsiky iao, sady maganapetraky e tagnako gne tagnako eo ame rarafony , da tsy hino iao." 26 Valo andro taty afara da tao indraiky gne mpianatriny sady niaraky tamindreo Tomasy. Nagnatog Jesosy raha nihidy e varangara, sady nitsangagny niaraky teo amindreo sady nizaka hoe: "Fiadanagny ho anareo." 27 Avy eo nizaka an'i Tomasy Izy hoe: "Magnatogna aty miaraky ame tagnanao sady apetray eto ame rarafoko izany. Ka kidy finoagny, fa minoa ." 28 Tomasy namaly da nizaka an'Azy hoe: "Tompoko da Andriamanitriko." 29 Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: "Satria nahita Ana anao, da nino. Sambatry gne tsy nahita, nefa mino.' 30 Amizao fotoagny izao Jesosy da nagnano famantaragny maro hafa teo agnatrehan'e mpianatriny, famantaragny izay tsy voasoratry tao agnton'ity boky ity, 31 fa izany da voasoratry mba hahalalanareo mino fa Jesosy, gne Kristy, gne Zanak'Andriamanitry, sady refa mino an'Azy anareo, da hahazo gne fiainagny ame gn'agnarany.