Toko faha 17

1 raika tamin'ny anjely fito zegny nitàna ny kopy volamena fito nagnatogna sady nizaka taminaha hoe: " Malaky, ho atoroko anao ny sazin'ny mpijangajanga be zay mipetraka ambony rano. 2 Niaraka tamin'azy nampijangajanga an'ny mpanjakan'ny tany. Ny divaignan'ny fijangajangana no mahamamo ny mponinan'ny tany. 3 Avy eo ny anjely nitondra anaha tamin'ny Fagnahy tany amin'ny karakaraina, de nahita viavy nipetraka tambony bibi-dia de managna loha fito mban'ny tandroka folo. 4 Ny viavy de nekanjo voloparasy de mena sady vôravaka volamena, vato sarobidy, sady vato soa. Izy de nitàna tamin'ny tagnany kapoaka volamena feno ny raha mampadikidiky mban'ny tsy fahadiovan'ny fijangajangany. 5 Tamin'ny handrignany no nisy agnarana managna dikany mivony vôsoratra hoe: "Babilôna be, ny renin'ny mpijangajanga mban'ny raha mampadikidikin'ny tany." 6 Nahita aho fa ny viavy de mamon'ny ràn'ny mpino mban'ny martiry ho an'ny Jesôsy. Ndreka nahita an'azy aho, de tena gaga. 7 Fa ny anjely nizaka taminaha hoe: "Magnino na gaga anao? Hazavaiko anao ny dikan'ny viavy mban'ny bibidia zay mitondra an'azy, ny bibidia zay managna loha fito sy tandroka folo. 8 Ny bibi-dia zay hitanao de misy, fa tsisy amin'izao, fa andalam-piakarana avy agny amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy maso. Avy eo de miaigna ambony tany, ny zay tsy vôsoratra amin'ny Bokin'ny Fiaignana hatramin'ny namorognana an'izao tontolo izao ny agnarany- ho gaga iary zareo ndreka hahita fa ny bibi-dia de misy, fa tsisy koa amin'izao, fa andalam-pihaviana 9 Magnantso saigna zay manam-pahendrena zany. Ny loha fito de vohitra fito zay hipetrahan'ny viavy. 10 Izy io my koa de mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, raika no misy, sady ny hafa de mbola tsy tonga; ndreka tonga izy, de fe-potôna bitaka my no hipetrahany 12 Ny tandroka folo zay hitanao de mpanjaka folo zay mbola tsy nandray fanjakana, fa hahazo fahefana kara ny mpanjaka miaraka amin'ilay bibi-dia- mandritran'ny adiny raika iary zareo. 13 Feresan-tsaigna zany, sady iary zareo de hagnome ny hery mban'ny fahefan'iary zareo ny bibi-dia. 14 Hanangagn'ady manohitra ny Zanak'ondry iary zareo. Fa ny Zanak'ondry no handresy an'iary zareo satria Izy no Tompon'ny tompo, sady Mpanjakan'ny mpanjaka- de miaraka amin'azy ny vôantso, ny vôfidy, mban'ny manam-pinôna." 15 Hoy ny anjely taminaha: "Ny rano zegny hitanao, tamin'ny nipetrahan'ny mpijangajanga, no olona, vondron'olona, firenena, de fizakana. 16 Ny tandroka folo zay hitanao-iary zareo mban'ny bibi-dia de halaigna an'ny mpijangajanga. Ho atàn'iary zareo lao sady matanjaka izy, handrota ny nofony iary zareo, de handoro an'azy tanteraka amin'ny afo. 17 Fa Andriamanitra efa nametraka an'izany tamin'ny faneken'iary zareo hagnome ny herin'iary zareo hitondrana bibidia mandra-pahatanterakan'ny zakan'Andriamanitra.