Toko faha 5

1 Tônga tagny ampitan-dranomasigna, zare takô amin'ny faritrin'i Gerasena. 2 Kôfa niala takô tandàkana hely Jesosy, tônga de nisy lalahy raika azon'ny fagnahy tsy mady kè nagnatogna Ananjy avitagny an-dragnö manara. 3 Nipètraka tandragnö manara itô lalahy itô. Tsy nisy afaka nitazogna ananjy kôza, na de tamin' ny rôjo vy aza. 4 Voatàdy marobe tamin'ny vy andraiky rôjo vy izy. Nitàpahiny jègny rôjo kè pôtika jègny gadra vy. Tsy nisy nanàgna hery nifehy ananjy. 5 Isaky aligna andraiky isan'andro teny amin' jegny tragnö manara, niafatrafatra izy kè nampandeha rà ny vatany tamin' ny vato marangitra. 6 Kôfa nahita an' i Jesosy avy lavitra izy, de nihazakazaka nagnatogna Aminy kè niankohotra take anölôhany. 7 Kè nihafatra tamin'ny feo mahery izy fô: '' Ino mô ifankazahoako aminâ ry Jesosy, Zanak' Andriamanitra Ambony Indrindra? Mitavandra anô amin'ny Agnaran' Andriamanitra araiky fô zaho, aza mampijaly ahy.'' 8 Fa Izy nivôlagna taminy fô: '' Mibôaha amin io lalahy io, ry fagnahy tsy mady'' 9 Kè Izy nagnontany azy fô: '' Azôvy ny agnarano?'' Kè nivaliny fô: '' legiona no agnaranà, satria zahe maro-isa.'' 10 Kè nitàvandra marè Taminy hatrany izy tsy handrohagna an-jare agny ivelany faritra. 11 Kè nisy andiàna lambo nitrôngy teny an-tampon-tanety, 12 kè niangavy tamin-jareo izy nagnano fô: '' Alefaso amin'ire lambo zahe; ambilao zahe hitsôfotra akô amin-jare.'' 13 Kè nabelany zare, kè nibôaka ire fagnahy tsy mady kè de niditra takô amin' ny lambo, kè de nirebagna taminy helaka ho agny an-dranomasigna ire, kè ny lambo take amin'ny roa arivo teo no maty an-dranomasigna. 14 Nilefa ireo mpanome hanin-dambo ary nitatitra ny raha nitsanga to an-tanagna sy tagny ambanivolo, maro ny ologna niboaka ny hahaha ny raha nitsanga. 15 Aviteo izy nandeha amin'i Jesosy ary hitan-jare ilay lalahy nipitrahany demonia, ilay araiky izay nipetrahan'ny legion, nipètraka takô, notary ary nahatsaro saigna; ka de nataotra izy ireo. 16 Ire zahay nahita ny raha nitranga to tamin'lè lalahy nipitrahan'ny demonia le de nintantarain-jare tamin'ny antsipiriany ny mahakasika izany, ary koa nintantara mikasika ny lambo zany tamin-jare. 17 De niantetra niangavy Ananjy zare mbo hialany eo amin'ny faritran-jare. 18 Raha hiakatra takô amin'ny sambokely Izy, niangavy taminy lè lalahy nipitrahan'ny demonia mbô hiaraka aminy. 19 Saingy tsy nikeny Jesosy anefa izy, fô mivôlagniny hoe: "Mandihàna mipody amin'ny tragnono andraiky fianakaviagnano ary tanataro amin-jare jègny naton'ny Tompo tamin'ilay andraiky namindrany fo tamin'ilay!" 20 De lasagna nody izy kè nanomboka nagnabara ny raha maventy jègny naton'i Jesosy tamin'azy tagny Dekapolisy, kè talanjogna ny jiaby. 21 Kè raha nandeha agnilany ndraika Jesosy, tamin'ny sambokely, de ireo nisy vahoaka betsaka be novory nagnodidigna Ananjy, raha te amorondranomasigna igny Izy, 22 Avitake tônga ny raika amin'ireo mpitarika ny synagoga, atô hoe Jairo, izy raha nahita Azy, de nantôraka te an-tongony. 23 Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: "Tsy salama mare kè efa ho diso ny Zanako viavy. mitalaho amino zaho, avia ary apetraho aminy tagñano mbô ho salama sy ho velogna izy. 24 De lasa niraidia tamin-anjy Izy, kè fokonôlo fontry tokoatrany niraidia ndraiky nagnodidigna Ananjy. 25 Kè nisy viavy raika tratrany fahaverezan-drà nandritry ny roambifolo togna. 26 Tegna nijaly kè efa nitety mpitsabo maro ndraiky nandany ny fanagnany jiaby, nèfa tsy nahita fahasalamagna fô voamèka nè tsy tsara. 27 Raha naregny tatitra mahakasika momban' i Jesosy izy, de nandeha tao afarany takô anaty fokon'ôlo izy Kè nifampipetaka ny akanjony. 28 Satria ahozy fô: ''Raha misôka ny lambany fogna zaho, de haivagna." 29 Raha nisôka Anan-jy izy, de nidogna ny faverezan-drà Kè tsapany hatrany agnatiny fô naivagna izy. 30 Fantan'i Jesosy niaraka tamin-jegny fô nisy hery niala avy taminy. Nitodika tany amin'ny fokon'ôlo Izy kè nivolagna fô: ''Azôvy no nikasika ny akanjoko?'' 31 De namaly Anan-jy ny mpianatra fô: ''Hitano ire fokon'ôlo fontry ire, koa Ahozy anô fô: ''Izôvy no nikasika Zàho.'' 32 Fa nizaha ny magnodidigna Ananjy Jesosy mbô hahitany izay nagnano zegny. 33 Viavy nahafantatra jègny nitranga taminy, de natahotra ndraiky nangôrohôro. Nandeha izy kè niantoraka taloan'i Jesosy kè nivôlagna taminy ny marigna jiaby. 34 De ahozy Jesosy taminy fô: '' Anaka ny finoagnanà no nahavelogna anà. Mandihana amin' ny fiadanagna ké maivàgna amin'ny tsy fahasalamana-nà.'' 35 Raha mbôla nivôlagna Izy, de tônga ny ôlo asanany avy tagny amin'ny mpitarika ny synagoga, nagnano fô: '' Efa diso ny zanak'anõ. Nagnino no mbola manahiragna ny mpampianatra fô?'' 36 Fô raha naregny jègny nivôlagnin-jareo Jesosy, de ahozy Izy taminy le mpitarika ny synagoga fô: '' Aza mavôzo. Minoa fotsiny fô.'' 37 Ary tsisy nambelany hiraidia aminy, afa-tsy Petera, Jakoba, ndraiky Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38 Tônga tagny andragnony le mpitarika ny synagoga zarè kè nahita ologna nitabataba be take Izy, nitomagny ndraiky nidradragna mare zarè. 39 Raha nitsôfotro tan-tragnö Izy, de ahozy tamin-jare fô: '' Nagnino anan-dre no mitabataba ndraiky mitomagny? Tsy diso ny zaza fa mandry. 40 ''Nimoèzan-jaré Izy.de naboakany tagny ivelany zaré jiaby kè nangalaka ny papany ndraiky mamany lè zaza ndraiky ire niraidia taminanjy, ké nitsôfotro takô agnefitra nisy lè zaza Izy. 41 Nitanany ny tagnan'ilè zaza kè nivôlagna taminanjy Izy fô : '' Talita, Komy '' zègny kôfa adika de : '' Razaza viavy mivôlagan aminà Zaho, mitsangàna. 42 Tônga de nitsagana razaza vavy kè nandèha (satria roambiny fôlo taogna izy). Magnana avy hatrany zare. 43 Nizakèny mare izy ire mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hahafantantra mikasika anjô. Avitake de nasèny namiagn-kanigna razaza viavy.