Toko faha 8

1 Tamin-jègny andro zègny, dè nisy fokonôlogna ndraiky, ary tsy managna raha ohanigna zare. Dè nagnantso ny mpianatra i Jesosy ary nizaka tamin-jaré hoe: 2 "Mampalahelo zā iré fokonôlogna ré satria efa telo andro iré nanohy niaraka tamiko ary tsimanagna raha ohanigna. 3 Raha avèlako mipody andragnony tsimihinagna are, mety ho toragna agnarabe. Ny asanagny amin-jare, dia avy any lalan-davitra. Namalianan-jy re mpianatra hoe: ''Akaiza no hahazaontsika mofo ampy havokisagna re 4 fokonôlo re aty amin-tany foagna karaty?'' 5 Nagnontany anan-jaré izy hoe: "Firy ny mofo anagnandré?" Hozin-jare hoe: ''Fito'' 6 Nandidy ny fokon'olona mbora hitoetra amin'ny tany izy. Nalainy ny mofo fito, dè nisotra izy, ary nanapaka ireo. Natondron'ny mpianatr'anan-jy izègny mbora horasain-jare amin'ny fokonôlogna, ary napetrakan-jare alohan'ny fokonôlogna izègny. 7 Ary mbôla nanagna lôka hely vitsitsivitsy ihany koa nzaré, raha avy nisôtra nzaré Izy dia nandidy ny mpianatra mba handroso zègny koa Izy. 8 Dia nihinagna zaré ka vôky ary nalain-jare ny tapatapany tavèla, izay nahafeno helotra fito maventy be. 9 Tokony ho efatr'arivo te hoe eo ny ologna tamin-jègny. 10 Avitaké dia nalèfany nipody nzaré. Tonga dè niakatra agnaty sambo madinika niaraka taminzare mpianatra Izy, ary nandè agny amin'ny faritrin'i Dalmanota nzaré. 11 De nibôaka iré fariseo kôfa nanomboka nifamaly taminy. Nizaha famantaragna avitagny andagnitra nzaré, mbôra hitsapagn' Azy. 12 Nisento laligna tagny amin'ny fanahiny ary nizaka hoe:" Nahoagna fa mizāha famantaragna ireto taranaka ireto? Nefa volagniko marigna aminandré fa tsisy famantaragna omegna ty taranaka ity zègny''. 13 Avitaké dia niala nzaré Izy, nakatra tà agnaty sambo madinika , ary nandé lavitr'agny agnilany. 14 Ary adignony mpianatra ny nitôndra mofo niaraka tamin-jaré. Tsy nanagna ankôtrany raika nzaré tagnaty sambo. 15 Dia nampitandrigna anan-jire Izy ka nivôlagna hoe: ''Miambegna ary mitandrema amin'ny marisarisan'ireo Fariseo siny matrabatraban'i Heroda''. 16 Dè nifagnontany tegna ny mpianatra nagnano hoe: '' Noho antsika tsimanagna mofo zégny.'' 17 Fantatr' i jesosy zégny, ary hoy izy tamin-jaré :''Nahogna amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignandré? Mbôla tsy azonandré sa? Mbôla tsy takanandré sa? lasagna dindery ny fona'ndré? 18 Managna maso nandré, fa tsy mahita sa? managna tadigny nandré, tsy mitandregny sa? Adignonandre sa ? 19 Raha nanapaka mofo dimy ho an'ny olona dimy arivo zā de helotra firy feno tapatapaka mofo zè nalagnonandré? Hozin-jaré taminy hoe: ''Roèmbifolo.'' 20 Raha nanapaka ré mofo fito hoan'ny ologna efatr'arivo zā, firy helotra ny ambiny nalagnonandré.? Hozin-jaré taminy hoe: ''Fito.'' 21 Ary nivolagniny hoe: Mbôla tsy taka-nandré fô?" 22 Tônga tagny Betsaida zaré. Nisy jamba rèky nindésin'ôlogna taminânjy, ary nangaviânjâré i jesosy mbo hikasika anan-jy. 23 Nindosin'i jesosy tamin'ny tagnany ilay tsimahita, ary nitondra anan-jy hivoaka ny tanagna. Raha nandrôra tamin'ny masony izy ary nametaka ny tagnany taminy, dè nagnontany ananjy izy hoe: '' Mahita râhâ ana?'' 24 De niandra izy, ka nivolagna hoe: ''Mahita kakazo kàra olôgna mandèdèha zâ.'' 25 Napetak'i Jesosy taminy ndraiky ny tagnany, ary nabiagnany ny masony lalahy, de niherigna tamin'ny fahitany talôha izy, ary zègny raha zahavany itany soman-tsara. 26 Dia nalèfan'i Jesosy nipody izy ary nizakèny hoe: '' Aza miditra an-tanàgna.'' 27 Nandeha Nivôka i Jesosy sy mpianatr'ananjy nandé amin'ny tanagnan'i Kaisaria Filipo. Tandalagna dé nagnontany reo mpianatra izy hoe: '' Hatônôlo zôvy mâ zâ?'' 28 Dè namaly anan-jy zaré hoe: "Jaona mpagnano batisa. Ny sasany nizaka hoe: 'Elia', ary ny hafa ndraika nagnano hoe: 'Raika amin'ireo mpaminagny.''' 29 Nagnontany anjareo Izy hoe: '' Rā hanandré kôza magnano azôvy Za?'' Dè namalianan-jy i Petera hoe: '' anô i Kristy''. 30 Nampitandrigna anjaré i Jesosy tsy hivolagna ny momba anan-jy na amin-jôvy na amin-jôvy. 31 Nantômboka nampianatra an-jaré Izy fa tsy mèntsy hijaly ny Zanak'Ologna, ary ho toerin'ny lohologna sy lohan'ny mpisorogna ary mpanoratra lalàna, hivonigna kè hitsangana amin'ny maty afaka telo andro. 32 Nivolagniko mazava tsara zègny. Aviteo nantsovin'i Petera nangingigna i Jesosy ka nantetra nivolagnan'an-jy mâfy. 33 Fô nitôdiky i Jesosy dè nizaha ny mpianatra ary aviteo nivolagna maf an'i Petera kè nagnano hoe: '' Mialā lavitra zā , ry satana! tsy mbo mandiniky rahan'Anandriamanitra ana, fa nizavatr'ologna.'' 34 Avitake te dè nagnatso ny fokonologna sy ny mpianatr'anan-jy Izy, ary ahozy tamin-jaré hoe: '' Râha misy te- hagnaraka zā, dè tsy mèntsy mandā ny tegnany izy, mangala kakazo fijaliagna, ary magnaraha za. 35 Na zovy na zovy te-hamonjy ny haignany de hahavery zegny, ary azovy mahavery ny haignany nony amina sy ny filazantsara, de hahavonjy izègny. 36 Fa ino nefa tombotsoa azon'ologna raika raha mahazo zô tontolo zô, ary avakeo very ny hignany? 37 Ino omegna ny ologna raika takalon'ny aignany? 38 Na zovy na zovy megnatra za sy ny teniko eto amin'ity taranaka mijangajanga sy mpagnota ity, dè megnatra Za migna koa ny zanak'Ologna rehefa tonga ao amin'ny voninanitry ny rainy miaraka amn'ireo anjely masina Izy."