TOKO FAHA 16

1 "Nozakaiko taminareo izany raha aby zany mba tsy ho solafaky anareo. 2 Ho roahindreo ao ame synagoga anareo. Fa avy gn'andro refa hihevitry izay raha mamono anareo fa indreo da manolotry raha tsara ho an'Andriamanitry. 3 Ho anīndreo izany satria tsy mahalala gne Ray na gne Tegnako indreo. 4 Nozakaiko anareo io raha io mba refa avy gne lerandreo, da ho tadidinareo f'efa nozakaiko taminareo gne momba andreo. Tsy nambarako taminareo gne raha tagny am-piamdohagny, satria mbola teo aminareo Iao. 5 Fa amizao fotoagny izao ho agny ame nagniraky Anà Iao, nefa tsy mbola nisy nagnotany Anà anareo hoe: "Handeha ho aia moa moa Anao?" 6 Fa satria nozakaiko taminareo io raha io, da alahelo gne nameno gne fonareo. 7 Fa zakaiko marigny aminareo, tena tsara ho anareo gne handehanako. Satria raha tsy mandeha Iao, da tsy ho avy aminareo gne Mpampahery, fa raha mandeha Iao, da handefa an'azy ho aminareo. 8 Refa avy izy, da hagnaporofo amizao tontolo izao ho diso momban'e fahotagny, gne fahamarinagny, da gne momban'e fitsaragny- 9 momban'e fahotagny gne mpampahery, satria tsy mino Anà indreo; 10 momban'e fahamarinagny, satria hody agny ame Ray Iao, da tsy ho hitanareo sanaky; 11 sady momban'e fitsaragny, satria ny mpanapaka izao tontolo izao da notsaraigny. 12 Managny raha maro hambara aminareo Iao, fa tsy azonareo gne hevitr'izany izao. 13 Kanefa, refa avy izy, Fagnahin'e Fahamarinagny, da hitariky anareo ho ame fahamarinagny agnaby, satria tsy hizaka avy ame tegnany izy. Fa hizaka izay raha raha regniny izy, sady hizaka aminareo gne raha izay ho avy. 14 Hagnome voninahitry Anà izy, satria gne avy amign'Anà avao gn'hambarany aminareo. 15 Izay raha anagnan'e Ray da Anà. Noho izany, nizaka Iao fa e fagnahy hangalaky amin'izay Anà sady hizaka an'izany aminareo. 16 Afaky fotoagny foiky da tsy hahita Anà sanaky anareo, sady afaky fotoagny foiky hafa da hahita Anà indraiky anareo." 17 Avy eo gne sasany tame mpianatriny nifampiresaky hoe: "Ino gne raha zakainy atsika izany hoe: 'Afaky fotoagny foiky da tsy hahita Anà sanaky anareo da afaky fotoagny foiky hafa da hahita Anà indraiky anareo,' sy hoe: 'Satria ho agny ame Ray Iao'?" 18 Noho izany da hoy indreo hoe: 'afaky fotoagny foiky'?Tsy lalanay gne tiany hambara." 19 hitan'i Jesosy fa te-hagnotany an'Azy indreo, da hoy Izy tamindreo hoe: "Izao me gne hagnotanianareo tegna, da gne tiako hambara ame fizakagny hoe: 'Fotoagny foiky izy ame tsy ahita Anà sanaky anareo , sady afaky fotoagny foiky indraiky nefa da hahita Anà anareo'? 20 zakaiko aminareo marigny da marigny tokotry, fa hitomagny anareo sady hitaraigny, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho feno alahelo anareo, f'izy ho lasa hafaliagny izany halahelonareo izany. 21 Refa magnifatry gne viavy bevoky raiky da malahelo satria avy gne fotoagny,fa refa teraky kosa e zaza, da tsy tadidiny sanaky gne halahelony nohon'e hafaliany fa nisy zaza teraky eo amizao tontolo izao. 22 Ka malahelo anareo amizao fotoagny izao, f'izy Iao mbola hiaogny aminareo indraiky, sady ho faly gne fonareo, da tsy hisy hangalaky an'izany hafalianareo izany aminareo. 23 Amizany andro izany da tsy hangataky Aminà ndre ino ndre ino anareo. Zakaiko aminareo marigny, da marigny tokôtry, raha mangataky ndre ino ndre ino ame Ray ame gn'agnarako anareo, da homeny anareo izany. 24 Hatramizao anefa tsy mbola nangataky ndre ino ndre ino tame agnarako anareo. Mangataha, da homegny anareo mba ho feno gne fifalianareo. 25 Efa nozakaiko taminareo tame fagnoharagny io raha io, fa avy gne lera refa tsy hizaka aminareo ame fagnoharagny sanaky Iao, f'izy hizaka aminareo mazava gne momban'e Ray. 26 Amizany andro izany da hangataky ame gn'agnarako anareo sady tsy hizaka anareo Iao hoe hivavaky ame Ray ho anareo, 27 fa gne Ray mihitsy gne tia anareo satria nitia Anà anareo sady nino fa avy agny ame Ray Iao. 28 Avy ame Ray Iao, ary avy teto an-tany. Fa handalo izao tontolo izao Iao sady ho agny ame Ray." 29 Hoy gne mpianatriny tamin'Azy hoe: "hiteo amizao fotoagny izao Anao mizaka mazava tsara sady tsy mampiasa fagnoharagny. 30 Lalanay amizao fotoagny izao fa mahalala gne raha agnaby Anao, sady tsisy tianao hametraky fagnotaniagny aminao. Noho izany, da mino Iay fa avy amin'Andriamanitry Anao." 31 Namaly andreo Jesosy ho: "Mino amizay zany anareo? 32 Indro, avy izao gne lera, eka, avy tokôtry, refa hiparitaky anareo, gne tsiraidraiky samby agny ame tragnony aby manokagny, da havelanareo raiky Iao. F'izy tsy raiky Iao satria miaraky Aminà gne Ray. 33 Efa nozakaiko taminareo io raha io mba hanagny fiadagnagny ato Aminà anareo. Mangn'olagny anareo eto amizao tontolo izao, nefa mahereza: efa nandresy an'izao tontolo izao Iao."