Toko faha 17

1 Refa avy nizaka ireo raha ireo Jesosy, da nanandratry gne masony ho ame lagnitry Izy ka nagnano hoe: "Ray ô, tonga gne fotoagny, mankalazà gne Zanakao mba hankalazan'e Zanaka anao_ 2 akô gne nagnomezanao An'Azy fahefagny ambonin'e nofo agnaby mba hanomezany fiainagny mandrakizay ho an'zay marobe nomenao Azy . 3 Iao e fianagny mandrakizay: da gne ahafantarandreo Anao, e Andriamanitry tokagny sady marigny, sady Izy zay nirahinao, da Jesosy Kristy. 4 Nankalaza Anao iao teto an-tany. Efa vitako gne asa zay nomenao Anah ho amboariko. 5 amizao fotoagny zao, ry Ray, hankalazao miaraky ame tegnanao Iao ame voninahitry zay nanagnako niaraky taminao talohan'e nahariagny zao tontolo zao. 6 Nampahafantatry gne agnaranao tame ologny zay nomenao Anah avy amizao tontolo Iao. Anao ireny, sady nomenao Anah, ary notandremany gne zakanao. 7 Amizao fotoagny zao lalandreo fa gne raha aby zay nomenao Anah da avy aminao, 8 satria nomeko andreo aby gne teny zay nomenao Anah. Noraisindreo ireny sady lalany marigny tokôtry fa avy taminao Iao, sady nino indreo fa Anao ne nagniraky Anah. 9 Mivavaky ho andreo Iao. Tsy mivavaky ho an'e zao tontolo izao Iao fa ho andreo zay nomenao Anah, noho indreo anao. 10 Gne raha aby zay Anah da Anao, sady izay Anao da Anah, sady hankalazaigny amin'ireny Iao. 11 Tsy amizao tontolo zao koa Iao, fa ireo ologny ireo da eto amizao tontolo zao, sady magnatogny anareo Iao. Ray Masina ô, tano ame agnaranao zay nomenao Anah indreo mba hitambatry ho raiky, akô gne maha raiky atsika. 12 Raha mbola tamindreo Iao, da nitàgny andreo tame agnaranao, zay nomenao Anah. Niaro andreo Iao ary tsy nisy very dre da raiky aza, afa-tsy gne Zanaky gne fahaverezagny avao, mba ho tanteraky gne Soratra Masina. 13 Sady ho agny aminao Iao, fa mizaka ireo raha ireo amizao tontolo zao Iao mba hahatanteraky gne hafaliako ao amindreo. 14 Efa nomeko andreo gne zakanao, sady nankahalain'zao tontolo zao indreo satria tsy avy amizao tontolo zao, akô Anah tsy an'zao tontolo zao. 17 15 o da tsy mangataky Aminao gne hangalanao andreo am'zao tontolo zao, fa mba hiarovanao andreo ame ratsy. 16 Indreo da tsy an'zao tontolo zao, akô Anah tsy an'zao tontolo zao. 17 Hamasino ame fahamarinagny indreo. Fa zakanao gne fahamarinagny. 18 Akô gne nagnirahanao Anah ho am'zao tontolo zao,gne nagnirahako andreo ho am'zao tontolo zao avakoa. 19 Fa nohon'e fitiavako andreo gne nagnamasinako gne tegnako, mba hanamasinagny gne tegnandreo ame fahamarinagny avakoa. 20 Iao da tsy mivavaky ho andreo fotsiny, fa ho andreo zay hino Anah ame alalan'e zakandreo koa 21 mba ho raiky avao izy agnaby, akô anao, Ray, ato aminah, sady Iao ao aminao. Mivavaky iao mba ho ao amitsika avakoa indreo mba hinoan'zao tontolo zao fa nagniraky Anah Anao. 22 Gne voninahitr'Andriamanitry zay nomenao Anah, da nomeko andreo, mba ho raiky indreo, akô gne maha raiky atsika. 23 Iao amindreo, sady anao ato aminah-ka ho tegna raiky tanteraky tokoa indreo, mba ho lalan'zao tontolo zao fa nagniraky Anah Anao, sady nitia andreo akô gne nitiavanao Anah. 24 Ray ô, ireo zay nomenao Anah da teko mba hagnaraky Anah ndre aia ndre aia misy Anah, sady hahita gne voninahitry zay nomenao Anah satria nitia Anah Anao talohan'e nahariagny zao tontolo zao. 25 Ray marigny ô, tsy nahalala Anao zao tontolo zao, fa Iao mahalala Anao; sady indreo mahalala fa nagniraky Anah Anao. 26 Nampalalàko andreo gne agnaranao, sady mbola ho hampalalàko zany mba ho ao amindreo gne fitiavanao Anah, sady Iao ho ao a! indreo."