Toko faha 13

1 De nahita bibi-dia aho niakatra avy tamin'ny ranomasina. Nanagna tandroka folo sy loha fito. Ka tamin'ny tandrokany de nisy diadema folo, sady nisy agnarana fagnasahana aby. 2 Ny bibi-dia itako de kara amboadia. Ny tongony de kara tongotra bera, de ny vavany kara vavana liogna. De nomen'ny dragona anazy ny heriny, sy ny seza fiandrianany, mban'ny fahefana lebe hanapaka. 3 Ny lohan'ny bibi-dia raika de kara efa maty, nefa sitragna ny ratra seka nahafaty anazy. De gaga ny tany marobe ndreka nagnaraka ny bibi-dia. 4 Ary de nenkohoka tamin'ny dragona iary zareo, satria izy no nagnome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. De nenkohoka tamin'ny bibi-dia koa iary zareo de nizaka hoe :"Iza karan'ny bibi-dia?" de "Iza afaka miady aminazy?" 5 Nomena vava afaka mizaka fireharehana mban'ny fagnasahana ny bibi-dia. De nomena alalana izy mba hagnatanteraka fahefana mandritran'ny efatra amby efapolo volana. 6 Sady nanokatra ny vavany hagnasa an'Andriamanitra ny bibi-dia : ka nagnasa ny agnarany, ny toerana hipetrahany mban'izay mipetraka agny an-danitra. 7 De navela hiady tamin'ny mpino izy ka handresy anazy ny bibi-dia.Sady nomena anazy koa ny fahefana manerana ny foko, ny olona, ny fiteny, mban'ny firenena marobe. 8 Hiankohoka aminazy aby ny olona marobe zegny mipetraka ambonin'ny tany, de zegny tsy voasoratra agnarana tamin'ny Bokin'ny Fiainana zay an'ny Zanak'ondry, zay efa nivonina nandritra ny famoronana iazao tontolo izao. 9 Zegny man-tadigny, de tokony hiteno. 10 Na misy nalaina babo, de handeha amin'ny fahababoany izy. Na misy nivonina tamina sabatra, de amina sabatra koa hamonina anazy. Ity de fagnangizana ho an'ny faharetana mban'ny finoana ho an'ny zegny masina. 11 De nahita bibi-dia hafa koa aho niakatra avy tambanin'ny tany. Izany de nanagna tandroka roy kara zanak'ondry, sady nizaka kara dragnona. 12 Nampihariny aby ny fahefana marobe nanagnan'ny bibi-dia vôlohany teo agnatrehany, ka ny tany mban'ny zegny mipetraka aminazy de tereny iankohoka amin'ny bibi-dia vôlohany- de ny raika nahafaka seky maty tamin'ny ratra nahazo anazy igny. 13 Nagnano fahagagana marobe izy. De nandatsaka afo avy tan-danitra ho amin'ny tany tagnatrehan'ny olona. 14 Ka tamin'ny alalan'ny famantarana io de nomena alalagna agnano an'izany izy, de namitaka an'ny zegny nipetraka tambon'ny tany izany.Ka nizaka an'io tamin'iary zareo mba hagnano sary ho voninahitry ny bibi-dia zay vôratran'ny sabatra nefa de vologna my. 15 De navela asena aigna ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ny sary mizaka ka zegny tsy magneky miankohoka amin'ny bibi-dia de nivonina. 16 Sady niforisen'izany andray marika ami'ny tagnana ankavanana na amin'ny andrigna aby ny tsirai-draika, na madinika, na lehibe, na manankarena na mahantra, na andevo na tsy andevo, 17 mba tsy hisy olona hahazo hividy na hivarotra mandra-pazahoany ny marikan'ny bibi-dia, izany de agnisan'ny fagnatoroana ny agnarany. 18 Izany de mitaky fahakantena. Na misy olona manan-tsaigna, aoka mba hagnisa ny iasan'ny bibi-dia izy. Fa io de fisain'olona. Ny isany de 666.