Toko faha 15

1 Avy eo de nahita famantarana hafa agnonabe sady mampitolagaga tamin'ny lanitra aho: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, de loza fito farany, fa amin'iregny no hahatanteraka ny fahavigniran'Andriamanitra. 2 De hitako aby zegny niseho tamin'ny ranomasina fitaratra namperesina tamin'ny afo. Nitsangana takekin'ny ranomasina zegny nandresy an'ny bibidia mban'ny sariny, sy ny isa mampiseho ny agnarany. Iary zareo de nitana lokanga nomen'Andriamanitra anazareo. 3 De nihirain'iary zareo ny hiran'i Mosesy, lay mpanompon'Andriamanitra, sy ny hiran'ny Zanak'ondry hoe:" Ngezabe sady mampitolagaga ny asanao, Tompo Andriamanitra, lay Ambony indrindra. Marina sady mahitsy ny lalagnanao, ry Mpanjakan'ny firenena. 4 I zovy tsy hatahotra Anao, ry Tompo, ka tsy hagnome voninahitra ny agnaranao? Fa Anao raika my no masina. Ny firenena marobe de ho tonga hivavaka aminao satria ny asanao marina de efa nizakaina." 5 Tafaran'io raha io de hitako fa nivoha ny tempoly tan-danitra managna ny fijoroana vavolombelogna. 6 Nivôka avy tamin'ny toerana masina be ny anjely fito mitana ny loza fito. Sady magnatao akanjo madio, lamba mamirapiratra sady misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran'iary zareo. 7 Raika tamin'ny raha managn'aigna efatra nagnome an'ny anjely fito lovia volamena fito feno fahavigniran'Andriamanitra, Ilay velogna mandrakizay doria. 8 De feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra mban'ny heriny ny tempoly. Ka tsy nisy nahazo niditra tao na iza na iza mandra-pahatanteraka ny loza fito nandaon'ny anjely fito.