Toko faha 14

1 K'avela hangorohoro gne fonareo. Minoa an'Andriamanitry anareo, da mino Ana avakoa. 2 Misy efitry maro ao andragnon'e Raiko. Raha ohatry ka tsy izany, d'efa nizaka taminareo Iao, fa hagnomagny toeragny ho anareo. 3 Raha handeha Iao sady hagnomagny toeragny ho anareo, da hipody indraiky Iao sady handray anareo ato aminà, da izay misy Anà da hisy anareo avakoa. 4 Anareo mahalala izay handehanako." 5 Hoy i Tomasy tamin'i Jesosy hoe: " Tompo, tsy fantatray izay andehananao, akôgnaia gne hahafantaranay gne lalagny? " 6 Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: " Iao gne lalagny, fahamarinagny, sady fiainagny; tsy misy magnatogny gne Ray raha tsy ame alalako. 7 Raha nalala Anà anareo, da tokony nahalala gne Raiko avakoa. Manombok'izao da lalanareo Izy sady efa hitanareo." 8 Hoy i Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, aboahy anay gne Ray da ampy ho anay izany. " 9 Hoy i Jesosy tamin'azy hoe: " Efa hatriny gn' ela gne niarahako taminareo da mbola tsy lalanareo avao me Iao, ô rô Filipo? Ndre ia ndre ia nahita Anà da nahita gne Ray. da akôgnaia koa gne hizakananao hoe : 'Aboahy anay gne Ray'? 10 Tsy mino me anareo fa ao ame Ray Iao sady gne Ray ato aminà? Gne zaka izay nozakaiko aminareoda tsy zakaiko avy ame fahefàko manokagny, fa gne Ray velogny ato agnatiko gne magnano gn'asany . 11 Minoa Anà fa Iao da ao ame Ray, sady gne Raiko ato Aminà, raha tsy izany da minoa nohon'e asa manokagny. 12 Zakaiko aminareo, marigny da marigny tokôtry, izay mino Anà da hagnano gn'asa izay amboariko, sady hagnano asa zakabe mihôtry noho an'izany izy satria ho agny ame Ray Iao. 13 Ndre ino ndre ino angatahinareo ame gn'egnarako, da tanteiraiko izany mba hagnomezagny voninahitry gne Ray ao ame Zanaky. 14 Raha mangataky raha ame gn'agnarako anareo, da ho tanteraiko izany. 15 Raha tia Anà anareo, da hitandrigny gne didiko, 16 sady hivavaky ame Ray Iao, da lhagnome anareo mpampaheryh afa Izy mba ho eo aminareo mandrakizay Izy- 17 gne Fagnahin'e fahamarinagny. Tsy afaky mandray an'Azy izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatry an'Azy. Fa anareo avaogne mahalala an'Azy, satria mipetraky miaraky aminareo Izy sady ao agnatinareo. 18 Tsy hagnavela anreo ho raiky Iao; mbola hipody aty aminareo aty Iao. 19 Afaky fotoagny kidikidy da tsy hahita Anà koa iao tontolo izao, fa anareo mahita Anà. Satria ? velogny Iao, da ho velogny avakoa anareo. 20 Sady amizay andro izay da ho lalanareo fa ao ame Raiko Iao, sady anareo ato aminà, ary Iao ao aminareo 21 Izay managny gne didiko ka mitandrigny an'izany da izy gne tia Anà da ho tiavin'e Raiko avako, sady Iao hitia an'azysady hiboaky aminareo." 22 Hoy i Jodasy(tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe: " Tompo, nagnino Anao gne hiboaky aminay fa tsy amizao tontolo izao? " 23 Jesosy namaly da nizaka tamin'azy hoe: "Raha misy olo tia Anà, da hitandrigny gne zakako izy. hitia an'azy gne Raiko, sady ho avy amin'azy Iay sady hagnamboatry gne fipetrahanay miaraky amin'azy. 24 Fa izay tsy tia Anà da tsy mitandrigny gne zakako. Gne zaka izay regninareo da tsy avy Aminà fa avy ame Ray izay nagniraky Anà 25 Efa nozakaiko taminareo io raha io, raha mbola nijanogny niaraky taminareo Iao. 26 Kanefa , e mpampahery- e Fanahy Masina, izay hirahin'e Ray ame agnarako- izy gne hampianatry anareo gne raha agnaby izy ame hampatsiaro izay nozakaiko taminareo agnaby. 27 Fiadanagny gn'avelako ho anareo, omeko anareo gne fiadanako. Tsy omeko akô gne fagnomezan'izao tontolo izao izany. K'avela hangorohoro gne fonareo, sady ka mataotry. 28 Efa regninareo Iao nizaka taminareo hoe: 'Andeha Iao, da hipody agny aminareo indraiky.' Raha nitia Anà anareo, da tokony hifalifaly satrie ho egn'agny ame Ray Iao, satria gne Ray da zakabe tokôtry noho Iao. 29 Sady nozakaiko anareo dieny mbola tsy niboaky izany. 30 Tsy hizaka maro aminareo koa Iao, fa efa ho avy gne mpanapaky an'izao tontolo izao. Tsy managny fahefagny Aminà izy, 31 fa mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako gne Ray, da amboariko akô gne nandifian'e Ray Anà. Andeha hitsangagny atsika sady hiala ety."