TOKO FAHA 19

1 Avy eo nentin'i Pilato Jesosy da novangoiny. 2 Nandrary satroky fantsy gne miaramila. Napetrakindreo tame lohan'i Jesosy izany sady nampisikigny lamba voloparasy an'Azy indreo. 3 Nagnotany an'Azy indreo sady nizaka hoe: "Arabaigny , ro mpanjakan'e Jiosy!" sady namango an'Azy indreo. 4 Avy eo nijotso indraiky Pilato da nizaka tamindreo hoe: "Indro, indesiko aminareo eto ambadiky Izy hahalalanareo fa tsy mahita heloky amin'Azy iao. 5 Da nijotso i Jesosy, nagnisy e feloha fantsy izy ame lamba voloparasy. Hoy i Pilato tamindreo: "Indro, ity e lelà!" 6 Refa hitan'e lohan'e mpisorogny izy ame manamboninahitry i Jesosy, da nikoiky mafy indreo da nizaka hoe: "Fantsio Izy, fantsio Izy!" Da hoy i Pilato tamindreo hoe: "Alainareo Izy da fantsio agny, fa iao tsy mahita heloky amin'Azy." 7 Namaly an'azy e Jiosy hoe: "Managny lalagny atsika, sady arak'e lalagny da tokony ho faty Izy satria mitogno tegna ho Zanak'Andriamanitry." 8 Refa regnin'i Pilato izany fagnambaragny izany, da nianatahotry izy 9 sady niditry tao ame lapam-panjakagny indraiky izy da nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Avy aia gne fiavianao?" Kanefa tsy nagnome valiny an'azy i Jesosy. 10 Avy eo Pilato nizaka tamin'Azy hoe: "Tsy managny ambara aminà izany anao? Tsy lalanao me fa managny fahefagny hagnafaky Anao iao, sady fahefagny hantsiky Anao?" 11 Namaly an'azy Jesosy hoe: "Tsy managny fahefagny aminà anao raha tsy nomegny anao avy agny ambony izany. Noho izany, izay nanoltry Anà taminao da managny heloky tena zakabe." 12 Tamizany valin'e zaka izany, da niezaky gne hagnafaky an"Azy Pilato, ga nikoiky mafy gne Jiosy, nagnano hoe: "Raha afahanao io lela io, da tsynaman'i Kaisara anao. Izay olo agnaby magnano gne tegnany ho mpanjaka da manohitry an'i Kaisara. 13 Refa regnin'i Pilato io zaka io da nentiny nijotsoJesosy sady napetrakiny tame seza fitsaragny izay antsovagny hoe:"lampivato", fa ame zaka hebreo da hoe "Gabata." 14 Sady avy gn'andro fagnoamagnagny gne paska, teo ame lera faha enina teo. Hoy Pilato tame Jiosy hoe: "Indro ity gne mpanajakanareo!" 15 Nikoiky mafy indreo hoe: "Apetrao Izy, apetrao Izy, Fantsio Izy!" Hoy Pilato tamindreo hoe: "Tokony hamantsiky gne mpanjakanareo izany iao?" Namaly gne lohan'e mpisorogny hoe: "Tsy managny mpanjaka hafa tsy i Kaisara iay. 16 Avy eo da natolotr'i Pilato andreo ho fantsiagny i Jesosy. 17 Avy eo nalaindreo Jesosy, sady nandeha nijotso izy, nibata gne hazo fijaliagny, ho agny ame toeragny antsovagny hoe "toeran'e karandoha,"izay antsovagny ame hebreo hoe "Golgota." 18 Nofantsindreo tagny Jesosy, sady nisy lelà roy hafa niaraky tamin'Azy, raiky isak'e ilany , da i jesosy gne t'ategnategnany. 19 Nanoratry famantaragny avakoa i Pilato da nametraky an'izany tame hajo fijaliagny. Izao gne vosorstry teo : JESOSY LAT'A NAZARETA, E MPANJAKAN'E JIOSY. 20 Maro tamindreo jiosy gne namaky an'izany famantaragny izany satria tsy lavitry gne tanagny gne misy gne toeragny namatsiagny an'i Jesosy. E famantaragny da nosoratagny tame Hebreo, Latina, da Grika . 21 Avy eo hoy gne lohan'e mpisorogn'e Jiosy tamin'i Pilato hoe: "Ka soratagny hoe : "Mpanjakan'e Jiosy , fa aleo hoe: 'ity raiky ity da nizaka hoe: "Iao gne mpanjakan'e Jiosy."''" 22 Da namaly i Pilato hoe: "Izay voasoratriko da voasoratriko." 23 Refa nofantsian'e miaramila Jesosy, da nendahandreo gne lambany, da nozaraindreo efatry, da samby managny raiky agnaby indreo, sady e gn'akanjo avakoa. Sady tsisy rirany e gn'akanjo, fa jaitry raiky avao. Avy eo nikoragny indreo hoe: "Aleo tsy trivatitsika 24 ity, fa aleo agnamboaragny loka ahitagny gne mahazo an'azy." Niboky izany mba hahatanteraky gne vozakan'e soratry masigny izay mizaka hoe: " Nifampizarandreo gne lambako sady nagnamboarandreo loka gne fitafiako." Izany gne nataon'e miaramila. 25 Sady nitsangagny takaikin'e hajo fijalian'i Jesosy gne reniny, gne ravavindreniny, Maria vadin'i Klopa, sady Maria Magdalena. 26 Refa nahita gne reniny izy ame pianatry izay tiany nitsangagny takaiky teo Jesosy, da nizaka tamin'endriny Izy hoe: "Raviavy indro, gne zanakao lahy!" 27 Avy eo hoy Izy tama pianatry hoe: "Indro, gne reninareo!" Sady tamizany lera izany da nalain'e mpianatryho agny amin'azy izy. 28 Tafaran'izany, refa nahafantatry fa vita gne raha agnaby da mba ho tanteraky gne soratry masigny, da hoy Jesosy hoe: "Te hinondrano iao." 29 Sady nisy tavoara feno divay masigny nipetraky teo amin'io toeragny io,da nsiandreo divay masigny gne eponjy da notohizany tame hysopa sady napetapetany tame vavan. 30 Refa ninagny e vinegra Jesosy da hoy Izy hoe: "Efa vita." Nohondrikiny gne lohanysady niala gne fagnahiny. 31 Satria andron'e fihomanagny tamizany, da mba tsy hijanogny eo ame hazofijaliagny mandritry gne sabata (Satria gne sabata da andro manan-daja manokagny) gne faty, da nangataky tamin'i Pilato e jiosy aveo, gne mba hanapahagny gne tpmbokindreo sady hangalagny andreo. 32 Avy eo nagnatogny gne miaramila da nanapaky gne tombok'e lela voalohany izy ame lela faharoy izay nofantsiagny niaraky tamin'i Jesosy. 33 Refa nagnatogny an'i Jesosy indreo, da nahita f'efa maty Izy, da tsy notapahindreo gne tombokiny. 34 Kanefa, nisy miaramila raiky nanindrogny gne vavoninytame lefogny, sady tonga da nisy ra da rano niraraky. 35 E raiky izay nahita izany da nijoro vavolombelogny, sady marigny gne fagnambarany. Fantatry fa marigny izay nozakainy mba hinoanareo avakoa. 36 Fa io raha agnaby io gne niboky mba ahatanteraky gne soratry masigny hoe: "Tsy hisy ho tapaky ndre da raiky ame tolagniny aza". 37 Sady mbola, misy soratry masigny hafa mizaka ho: "Indreo da hagnety an'Azy izay nolefognindreo." 38 Tafaran'io raha io, Josefa lat'agny Arimatia, hatram'e naha -pianatr'i Jesosy an'azy( fa tao ame mangingigny nohon'e fatahoragny gne Jiosy), nagnotany an'i Pilato raha afaky mangalaky gne vatan'i Jesosy izy.Nomen'i Pilato alalagny izy. Da avy Josefa sady nangala gne vatany. 39 Avy tagny avakoa Nikedemosy, izy izay avy voalohany hagnety an'i Jesosy gne harivan'igny. Sady ninday menaky magnitry da vahogny izy, teo ame zato litatry teo gne fatrany 40 Da nalaindreo gne vatan'i Jesosy sady namosogny an'izany tame lambam-paty da raha magnitry. arak'e fomba fandevenagny Jiosy. 41 Sady teo ame toeragny namatsiagny an'Azy da nisy saha ; sady teo ame saha nisy kobory vaovao izay mbola tsy nandevegnan'olo. 42 Satria andron'e fiomagnan'e Jiosy tamizany sady satria akaiky gne kobory, da nalevindreo tao Jesosy.