Toko faha 14

1 Nizaha zaho ka nahita ny Zanak'ondry nitsangana tamin'ny tendrombohitra Ziona. Niaraka tamin'Azy iregny 144.000 zay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Iabany voasoratra eo amin'ny handrignan'iary zareo. 2 Naregny feo avy agny an-dagnitra kara ny fikororohan'ny rano be sy orana mafy zaho. Ny feo regniko my koa de kara ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany. 3 Nihira hira vaovao talohan'ny seza fiandrianana sy talohan'iregny raha managn'aigna efatra sy iregny loholona iary zareo. Tsy nisy niza niza afaka nianatra ny hira afa-tsy iregny 144.000 zay nifidianina teto an-tany my. 4 Iregny de olona zay tsy nandoto ny tegnan'iary zareo tamin'ny viavy, fa nitana ny tegnany madio ara-nofo iary zareo. Zany de zay nagnaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza andehanany. Izy iregny de nifidianina avy tamin'ny olombelona kara ny voaloham-bokatra ho an'Andramanitra sy ho an'ny Zanak'ondry. 5 Tsy nisy afetsena hita tamin'ny molotr'iary zareo, tsy manan-tsigny iary zareo. [Fagnamarihana: "Ny dikan-teny sanagny magnampy hoe: " talohan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra"] 6 Nahita anjely hafa nagnembogna ambony zaho, zay nanagna ny hafatra mandrakizain'ny vaovao mahafaly zakaina amin'zay miaigna ambonin'ny tany amin'ny firenena, foko, ary ny olona maro be. 7 Nagnatso tamin'ny feo mafy izy hoe: "Matahora an'Andriamanitra ary magnomeza voninahitra an'Azy. Fa tonga ny oran'ny fitsarany. Mivavaha amin'Azy, ny raika zay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano." 8 Nisy anjely hafa- ny anjely faharoy- nagnaraka nizaka hoe: "Lavo, lavo Babylôna leibe, zay nandresy lahatra iregny firenena maro be mba hihinana ny divaignan'ny fitondran-tegna malotony." 9 Nisy anjely hafa- anjely fahatelo- nagnaraka an'azy iregny, nizaka tamin'ny feo mafy hoe: "Naha misy mivavaka amin'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handrignany na eo amin'ny tàgnany, 10 de hihinagna ny sanagny amin'ny divaignany fahavigniran'Andriamanitra my koa izy, divaigna tsy nifagnaro zay nararaka tagnatin'ny kapôky ny havignirany. Ny olona zay mihinana an'zany de hampijaliana amin'ny afo sy solifara eo alohan'iregny anjely masin'Andriamanitra sy eo alohan'ny Zanak'ondry. 11 Ny setroka avy amin'ny fijalian'iary zareo de miakatra mandrakizay doria, sady tsy manam-pahataperana andro aman'alina iary zareo- iregny mpanompon'ny bibidia sy ny sariny iregny, ary ny olona maro be zay mandray ny mariky ny agnarany. 12 Ity de antso ho an'ny faharetana maharitr'iregny zay masina, iregny zay mankatoa iregny didin'Andriamanitra sady mino an'i Jesôsy." 13 Naregny feo avy agny an-dagnitra zaho nizaka hoe: "Soraty zao: Sambatra ny maty zay maty ao amin'ny Tompo." "Aika", hoy ny Fanahy, "mba ahafahan'izy iregny miala robika amin'ny asan'iary zareo, fa ny vitan'iary zareo de hagnaraka an'iary zareo." 14 Nizaha zaho, ary nisy rahogna fotsy. Nipetraka tamin'ny rahogna ny raika kara ny zanak'olona. Nanagna satro-boninahitra volamena tamin'ny lohany sy antsy maragnitra egny an-tàgnany izy. 15 De nisy anjely hafa nivôka ny fiangonana sady nagnatso tamin'ny feo mafy an'ny mipetraka eo amin'ny rahogna nagnano hoe: "Raiso ny antsinao ka manomboa mambely. Fa tonga ny fotôna hambelezana, satria masaka ny vokatry ny tany." 16 Ary ny raika zay nipetraka tamin'ny rahogna nampandroso ny fambelezany teto an-tany, ka nivilezina ny tany. 17 Nisy anjely hafa nivôka avy tam-piangonana tagny an-dagnitra; nanagna antsy maragnitra my koa izy. 18 Mbola nisy anjely hafa koa nivôka ny alitara fagnorôna ditin-kazo magnitra, zay nanagna fahefana amin'ny afo. Nagnatso tamin'ny feo mafy be an'ny iregny zay nanagna antsy maragnitra izy hoe: "Raiso ny antsinao maragnitra ary aotroy iregny sampahom-boaloboka avy amin'ny voaloboky ny tany, fa iregny voaloboka de efa masaka zao." 19 Nampandroso ny fambilezany tamin'ny tany i anjely igny ary nagnotroka ny vokatry ny voaloboky ny tany. Natsipiny tagnatiny famiazam-boaloboka leiben'ny fahavigniran'Andriamanitra zany. 20 Ny famiazam-boaloboka de nidisahina tagny ivelagnin'ny tanàna, ary ny rà de niraraka avy ao amin'zany ka tonga hatregny amin'ny hamboasan'ny lamboridin-tsôvaly, zay 1.600 kilômetatra