Toko faha 18

1 Tafaran'e nizakan'i jesosy ireo zaka ireo, da nijotso niaraky tame mpianatriny Izy ho eny ampita egny ame lohasan-drika an'i Kidrona, zay nisy saha nidirany da ireo mpianatriny. 2 Sady Jodasy, zay hamadiky an'i Jesosy, nahafantatry gne toeragny koa, satria nandeha matetiky tegny Jesosy da ireo mpianatriny. 3 Aveo Jodasy, nitariky ireo vondrogny miaramila da ireo mpiandry raharaha sasany avy amin'ireo lohan'e mpisorogny da Fariseo, nandeha tagny niaraky tame fanilo, fanala da fitaovam-piadiagny. 4 Aveo Jesosy, zay efa nahalala gne raha marobe hitranga Amin'azy, nandroso teo aloha sady nagnontany andreo hoe: "Ia gne tadiavinareo?" 5 Namaly An'azy indreo hoe: "Jesosy avy any nazareta." Sady hoy Jesosy tamindreo hoe : "Iao e Izy." Jodasy,zay namadiky an'Azy, da nitsangagny niaraky tamin'ireo miaramila avakoa. 6 Ka refa nizaka tamindreo Izy hoe: "Iao e Izy", da nihemotry indreo ka lavo tame tany. 7 Aveo koa da nagnontany andreo Izy hoe: "Ia gne tadiavinareo?" Sady nizaka koa indreo hoe: "Jesosy avy agny Nazareta." 8 Jesosy namaly hoe: "Nizaka anareo Iao fa Iao e Izy. Noho zany raha mitady Anah anareo, da avelao itoa handeha." 9 Zany da mba hahatanteraky gne zaka nozakainy hoe: "Aminareo zay nomenao Anah, tsy nasiko very ndre raiky aza." 10 Aveo Simona Petera, izay nanagny sabatry, namoaky an'zany sady namely e mpanompon'e mpisorogny be ka nahakapa gne sofiny ankavanagny. Sady Malko gne agnaran'e mpanompo. 11 Hoy i Jesosy tamin'i Petera hoe: "Averegno ao ame tragnony gne sabatrinao. Tsy tokony hosotro gne kapoaky zay nomen'e Ray Anah me Iao?" 12 Noho zany ireo vondrogny miaramila da gne kapiteny, sady ireo mpiandry raharahan'ireo Jiosy, da nisambotry an'i Jesosy sady namatotry an'Azy. 13 Nentin'ireo tagny Anasy Izy aloha, satria izy da rafozan-dahin'i Kaiafa, zay mpisorogny be tamin'io taogny io. 14 Sady Kaiafa da e nagnome hevitry e Jiosy fa tsara kokoa raha misy ologny raiky maty ho an'e fokonolo. 15 Nagnaraky an'i Jesosy Simona Petera, sady nagnano akô zany avakoa gne mpianatry raiky hafa. Sady lalan'e mpisorogny be zany mpianatry zany, sady niditry niaraky tamin'i Jesosy tao ame kianjan'e mpisorogny be izy; 16 fa Petera da nijoro tao ambadik'e vavahady. Noho zany e mpianatry hafa, zay lalan'e mpisorogny be, da nijotso ka niresaky tame mpanompo vavy zay mpiambigny gne vavahady sady nitondra an'i petera hiditry. 17 Avy eo e mpanompo viavy, mpiambigny gne vavahady, nizaka tamin'i Petera hoe: "Anao koa me tsy raiky ame mpanatrin'io lelà io?" Hoy izy hoe: "Tsy izy iao." 18 Sady nijoro teo ireo mpanompo da ireo mpiandry raharaha, sady nandrehitra afon'arigny indreo, satria nangatsiaky gne andro; ka nagnafana gne vatan-dreo. Petera koa niaraky tamindreo, nijoro teo sady nanafagny e vatagnany 19 Nagnontany an'i Jesosy momba ireo mpianatriny da gne fampianarany gne mpisoronabe. 20 Jesosy namaly an'azy hoe: "Nizaka ampahibemaso tamizao tontolo zao Iao. Nampianatry mandrakariva tao ame Synagoga da tao ame tempoly Iao zay nifampitaonan'e Jiosy rehetra. Tsy nisy nozakaiko tame takogny. 21 Nahoagny anao gne magnotany Anah? Agnontanio an-dreo zay naregny Anah momba zay nozakaiko. Eteo, ireo ologny ireo da mahalala zay nozakaiko." 22 Refa avy nizaka zany Jesosy, da nisy raiky tamin'ireo mpiandry raharaha nijoro teo namelaky tehamaigny an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Zany ve gne fomba hamalianao gne mpisorogny be?" 23 Jesosy namaly an'azy hoe: "Raha nizaka raha diso Iao, mijoroa vavolombelogny amin'zany diso zany, fa raha marigny, nahoagny anao mamely Anah?" 24 Aveo Anasy nandefa an'Azy mifatotry nandeha amin'i Kaiafa e mpisorogny be. 25 Sady nitsangagny Petera ka nanafagny gne tegnany. Aveo hoy ireo ologny tamin'Azy: "Anao koa me tsy raiky amin'ireo mpianatriny?" Nanda zany izy sady nizaka hoe: "Tsy izy iao." 26 Raiky tamin'ireo mpisoronabe, zay havan'e lelà nokapain 'i Petera gne sofigny , nizaka hoe: "Tsy hitako niaraky tamin'Azy tao ame saha me anao?" 27 Avy eo Petera nandà koa, sady avy da nagneno gn'akoho. 28 Aveo nindesin-dreo tao ame Kaiafa ho agny agnaty rova Jesosy. Mbola mandraigny be gne andro tamin'zany, sady indreo da tsy niditry tso agnaty rova mba tsyho voaloto fa efa nihinagny gne paska. 29 Ka nijotso teo amindreo i Pilato ka nizaka hoe: "Ino gne fiampangagny indesinareo manohitry ty lelà ty?" 30 Namaly indreo sady nizaka hoe: "Raha tsy mpanao ratsy io lelà, da tsy natolotranay anao." 31 Noho zany Pilato nizaka tamin-dreo hoe: "Hindesinareo Izy, sady tsarao araky gne lalànareo." Hoy ireo Jiosy tamin'Azy hoe: "Tsy ara-dalàgny ho anay gne manolotry ologny ho ho faty." 32 Nizaka zany indreo mba hahatanteraky gne zakan'i Jesosy zay nozakainy mba hizakàny hoe karazagny fahafatesagny akô ino gne hahafatesany. 33 Aveo niditry tao agnaty rova koa Pilato ka nangaiky an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Anao me gne mpajakan'e Jiosy?" 34 Jesosy namaly hoe: Magnontany avy ame tegnanao me anao, sa nisy hafa nizaka anao momba Anah?" 35 Pilato namaly: "Tsy Jiosy iao, sa tsy zany" Gne fokonolonao da ireo lohan'e mpisorogny gne natolotry anao taminà. Ino gne nataonao?" 36 Jesosy namaly hoe: "Gne fanjakako da tsy avy eto ami'zao tontolo zao. Fa raha mba ao agnatin'zao tontolo zao gne fanjakako, da hiady ireo mpanompoko mba tsy hanoloragny Anah amin'ireo Jiosy. Fa amin'zao fotoagny zao gne fanjakako da tsy avy ety." 37 Aveo Pilato nizaka tamin'Azy hoe: "Mpanjaka sady me zany Anao?" Jesosy namaly hoe: "Voalazanao fa mpanjaka Iao. Fa ho amin'zany tanjogny zany gne nahaterahako, sady ho am'zany antony zany gne niaviako eto amin'zao tontolo zao, mba hijoroako vavolombelogny ame fahamarinagny. Ireo agnaby zay an'e fahamarinagny da miteno gne feoko." 38 Pilato nizaka tamin' Azy hoe: " Ino gne atao hoe marigny?" Refa avy nizaka zany izy, da nijotso koa sady nizaka tamin'ireo Jiosy hoe: "tsy mahita heloky amin'ty lelà ty iao. 39 Fa managny fomba zay hagnafahako ologny raiky ho aminareo ame paska. Noho zany tianareo me gne hagnafahako aminareo gne mpanjakan'e Jiosy?" 40 Aveo nikiaky mafy koa indreo sady nizaka hoe: "Tsy io lelà io fa Barabasy." Sady Barabasy da mpangalatry.