Too faha 15

1 Vo mahizimbe, de nivôry ny mpisorombe iraidia tamin'ire lohôlo sy ire mpanora-dalana ary ny synedryona Jiosy araika manontôlo. nofatoran-jare Jesosy ary nentin'izire niboaka. natolotr'izire take amin'ny Pilato Izy. 2 Nagnotsaf' Anazy pILato hoe: " ianà me no mpanjakan'ny Jiosy? " novaliany hoe : " voalazanà. " 3 Nanolotra fiampangagna fontro nanohitra an''i Jesosy ire lôhan'ny mpisorona. 4 Nagnotsaf' Anazy indraiky Pilato hoe: " Tsy manome valin-teny vô anà? Jahavo ny anfontrin'ny fiampangana anà indôsin-jare manohitra Aná! " 5 Fa tsy namaly an'i Pilato kôza Jesosy, de nahavariagn' anazy izeigny. 6 Kofa tamin'ny andro firavoravoana, de namoaka gadra araiky ho anazy ire fôgna Pilato, gadra izay angatahi'izy ire. 7 Niraidia tamin'ire mpikomy tao am-ponja, teo amin'ire mpamono ôlo izay voatazogna nohon'ny fandraisan'izire anjara tamin'ny fikomiana, dia nisy lalahy araika antsoina hoe :"Barnabasy. 8 Dia nankeo amin'ny Pilato ny fokonôlo ka Nanomboka nangataka taminy mbô hagnanôvany anazy ire araky ny fataony tagny aloha. 9 Pilato namaly anazy ire ka nivôlagna hoe:" Tianare vô raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no alefako ho anare?" 10 Satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lôhan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy. 11 Fa nagnetagna ny fôkonolo ire lôhan'ny mpisorona mbô hidalala maré fa tokony ho Barabasy kôza no havôsotro. 12 Dia namaly anazy ire indraiky Pilato ka nagnano hoe:" Ino arika izeigny no tôkony ho ataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 De nidalalalala indraiky izire hoe:" Homboy Izy!" 14 Ahozy Pilato amin-jare hoe:" Ino ny tsy tsara nataony?" Fa nidalala maré hatrany hatrany izire hoe:" Homboy Izy." 15 Te hagnanôvany izay hahafapô azy ire Pilato, koa dia nahafany ho Anazy ire Barabasy. Novangoiny Jesosy ary aviake natolony mbô hofantsiana. 16 Nindosin' ire miaramila ho eo an-kianja Izy ( izay ivon-toeran'ny fanjakana), ary nantsoin-jare jiaby ny antôko miaramila manontolo. 17 Nampisikinin' izire lamba volomparasy Jesosy, ary nandrandragna fehiloha fantsy izire ka namemetraka izeigny teo aminy. 18 De Nanomboka nangnotsaf' Anazy izire ary nivôlagna hoe:' Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!" 19 Novangohin'izire tamin'ny volotara ny lohany sady nandrora teo aminy. De nandohalika teo anatrehany izire mody nider' Anazy. 20 Rehefa avy nagneso Azy izy ire, de nendahin' izire taminy indraiky ny lamba volomparasy ary nampisikinin'izy ire Anazy ny fisikinany manokana , ary de nindesin-jare niboaka Izy mbô hamantsian-jare Anazy. 21 Noteren-jare ny mpandalo anakiraiky izay avy agny antsabo mbô hilanja ny kakazofijalian' i Jesosy, lalahy araika angizana hoe Simona Kyreniana Baban'i Aleksandra sy Rofosy. 22 Nindesin-jare miaramila tagny amin'ny toerana atao hoe Golgota Jesosy ( izay midika hoe " Toerana ; ny karakandôha ' ). 23 Namian' izire divay nifangaro miora Izy, fa tsy nigiaka an' izeigny Izy. 24 De nofantsian-jare Izy, ary nifampizaran-jare tamin' ny alalan' ny ankitsapaka ny fitsikinany mbô hahalalana izay ampahany raisin'ny miaramila tsirairay. 25 amin'ny ora fahatelo Izy no nofantsian' izire . 26 Ary teo amin'ny takelaka kakazo araiky no nosoratan' izire ny fiampangana nanohitra Anazy hoe:" Mpanjakan ' ny Jiosy." 27 Jiolahy roe no niraidia nofantsian;' izire taminy, ny araiky teo ankavanany ary ny araiky kosa teo ankaviany. 28 [ Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra de tsy manitsy ny Marka 15: 28 hoe: " De lavorary ny Soratra Masina magnano hoe:" natao ho isan ' ny mpanota Izy. ! ( Ampitahao ny Lioka 22 : 35 ) ] 29 Ireo izay nandalo teo de naniratsira Anazy, nagnifikifi- dôha ary nagnano hoe;" Aha! Ianao Ilay afaka mandrava ny Tempoly ary magnorina izeigny ao anatin'ny telo andro, 30 Vonjeo ny tegnanao ary mandrôrogna avy amin'io kakazofijaliana io!" 31 Ny lôhan'ny mpisorona koa de nagneso Anazy Karaha izeigny, niraidia tamin'ire mpanora-dalana, ary nivôlagna hoe;' Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tegnany. 32 Aoka Ilay Mesia, Ilay Mpanjakan'Israely, handrôrogno avy akeo amin'ny kakazofijaliana, mbô ho jahavanay ary hinoanay," ary ire nofantsihana niraidia taminy koa de nagneso Anazy. 33 Tamin'ny ora faha enigna, de tônga take amin'ny tany jiaby ny aizina hatramin' ny ora faha sivy. 34 Kôfa tamin'izeigny ora fahasivy izeigny de nidalala tamin'ny feo marè Jesosy hoe:" Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" izay midika hoe:" Andriamanitro ô, Andriamanitro ô , nahoana Anà no nahafoy Ahy?" 35 Ny sanany tamin'izire izay nitsangana take nandregny ny koragnany ka nivôlagna hoe :" Jahavo, magnatso any Elia Izy. " 36 Nisy ôlo araika nihazakazaka, nangnazoboka divay madilo ny eponzy , ary nametaka izeigny tamin'ny volotara, de nagnamia izeigny ho sotroiny. Ilay lalahy nivôlagna hoe:" Aoka jahavanay raha ho avy ampandrorogna Anazy akeo Elia." 37 Aviake Jesosy nidalala tamin'ny feo marè dia maty. 38 Rota nizara roe hatragny ambony ka hatrany ambany ny Lamban'ny Tempoly. 39 Kôfa hitan' ilay kapiteny izay nitsangana sy nifanatrika tamin' i Jesosy fa maty tamin' izeigny fomba izeigny Izy, de Ahozy Izy hoe:" Tena Zanak'Andriamanitra marina tokoa Io Lalahy Io. 40 De nisy vaiavy koa nijaha tegny lavitra tegny .Isan'izeigny Maria Magdalena, Maria ( renin' i Jakoba zandriny sy Jesosy ) ary Salome. 41 Tamin' Izy tagny galilia de nagnarak' Anazy sy nanompo Anazy izire. Ary vaiavy fontro hafa koa no niraidia niakatra taminy tagny Jerosalema. 42 Kôfa tônga ny hariva, satria andro fiomanana, izegny hoe, andro mialohan' ny Sabata io, 43 de tônga take Josefa avy agny Aramatia, mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona izy, izay nandigny ny Fanjakan' Andriamanitra. Nanam-pahasahiana izy nankany amin'ny Pilato hangataka ny fatin' i Jesosy. 44 Variagna Pilato hoe maty sahady Jesosy ; de nangizan' ilay kapiteny ary nagnontany azy izy raha maty Jesosy. 45 Rehefa nahazo antoka tamin' ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, de nomeny an' i Josefa ny vatana manara. 46 Ary Josefa nividy hariry madinika . Nampandrorogno an' i Jesosy teo amin'ny kakazofijaliana izy. de namono Anazy teo amin'ny fasana izay nolavahana tao amin'ny vatolampy. Aviake nanakodia vato maventy teo amin'ny tamiagnam-pasana izy . 47 De hitan' i Maria Magdalena sy Maria maman' i Jesosy ny toerana nandevenagn'Anazy.