Toko faha 16

1 Naregny feo mafy nagnatso avy tan-tempoly zaho de nizaka tamin'ny anjely fito hoe: "Mandana ka araraho amin'ny tany ny kopy fito feno ny hatezeran'Andriamanitra." 2 Dila ny anjely voalohany de nandraraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny tany; ratra ratsy sy marary no tonga tamin'ny olona zengy nanagna ny marika ny bibi-dia, iregny zegny nankalaza ny sariny. 3 Ny anjely faroy nandraraka ny tamin'ny kopin'ny tamin'ny ranomasina. Ka lasa rà izany, hôtra ny ràn'olona maty, de maty ny raha-managn-aigna marobe tan-dranomasina. 4 Ny anjely fahatelo nandraraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny tegnarano sy ny loharano, de lasa rà. 5 Regniko ny anjelin'ny rano magnano hoe:"Marina Anao_ny ankehitriny sy taloa, Ny Ray Masina_satria efa notsarainao raha io. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy sasagny taloa de mamaky hoe: "Marina Anao, Tompo_Ny ankehitriny sy taloa de ny hoavy, satria efa notsarainao raha io.") 6 Satria ny rà ny mpino mban'ny mpaminany no nalatsak'iary zareo, de namenao rà hoanina iary zareo ." 7 Regniko ny alitara namaly hoe: "Aika, Tompo Andriamanitra lebe, ny fitsaranao de marina sady mahitsy." 8 Ny anjely faefatra nandraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny masoandro,de afaka nagnoro ny olona tamin'ny afo zany. 9 May ny hafanana be iary zareo, ka nizaka ratsy ny anaran'Andriamanitra, zay managna ny fahefana amin'io loza io. Tsy nivalo tamin'ny iary zareo na nagnome voninahitra an'Azy. 10 Aveo ny anjely fahadimy nandraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny seza fiandranany bibi-dia, de nandrakotra ny fajakany ny hizigna. Nihota ny lelany iary zareo nony fijalena. 11 De nizaka ratsy an' Andriamanitra ny lanitra iary zareo, non'ny fijalena mban'ny ratran'iary zareo, de mbola nandà ny hivalo tamin'ny ratsy vitany iary zareo. 12 Ny anjely faha-enina nandraraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny tegnarano lebe, ny Eofrata. Noritina zany mba hagnomagnana ny lalana ho an'ny mpanjaka zay tonga avy tantsignianana. 13 Nahita fanahy telo maloto karany boketra zaho zay nivoaka avy tambavan'ny dragona, de avy tambavan'ny bibi-dia, sady tambavan'ny mpaminagny sandoka. 14 Fanahy ny devoly magnano famatarana mahavarena iary zareo. nandea tamin'ny mpanjakan'izao tontolo zao iary zareo mba hangotrika an'azy miaraka ho amin'ny adin'ny andro leben'Anandrimatra Ambony indridra 15 ("Itiky! avy karany mpangalatra zaho! sambatra zay mivavaka, miaro ny fitafeny mba tsy hivôka miboridagna izy de hitan'iary zareo ny famegnarany.") 16 Nandosin'iary zareo nandea tamin'ny toerana zay atao hoe Hara-magedona iary zareo 17 aveo ny anjely fahafito nandraka ny tamin'ny kopiny tamin'ny rivotra. de nisy feo mafy nivôka avy tam-piangonana sady avy tamin'ny seza fiandrianana, magnano hoe: "'Vita zany!" 18 Nisy tselatra, kotrooka, kotro-baratra, sady horohoron-tany mafy, horohorotany lebe noho zay efa nisy hatramin'zay nampisy olona teto an-tany, ka de mafy ny horohoron-tany zany. 19 Nizara ho telo ny tanàna lebe, sady rava ny tanàna ny firenena. Aveo Andriamanitra nagnatso mba hatsiaro an'i Babylona lebe, de nameny an'io tanàna io ny kapôka feno divagna vita tamin'ny firehitran'ny fahavignirany. 20 Fôgna ny nosy marobe, de tsita koa ny vohitra. 21 Nisy havadra mavety, milanja amin'na taleta raika eo, nijotso avy tandanitra agny ho amin'ny olona. Nagnozogna an'Anandriamanitra iary zareo non'ny loza avy tamin'ny havandra satria mafy tegnany ny loza zany.